Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba fitiavana tena maha-sambatra…

13/01/2020

Maro ny vehivavy mahatsiaro mijaly ara-pitiavana. Anisan’ny mampijaly azy ireo indrindra ny tsy firarahiana sy ny hasarotam-piaro. Mety avy amin’ny fanavahana ireo fihetseham-po roa ireo koa anefa no ahafahana mitady vahaolana amin’izany.

 Lire la suite...

Mahatratra ny vady nampirafy, ny tsy tokony atao !

06/01/2020

Mampirafy ny olon-tianao, na ny vadinao. Rehefa tratranao izy, dia manazava, miangavy, mifona, mandamin-dresaka.

 Lire la suite...

Hadisoana telo tsy mahasambatra ny mpivady

30/12/2019

Amin’izao vanim-potoana izao indrindra no tsara hanaovana jery todika hanatsara ireo lesoka hita ao anatin’ny fiainan-tokantrano. Misy santionany telo matetika fanao ireto tokony hahitsy :

 Lire la suite...

Nampirafy izy, mbola azo itokisana ve?

16/12/2019

Marary ny ampirafesina. Ankoatra ny alahelo sy ny hatezerana dia tsy maintsy mipetraka koa ny fanontaniana ny amin'ny tokony atao.

 Lire la suite...

Fambara 4 fa tsy natao ho anao izy

02/12/2019

Tsy ny fe-potoana niarahana no hahafantarana raha tena natao ho anao na tsia ny olona iarahanao fa ny fifandraisana misy sy mampifamatotra anareo. Raha ireto 4 ireto no mitranga dia tsy natao ho anao izy.

 Lire la suite...

Kitso : kitikitiho hianohana fahafinaretana faratampony!

26/11/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Araraoty ny fikitihina azy raha te-hambabo vehivavy.

 Lire la suite...

Fiarahana vao miandoha, fadio ireto…

25/11/2019

Tsy ampy ny mitia fotsiny fa misy ny fihetsika tsy maintsy tandremana raha tiana haharitra ny fiarahana ho an'ireo vao miaraka amin'ny olon-tiany.

 Lire la suite...

Love

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 

  • Mifantoka aminareo

Azonao hatao irery izany. Diniho amin’ny fotoana mangina ny mahakasika ny vadinao. Mbola tianao ve izy ? Inona no tsy tianao eny aminy ? Mety mbola ho tiako ve ny hiaraka aminy afaka 10 taona ?Mety ve ny hataoko azy ? Marina ve ireo fanakianana ataony amiko… Diniho amin’ny fo tsy miangatra.

  • Miady amin’ny fahazarana

Tsy maintsy mandalo an’izany avokoa ny mpivady rehetra. Mitadiava kosa fomba ialana amin’ny fiainana diso mandeha am-pahazarana loatra. Mba manokàna fotoana ianareo roa hiarahana mijery sinema ohatra na misakafo any amin’ny “restaurant”. 

  • Mikarakara tena

Na dia efa aman-taonany aza no vadinao izy dia tokony hobaboina hatrany. Ilaina ny mikolo ny vatana sy ny tarehy. Fadio noho izany ny manao paozy tsy dia mivaky loha loatra eo imasony. Koloy toy ny ikoloina ny fifankatiavana ny tenanao.

  • Asandratra izy

Rehefa ela ny ela dia tsy romantika intsony ny mpivady. Ny kiana no lasa mibahana indrindra raha nahazoazo kibo ohatra ramose. Ovao doka ny fanakiananao azy. Izay ihany no fomba hanatsarana ny fifandraisanareo. Ataovy tsapany fa manandratra azy ianao mba hahatsapany fa mbola tia azy ianao.

  • Vonoina ny fahitalavitra

Mamono ny filàna ny fahitalavitra. Noho izany, aza asiana fahitalavitra aloha ao amin’ny efitrano fatoriana. Manaraka izany, mifanaraha amin’ny ora laniana manoloana ny fahitalavitra mba hahazoanareo mivady fotoana ho anareo manokana.

  • Mampiasa hanihany

Rehefa manaraka izao lahatsoratra izao dia  misy no te-hanontany sahady hoe : dia tsy azo atao ve izany ny manakiana azy mihitsy ? » . Rehefa misy ny tsy mety dia tokony holazaina tokoa  izany saingy amboary kely kosa ny fomba ilazana ireo zavatra tsy zakanao na hitanao fa tsy mety hataony. Mety ho mora ho azy kokoa ny handray azy raha toa ka atao miendrika hanihany ohatra no fomba ilazana azy.

  • Koloina ny filàna

Tsy atao mahamenatra ny miresaka momba  izany satria manana ny toerany lehibe ao anatin’ny fiainan’ny mpivady ny firaisana ara-nofo. Aza menatra ny mifanaitaitra amin’ny alalan’ny someso na ny hafatra ifandefasanareo mivady amin’ny seham-pifandraisana.

  • Manao tetikasa lavitr’ezaka

Miaraha mametraka tetikasa hotanterahina. Efa endriky ny fifanarahana hiarahana manatanteraka izany. Mampifandray am-po ny manao izany sady mahatonga anareo hifanara-tsaina. Mety misy foana ny tsy fitovian-kevitra ao anatin’izany fa ny zava-dehibe dia ny fiarahana mijery ny marimaritra iraisana.

  • Mianatra miaritra

Tsy mora ny monina miaraka amin’ny olona tsy mitovy fijery, tsy nitovy fanabeazana. Izany indrindra no ilana ny fahaizana mandefitra sy miaritra.

  • Malemy paika

Ny tena tsara atao dia ny mamadibadika im-pito ny lela mialohan’ ny hitenenenana sy hamoahana teny mandratra. Ezaho hatao foana aloha rehefa misy zavatra tsy azonao nataony ny mizaha ny antony nanaovany izany. Meteza mitoetra amin’ny toerana iray minitra aloha. Mangataha fanazavana fa ataovy amin’ny fomba tsotra sy tsy mivatravatra.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo