Jejoo

Dans la même rubrique

Mampirafy Miady lava Mifamono Saropiaro

14/02/2020

Mamaha ny olana i Dr Love Mampirafy ahy izy…Miady lava izahay ao an-trano….Vonoiny aho…Diso saropiaro izy ka tsy sambatra aho….

 Lire la suite...

Farafangana Reny teraka kambana 4

13/02/2020

Fahasoavana efatra sosona no azon’ny renim-pianakaviana iray, tao Farafangana. Teraka kambana efatra mantsy ity reny ity, tao amin’ny hopitaly CHRR Farafangana hatrany.

 Lire la suite...

Alex Barea vaovao

12/02/2020

Alexandre Ramalingom no anarany. Izy no ho anisan’ny mpilalao baolina kitra nanaiky hanatevin-daharana ny Barea. Teraka tao Frantsa ny 17 martsa 1993 izy.

 Lire la suite...

Lôby, 6 taona : Hita faty, noloarana ny masony!

11/02/2020

Zazalahy kely vao 6 taona monja, fiantso amin’ny anarana hoe Lôby, no hita faty omaly vao maraina tao amin’ny sekolim-panjakana iray ao Antaninarenina, Toliara.

 Lire la suite...

Rdj Mozika Award: ireo lamaody nisongadina tamin'ny sabotsy

10/02/2020

Taona vitsy izay dia zary lasa fotoana andrasan’ny mpanakanto sy ireo mpankafy azy fatratra ny Rdj Mozika Award.

 Lire la suite...

« Chips » saika nahafaty zaza!

06/02/2020

Raharaha iray manahirana ny ray aman-dreny ny fitadiavana ny ody am-bavafo ho an’ ny ankizy, indrindra raha te hijery ny ara-pahasalamana.

 Lire la suite...

Carine...nahazo 17/20 tamin’ny BACC, ho any Etazonia!

05/02/2020

Carine Ratsirahonana, 17 taona, mianatra ao amin’ny Saint Francois Xavier Fianarantsoa no nahazo ny naoty ambony indrindra manerana an’i Madagasikara, 17, 92/20 ny naotiny

 Lire la suite...

Actualités

Vehivavy ahondrana any Sina : Hay ampivadiana amin'ny sinoa!

17/06/2019

Voasambotry ny polisy ny 14 jona teo, teny Sabotsy Namehana ny vehivavy roa mpianaka izay 52 sy 34 taona. Araka ny fanadihadian’ny pôlisy dia tovovavy iraitampoho amin’ilay 34 taona no mampaniraka ity farany sy ilay reniny amin’ny fitadiavana vehivavy ahondrana

 

. Famitahana no entin’izy ireo mambabo ireo tsy an’asa ka akany vola hikarakarana ny antotan-taratasy. 2 tapitrisa ariary no nalain’izy ireo tamina tovovavy iray ny volana mey teo izay nilazany fa entina hikarakarana azy hiasa any ivelany.  Tsy asa velively anefa fa fampanambadiana tera-tany Sinoa no ketrika. Nisy zazavavy nalefan’izy ireo tany Sina mantsy ny taona 2017, nampanantenaina fa hiasa. Fitaizana zaza no tao anatin’ny fifanarahana ary 1.200.000 ariary isam-bolana ny karama. Kinanjo nony tonga tany dia nogiazan’ny vehivavy Malagasy sy Sinoa ny pasipaoro ary ny karam-panondro. Nitaraina an-telefaonina tamin’ny ray aman-dreniny io tovovavy io izay mbola tsy tafaverina hatramin’izao izay milaza ho mijaly tanteraka, nampanambadiana lehilahy Sinoa. Nanao ny taratasy fitarainana tamin’ny mpitandro filaminana ny fianakavian’ny lasibatra ka nanomboka teo ny fanadihadian’ny pôlisy SCESLFD na service central des enquêtes  spécialisées et de la lute contre les frauds documentaires teo Anosy ka nahatratrarana ireto mpianaka teto an-toerana.

Haja Nirina sy Patty

Natolotra ny fampanoavana afak’omaly sabotsy izy mianaka mpanondran’olona ireto.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo