Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Fambara sivy fa miankin-doha ara-pihetseham-po

20/05/2019

Ahoana no hahafantarana fa tsy fitiavana fa efa fiankinan-doha ara-pihetseham-po no tsapanao ho an’ny olona miaraka aminao ? ireto ny fambara hanavahana azy :

 Lire la suite...

Love

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 

Misy antony foana

Rehefa miova tahaka izany ny fomba fifandraisany aminareo dia fantaro fa misy antony foana na inona na inona izany antony izany. Fantaro anefa fa tsy voatery avy aminao foana izany. Ny lehilahy mihitsy no mifantoka tanteraka amin’ny olana sedrainy raha toa ka sendra izany.  Mila fotoana irery hakana saina sy handinihina izy amin’izay fotoana izay. Zavatra tsy tokony hatao indrindra ny manome tsiny azy noho izy lasa toa mangina sy heverinao fa tsy miraharaha anao. Tsy tokony hatao koa ny miantso azy foana. Matoa izy te-hihataka dia tsy te ho helingelenina mihitsy.

Tena mihataka maharitra be

Raha efa ho lava kosa ny azy dia tsara ihany hatonina izy ary hanontaniana mihitsy ny heviny mahakasika ny fiarahanareo. Miresaka mifanatrika mihitsy no mety amin’izay fotoana izay mba tsy hisy ny fifandisoan-kevitra.

Aseho azy fa vonona hanohana azy

Raha mandalo fotoan-tsarotra izy ka tsy te-hoelingelenina mihitsy dia hajao ny faniriany. Na izany aza, asehoy azy fa vonona ny hanohana azy ianao na dia hoe : ho sofina mihaino ny olany fotsiny aza. Ataovy fantany fa manan-danja aminao izy. Mety ny manontany azy tsindraindray toy ny hoe : manao ahoana izy. Tsy atao totoafo kosa anefa.

Maka fotoana ho an’ny tena manokana

Marina fa toa mampalahelo ilay hihatahana tahaka izany. Rehefa azonao antoka fa tsy avy aminao ny olana ary tsy misy ahiana ny fiarahanareo dia mijanona ho tony. Mba tsy hifantohanao be loatra amin’ny alahelonao azy  dia ifantohy kosa ny fiainanao manokana. Tratraro ny tanjona efa napetrakao ho an’ny fiainanao manokana. Miaraha amin’ny namanao. Manaova fanatajahan-tena ohatra. Tsy mampaninona mihitsy ny miala voly rehefa misy fotoana fa vao maika mampivelatra anao izany.

Fehiny

Mila hery sy ezaka avy amin’ny an-daniny sy ny an-kilany foana ny fiarahan’olon-droa. Misy fotoana mety mba te-hitokana ny olona tsirairay. Tsy midika akory izany fa tsy tia intsony na hoe : hotapahana ny fiarahana. Fotoana hangalana bahana iny ny marina mba hahafahana manome ainga vao ny fiarahana indray. Tsy tokony hikorapaka be foana noho izany raha toa ka mihataka aminao ny olon-tianao.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo