Jejoo

Dans la même rubrique

Mihasola, inona ny vahaolana?

19/07/2019

Volo 1 amin’ny 10 eo no mihintsana isan’andro na ho an’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Tsy tokony hiahiahy be noho izany raha misy volo manaraka ny fihogo rehefa mibango volo. Misy fotoana kosa anefa betsaka ny volo mihintsana. Inona ny atao rehefa sendra izany ?

 Lire la suite...

Inona no tokony ho ataon’ny vehivavy mba tsy hampirafy ny olon-tiany ?

17/07/2019

Patrick Rakotovao: Manao izay hanintona ilay lehilahy hatrany.

 Lire la suite...

Pronostics BAREA : Hoy ireo vehivavy …

11/07/2019

Anio alina no hifanandrinan’ny ekipan’ny Barea an’i Madagasikara amin’ny ekipa Tonizianina mitondra ny anarana Aigles de Carthage. Naka ny hevitry ny mpamaky ny amin’ny mety ho voka-dalao amin’izany ny Jejoo. Toy izao ny tombatombana raha ny hevitr’izy ireo :

 Lire la suite...

BAREA ¼ Finale : Sorohy ny fijanonan’ny fo tampoka!

10/07/2019

Nalaza be taorian’iny lalao ampahavalon-dalana iny, izay nandresen’ny BAREA sy ny RDC, ireo olona nodimandry, noho ny fiaton’ny fo tampoka, satria nientanentana. Amin’ny alakamisy izao no hiatrika ny ampahefa-dalana isika ka hisorohana ny loza tampoka, ireto ny torohevitry ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Jaona Elite : Ray, vady be fitiavana…namela kamboty 3

09/07/2019

Taorian’ny lalao izay nifanatrehan’ny Barea tamin’ny Repoblikan’i Congo no nindaosin’ny fahafatesana tampoka i Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite.

 Lire la suite...

Miaro tena amin’ny parasy, raha handeha vakansy

08/07/2019

Na any ambanivohitra, na any amoron-tsiraka dia mety ahitana parasy avokoa. Mahasorena anefa ny voakaikitr”izy ireny sady mangidihidy no mampijaly, indrindra ho an’ny ankizy.

 Lire la suite...

Ramilamina : Zava-maniry mitsabo « palpitation »

05/07/2019

Fitsaboana nentim-paharazana miainga amin’ny akora hita eny amin’ny natiora eny no entin’ireo mpitsabo fahiny miady amin’ny ody volivoly sy “palpitation”.

 Lire la suite...

Actualités

Fianakaviana nisara-bazana fa hoe nifamosavy

17/06/2019

Rehefa sendrana aretina somary hafahafa izay ny olona iray, indrindra raha saro-sitranina ilay izy, dia mby ao an-tsaina hoe : nisy namosavy. Toy izao ny resadresaka nifanaovana tamin’i Andriamiampy Lovatiana Lovaniaina na Mr Toby, izay nanatona mpitsabo mosa

 

vy.

 

Jejoo : Tantarao anay hoe : ny momba ilay aretin’ny rafozanao sy ny nataonareo hitsaboana azy?

Mr Toby : Narary amam-bolana maro ny rafozan-dahiko tany Antsirabe  ka nentina niakatra taty Antananairivo mba hitady fahasitranana. Nisy narary tao amin’ny tratrany ka rehefa mandrehoka dia misy rà mivoaka.

Jejoo : Nandeha dokotera ve ianareo?  Dia inona ilay aretina ?

Mr Toby  : Nentina dokotera aloha io rafozako io tany Antsirabe, ary  nampanaovina  “analyse”. Hita tamin’izany fa homamiadana no nahazo azy.

Jejoo : Taiza izy no nentinareo nony tonga teto Antananarivo ary hafiriana ny fitsaboana?

Mr Toby : Teny Antsimondrano izy no nentinay. Misy mpanotra, mpitsabo mosavy efa fandehanan’ny fianakaviana mantsy teny. Otra no nataon’io mpitsabo io, fa nisy rahavaviny nafarany avy any amin’iny faritra Itasy iny ihany koa nanampy azy, ka “tapakazo” tsy fantatray no nentin’io rahavaviny io nitsaboana ilay rafozako. Naharitra iray volana teo ny fitsaboana.

Jejoo : Inona no niseho afaka iray volana ?

Mr Toby : Vao mainka niha-nihombo ny aretiny dia tsy nety nankeny intsony izahay fa nitady hevitra hafa hitsaboana azy. Mpitsabo mosavy, voalaza hoe : nentim-paharazana teny Atsimondrano teny ihany no nitondranay azy. Ity mpitsabo faharoa ity dia mbola mampiasa “tapakazo” ihany koa.

Jejoo : Nisy fahasitranana ve tany amin’io mpitsabo faharoa io?

Mr Toby : Roa andro fotsiny izahay no teny dia maty ilay rafozako. Tao an-trano izy no maty fa tsy tonga teny amin’ilay mpitsabo intsony.

Jejoo : Ahoana ilay resaka hoe : mifamosavy ianareo mianakavy?

Mr Toby : Mbola nandeha nihotra tany amin’ilay mpitsabo voalohany noresahiko teo  ny vadiko, izay bevohoka, sy  ny rafozam-baviko ( manala havizanana), ka tamin’izany no  nilazan’io mpanotra io fa mosavy  no nahavoa ilay rafozan-dahiko  maty. Tsy iza, araka ny nambarany hatrany, fa ny fianakaviako (anabaviko sy reniko )no nanao izany. Ny anabaviko sy ny reniko ihany koa anefa mandeha miotra (manala havizanana) eny, ka amin’ireo havako ireo indray izy dia milaza fa ny vadiko sy ny rafozam-baviko dia mamosavy. Ampitondrainy rano kely hafafy any anaty fatsakana sy eny an-tokontany ry zareo. Taty aoriana kely dia narary maso ny zanaky ny anabaviko ka nentina teny dia nolazainy koa fa nataon’olona no nahatonga ilay areti-maso io. Tsy nety nitondra ny zanany teny intsony ilay anabaviko. Na ireo havako na ny vadiko sy ny reniny dia samy noferany tsy hitantara sy hamoaka io resaka mifamosavy io. Raha vao mivoaka, hoy izy, io resaka io, dia hisy faty 07 hivoaka ao anatin’ny fianakavianay, ary izy mahafantatra “gendarme” sy manam-bola, raha toa ka voatonotonona ny anarany.  

Jejoo : Manao ahoana ny fiaraha-monina sy ny fifandraisana ao aminareo mianakavy amin’izao fotoana izao?

Mr Toby : Mikorotana tanteraka ny fianakaviana avy aty amiko sy avy amin’ny vadiko. Vao niparitaka io resaka hoe mifamosavy io dia samy tsy nisy nandeha nihotra  teny intsony izahay. Ary efa natao foana ny fifampiresahina, satria efa tsapa fa ilay mpitsabo no mampiady anay, kanefa mbola hita misy lonilony eo amin’ny lafim-pianakaviana.

Jejoo :  Inona ny hafatra tianao hampitaina amin’ny mpamaky ny gazety jejoo amin’ireo olona mpandeha amin’ireny mpitsabo mosavy ireny? 

Mr Toby : Aleo aloha fantarina tsara  ny aretina sy ny fomba  fitsaboana hataon’ny olona iray  vao mandeha amin’ireny  karazana mpitsabo ireny. Izahay izao dia nolalaoviny teo foana ary nataony fangalana vola fotsiny, satria tsy latsaky ny 10. 000Ar no omena azy isaky ny mankany, ary indrindra aleo raha misy ny tsy salama, dia ny dokotera avy hatrany no hatonina, dia fantatra amin’ny alalan’ny fitiliana sy ny fizahana isan-karazany  ny aretina, dia any no tohizana ny fitsaboana.

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo