Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba natoraly mampangirana hoho

22/11/2019

Tsy mora ary sarotra ananana izany hoho mangirana, kanefa tsy nosorana “vernis” izany. Rehefa tsy manosotra “vernis”

 Lire la suite...

Paipaika 5 dia tsara fianjaika

22/11/2019

Manan-danja be ao anatin’ny fiaraha-monina ny endrika ivelany. Indray mitopy maso eny aminao monja dia fantatra raha misy « style » ianao na tsia. Ahoana ny atao mba hanana ilay fihavahana amin’ny hafa kanefa

 Lire la suite...

Volomaso raitra…araho izao!

21/11/2019

Singa iray mety hanova ny fijery sy ny hatsaran’ny tarehy ny volomaso raha voakarakara sy voasoritra tsara. Atoronay anao ireo paipaika mila atao hahazoana antoka fa ho tsara soritra foana ny volomasonao.

 Lire la suite...

Otra atao isan’andro, tsy mampisy kentrona

20/11/2019

Fantatrao ve fa mitondra vahaolana maro amin’ny fikoloana ny hatsaran-tarehy ny otra ? Ity iray ity izao dia manala havizanana sady misoroka ny fipoiran’ny kentrona izay maha-antitra ny tarehy :

 Lire la suite...

Fametahana “faux ongles” : mazia ho an’ny hoho…

15/11/2019

Fantatrao ve fa na fohy kely tahaka ny inona aza ny hohonao dia azo atao “french manucure” sy haingoina tsara tahaka ny an’ny vehivavy rehetra foana izy ireo?

 Lire la suite...

Lokomena, azo itarafana toetra

14/11/2019

Ravaky ny molotra sy ikoloana azy no tena ampiasana ny lokomena. Fantaro anefa fa azo amaritana ny toetran’ny olona iray ny lokon’ny lokomena mahazatra azy. Lazao anie ny loko tena tianao atao amin’ny molotra dia holazainay anao ny toetra mifanaraka amin’izay e !

 Lire la suite...

« trousse de maquillage » : inona avy ny tokony ho hita ao ?

13/11/2019

Ny vehivavy rehetra, dia tokony hanana fitaovana fikojakojana endrika manaraka azy isan’andro. Ny ankamaroan’ireo jejojejo angamba, dia efa samy mba mitondra fitaratra kely sy lokomena, na « gloss »

 Lire la suite...

Beauté

Karaoty, akondro,… manatanora endrika vetivety

14/06/2019

Tsotra kely ny fomba fikolokoloana tarehy amin’ny alalan’ireo akora natoraly toy ny voankazo sy legioma. Ireto aroso anao ireto izao dia akora natoraly telo karazana, samy haingam-piasa raha hiady amin’ny kentrona sy hanatanorana ny endrika.

 

 

Karaoty

Manankarena singana vitamina A ny karaoty. Mandrisika ny vatana hamokatra kokoa ny singana « collagène » izy, izay mahatonga ny hoditra halandina sy hanana fizozoranatsara. Toy izao ary ny atao, raha te hiady amin’ny kentrona sy hanatanora endrika amin’ny alalan’ny karaoty :

·         Kikiso amin’ny rapy aloha ny karaoty dia volavolao hahazo karazana paty malemy

·         Ahosory amin’ireo faritra mikentrona iny paty iny dia araho otra.

·         Avelao hiasa mandritra ny 30 minitra dia kobano amin’ny rano matimaty avy eo.

·         Avereno isan’andro.

Akondro

Ny akondro koa dia vory vitamina maro karazana. Tsy vitan’izay fa manana ireo singa mpanala poizina ao anaty hoditra izy. Toy izao no atao :

·         Poreto amin’ny « mixeur » ny akondro roa vao novoasana mba hahazo paty marihitra tsara

·         Iny paty iny no ahosotra amin’ny faritra mikentrona

·         Avela hilona 30 minitra vao kobanina amin’ny rano matimaty

·         Hosory “crème hydratante” avy eo.

·         Averina indroa isa-kerinandro.

Ranom-boasarimakirana

Ny asidra ao anaty voasarimakirana dia manadio haingana ny tarehy sady manala ireo sela maty. Sady manadio izy izany, no manome fahasalamana ihany koa. Izao no fanaovana azy :

·         Alaina ranony ny voasarimakirana miisa roa

·         Iny no ahosotra amin’ny tarehy misy kentrona

·         Avela hilona 5 hatramin’ny 10 minitra, ary tsy mivoaka ho azon’ny masoandro mihitsy, mandritra izany

·         Kobanina amin’ny rano mangatsiaka.

·         Azo averina in-2 na in-3 isan’andro raha ara-dalàna sy tsy makiana na sarotiny ny hodi-tava.

 

Ando

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo