Jejoo

Dans la même rubrique

Otra amin’ny bevohoka : Azo ampiarahana amin’ny fitsaboan’ny dokotera

19/07/2019

Fomba fanao fahiny ary mbola misy aza ireo manao izany amin’izao fotoana, ny otra mandritra ny vohoka.

 Lire la suite...

Bevohoka kambana : Tsy maintsy atao « césarienne » ve ?

18/07/2019

Tsy maintsy didiana na hatao “césarienne” ve ny zaza ao am-bohoka raha kambana? Fanontanaina mety ho maro mpanontany izany. Toy izao ny valin-tenin’ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Fraomazy, mofomamy… tandremo, mety hahatonga tohina!

15/07/2019

Indraindray zavatra tsy ampoizina akory dia mety hahatonga tohina eo amin’ny olona iray. Ireto omena anao manaraka ireto ireo mila tandremana manokana satria mety hiteraka izany.

 Lire la suite...

Fomba ahitana torimaso haingana

13/07/2019

Tranga mety hiseho amin’olona ny tsy fahitana torimaso. Maro karazana ny antony mahatonga an’io : rarintsaina, aretina sns. Ireto ny torohevitra atao hampiharina, hahitana torimaso haingana.

 Lire la suite...

Rehefa inona no mila mijery nono ny vehivavy?

12/07/2019

Isan’ny fomba iray hitarafana ny nono, hamantarana raha toa ka misy homamiadana ny « mammographie ». 35 taona, raha aloha indrindra, no tokony hanao azy ny vehivavy.

 Lire la suite...

Tazovony : vodina tamotamo no hanasitranana azy !

12/07/2019

Raha ny fitsaboana ady gasy, rehefa miresaka tazovony matetika dia rongony no mby ao an-tsaina, atao vary amin’anana. Raha ny finoana mantsy dia vokatry ny famisaviana, hono, izy io. Misy ihany anefa ireo nahita fomba hafa dia ny fampiasana ny tamotamo.

 Lire la suite...

Tsy fitovian’ny sokajin-drà amin’ny reny sy zaza: maha-afa-jaza na mahatonga « jaunisse »-ny zaza vao teraka.

11/07/2019

Isan’ny fototra iray mety hampisy olana ny fitondrana vohoka na tsy hahatomombana azy ny tsy fitovian’ny sokajin-drà na « rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza, na ilay antsoina hoe :« incompatibilité foeto-maternelle ».

 Lire la suite...

Santé

Misy rà rehefa avy miray, fa maninona?

13/06/2019

Mety tranga hiseho mandritra ny firaisana ara-nofo ny hoe : misy rà mandeha tampoka amin’ny fivaviana, kanefa tsy firaisana voalohany no sady tsy fotoanan’ny fadimbolana. Inona no mahatonga azy io ? Inona no tokony hatao ?

 

 

Aorian’ny firaisana, na elaela kely aorian’ny firaisana

Mety hiseho eo am-panaovana firaisana ara-nofo mihitsy aza, na ora vitsivitsy aorian’ny firaisana ara-nofo, ny rà mandeha, kanefa tsy fadimbolana akory. Antsoina hoe : « saignement post-coïtal” izy io. Mety ho zara raha betsaka, fa tete kely fotsiny ny rà mandeha, kanefa mety ho betsaka ihany koa. Mety hiaraka amin’ny fanaintainana izy io, rehefa miditra anaty fivaviana ny filahiana.

Aretina, dona mafy …

Maro ireo antony mahatonga an’io rà io :

·         Dona mafy loatra amin’ny fivaviana.

·         Tsy fahampian’ny hamandoana amin’ny fivaviana.

·         Misy otrikaretina (Chlamydia), na koa misy zavatra maniry vokatr’io otrikaretina io any amin’ny lalan-jaza, na ny vozon’ny tranon-jaza, ka mandeha rà rehefa voakasoka, na voadona.

·         Karazana fanafody fanabeazana aizana sasany.

·         Misy karazana varisy ao amin’ny lalan-jaza, ka vaky izy ireo rehefa voadona.

·         Misy fivontosana amin’ny vozon’ny tranon-jaza.

·         Mihatery sy malemy ny lalan-jaza, indrindra rehefa tonga amin’ny fitsaharam-pitsaihana.

·         Homamiadana na soritra homamiadana.

Manatona dokotera

Tsy misy afa-tsy ny fanatonana mpitsabo ihany no hahafantarana ny nahatonga izany, indrindra raha mateti-mitranga io rà mandeha io. Mila manao “frottis” ihany koa, na mitily rà, sao misy otrikaretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo.

Isaorana ny dokotera Fidy Bariniaina

Clinigue et echographie Fidy Ambatomainty

033 14 209 91

Nelly-Bri

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo