Jejoo

Dans la même rubrique

Tavy amin'ny andilana, azo esorina !

04/06/2019

Ny faritra manodidina ny valahana sy ny andilana no anisany sarotra ahena indrindra. Hanampy anao hanala ireo tavy amin'ireo faritra ireo kosa ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Otra 5 miaro ny tarehy tsy hiroraraka

28/05/2019

Rehefa mandroso ny taona dia miha-miroraka sy mivaha ny fizozoran’ny hodi-tava hany ka miroraka ny takolaka. Amin’ny fahatanorana dia miendrika telozoro mivadika miainga amin’ny saoka mankany amin’ny pomety sy ny volomaso ny tarehy.

 Lire la suite...

Manamafimafy ny fitombenana, ao an-trano

21/05/2019

Raha te-hanamafy sy hanalehibe ny fitombenana sy ny fe dia azo atao tsara ireto fampihetseham-batana ireto na dia ao an-trano ihany aza :

 Lire la suite...

Mampiakatra ny tratra ao an-trano

14/05/2019

Ny tratra no anisan’ny mampiavaka ny bikan’ny vehivavy amin’ny an’ny lehilahy. Toy ny faritra rehetra amin’ny vatana dia mila koloina izy io.

 Lire la suite...

Mampiakatra ny tratra ao an-trano

07/05/2019

Ny tratra no anisan’ny mampiavaka ny bikan’ny vehivavy amin’ny an’ny lehilahy. Toy ny faritra rehetra amin’ny vatana dia mila koloina izy io.

 Lire la suite...

Manafisaka kibo ao an-trano

30/04/2019

Raha tiana hiala ny roroa eo amin’ny kibo dia mila ovaovaina ny fampihetseham-batana hikoloana azy. Ireto telo manaraka ireto dia mikolo ny hoza-kibo manokana. Atao marina tsara ny fihetsika mba handaitra.

 Lire la suite...

Manakelikely sady manamafy ny sandry ao an-trano

09/04/2019

Ireto fihetsika ireto fotsiny no atao matetika ao an-trano raha te-hanana sandry kelikely mafimafy

 Lire la suite...

Forme

Mankarary ny tsy manao “echauffement”

11/06/2019

Tafiditra ao anatin’ny fitaizam-batana tokony hataon’ny olona rehetra ny fanaovana fampihetseham-batana.

 Efa hiaraha-mahalala fa mialohan’ ny hanaovana spaoro na inona na inona izany dia tsy maintsy manafana tena aloha. Tsy tokony hatao ambanin-javatra mihitsy izy io satria mety mitarika voka-dratsiny raha tsy hatao. Araho anie :

Mandratra hozatra

Maro karazany ny ratra mety hitranga raha toa ka tsy mafana tsara ny vatana sy ny hozatra kanefa mampihetsi-batana.

Mahavoan’ny « Crampe” : fikainkonan’ny hozatra izay manaintaina be ny « crampes ». Heverina fa vokatry ny tsy fahampiana rà na « oxygène » izy io kanefa mety mahatonga azy koa ny tsy fahampian’ny fanafanana tena.

Mahavoan’ny « élongation » : Mihitatra mihoatra ny tokony ho izy ny hozatra ary tena manaintaina ny faritra voan’izany. Mety hitarika ratra ao anatin’ny hozatra mihitsy izy io. Misy mangana matetika eo amin’ny faritra voany raha eo ambanin’ny hoditra no misy azy. Raha any anaty kosa ny ratra dia toy ny tsatok’antsy ny fanaintainana tsara.

Mampisy “courbatures”

Manana anjara toerana lehibe amin’ny famerenana ny vatana amin’ny laoniny aorian’ny ezaka natao ny fanafanana tena. Misy karazany roa moa ny fomba famerenana ny vatana amin’ny laoniny

Ny voalohany dia ny fanaovana fampihetseham-batana malefaka aorian’ny spaoro hatao. “Etirement” matetika no atao eo.

Ny faharoa kosa dia tena mifanohitra tanteraka amin’io dia ny fakàna aina tanteraka. Matory na maka aina fotsiny izany.

Tena hihisatra, izany hoe : elaela kokoa sady hananosarotra kokoa ny famerenana ny vatana amin’ny laoniny raha vao tsy nafana tsara nialoha ny nanaovana spaoro. Fantaro anefa fa hahafahan’ny vatana manintsana ny loto toy ny « acides lactiques » haingana kokoa ny famerenana aina haingana. Ity asidra ity mantsy no mahatonga fanaintainana any anaty hozatra. Noho izany raha tsy te-ho voan’ny “courbatures” dia tokony hanafana tena tsara mihitsy mialohan’ ny hanaovana fampihetseham-batana.

Iray andro aorian’ny ezaka natao vao mipoitra ny fambara rehetra rehefa tsy ampy tsara ny fanafanana tena.

Torohevitra fanampiny :

Tokony hisotro rano tsara aorian’ny ezaka natao.

Miss

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo