Jejoo

Dans la même rubrique

Vehivavy ahondrana any Sina : Hay ampivadiana amin'ny sinoa!

17/06/2019

Voasambotry ny polisy ny 14 jona teo, teny Sabotsy Namehana ny vehivavy roa mpianaka izay 52 sy 34 taona. Araka ny fanadihadian’ny pôlisy dia tovovavy iraitampoho amin’ilay 34 taona no mampaniraka ity farany sy ilay reniny amin’ny fitadiavana vehivavy ahondrana

 Lire la suite...

Zaza very : Araho ny marina rehetra!

14/06/2019

Nirongatra ny zaza very tamin’ity herinandro ity, niparitaka tao anatin’ny tambajotra Facebook.

 Lire la suite...

Bolida sy Julia : Mitantara ny fifankatiavany…

13/06/2019

Isan’ireo mpivady mifanohana eo amin’ny fiainana i Lalaina na Bolida (Barea de Madagascar) sy Julia Nomenjanahary, vadiny.

 Lire la suite...

Talatamaty : Tratra ilay vehivavy mpangala-jaza

12/06/2019

Vehivavy lehibe iray no tratra niditra an-tsokosoko tao amin’ny sekoly iray teny Ambohinambo Talatamaty ny faran’ny herinandro lasa teo.

 Lire la suite...

Lanto : “Hahavitan-doza ny hasarotam-piaro”

07/06/2019

Anisan’ny olona diso saro-piaro raha i Lanto. Na izy aza mahatsapa fa efa tena tsy voafehy ny hasarotam-piarony. Mitantara ireo zavatra vitany noho izany hasarota-piarony izany izy.

 Lire la suite...

Angela, zaza 14 taona bevohokana jiolahy

06/06/2019

Mbola mitohy ny fikarohan’ny manam-pahefana ilay jiolahy raindahiny nahabevohoka an’i Angela Raherimalala.

 Lire la suite...

Sakafo mangidy : Misy kalsiôma… manadio ny rà !

04/06/2019

Angivy, anamamy, salady « frisé »…Mahasalama tokoa ireny sakafo mangidigidy na manganangana ireny. Ireto ny antony 5 tokony hampazoto anao hihinana azy ireny :

 Lire la suite...

Conseils

25 taona aho. Misy olona miaraka amiko, efa 6 taona, efa niteraka izahay ary 2 taona ny zanakay.

11/06/2019

Izy efa manambady, nefa izaho sy ilay zanako mipetraka amin’ny ray aman-dreniko, fa izy zara raha manampy anay mianaka.

 Efa telo volana izao izy tsy mijery anay. Izaho akory tsy mitaky zavatra be aminy, nefa rehefa miteny tsotra azy aho dia manao valy an’avona izy. Tiako loatra izy, nefa inona no mahatonga azy hanao izany ?

Tsotra be ny antony mahatonga azy hanao izany : manam-bady izy, ka tsy foiny hopotehina noho ny fiarahanareo, na noho ny fanananareo zanaka iombonana, ny tokantranony. Porofon’izany : zara izy raha manampy anareo mianaka ary tsy mahavita mijery ny zanany akory aza izy mandritra ny telo volana. Izany ny lehilahy, amin’ny ankapobeny. Tsy hahafoy ny vady aman-janany ara-dalàna ho an’ny tantaram-pitiavana any ivelany izy. Noho izany indrindra dia tokony tsy hanantena be azy ianao. Ny tena tsara aza dia ny manapaka ny fiarahana aminy, satria ho tavela eo ianao raha hiandry azy, eny na dia tsy manantena zavatra betsaka aza. Tsy tokony hanantena na inona na inona mihitsy aza mantsy ianao, indrindra raha tsy misoratra aminy ilay zaza. Ianao no miezaha hanao izay hahatafita ny zanakao, dia miezaha koa manadino azy sy manorina fiainana ho anao. Io zaza io no adidinao voalohany, fa izy aza ivakiana loha be intsony, satria efa tsy miraharaha anareo mianaka rahateo.

Sady maditra ny dadako no manampatra ny fananany vola, ka isaky ny tenenina dia manadio tena foana, na tsy mety aza ny zavatra ataony. Noroahiny tato aminay mihitsy ny reniko sy ny zokiko, satria notenenin'izy ireo tamin'ny zavatra tsy nety nataony izy. Mba ampio azafady fa tena mikorontona mihitsy ny lohako, nefa aho haka bacc amin'ity.

Rariny raha miantraika aminao ny olana misy ao anatin’ny tokantrano iainanao. Na izany aza anefa, ny tsara fantarinao aloha dia manana ny olany ny olon-dehibe, izany hoe : ny ray aman-dreny, izay tsy voatery ho fantatrareo zanany, satria tsy lazainy anareo. Tsy tokony hidiranareo rahateo izany, fa olan-dry zareo manokana. Ankoatra ireo hitan’ny masonao ireo dia mety misy olana hafa ao ambadika, ka nahatonga ny ray aman-dreninao ho tonga hatramin’ny fifandroahana. Aza hidirana lalina anefa izany. Ny fianaranao aloha izao no adidinao voalohany, dia izay imasoana. Aleo izy mivady handravona irery ny olan-dry zareo, dia miezaha mifantoka amin’ny fianaranao. Aza momba ny atsy, na ny eroa, mandehana misintaka, raha sendra eo imasonao no mitranga ny gidragidra. Sarotra ilay izy, nefa mahereza. Aleo ho azy ireo ny azy, fa manjary ianao koa no mahazo loza, raha toa ianao ka miditra amin’izany. Odio fanina fotsiny aloha, fa ataovy izay hahazoanao ny bac.

Mba mitady fanafody fanalehibizana filahiana azo antoka azafady.

Hatreto dia tsy mbola misy mihitsy fomba fanalehibiazana filahiana azo lazaina ho azo antoka, na fitaovana ampiasaina eo ivelany io, na fanafody hanina, na atsindrona, eny na ny fandidiana aza. Any am-pitan-dranomasina dia ny fandidiana ihany no fomba fanalehibiazana, na fanalavana filahiana eken’ireo manam-pahaizana. Na izany fandidiana izany aza anefa dia tsy azo antoka 100%, satria tsy mbola nisy ny fikarohana nahafahana namantatra hoe : tena afa-po tokoa ve ireo lehilahy nandalo tamin’izany ary nanao ahoana ny akony, taona maro taty aoriana. Vao 8 taona teo ho eo mantsy no nanaovana izany tany ampitan-dranomasina. Mbola tsy misy manao azy kosa eto amintsika. Ny fomba iray azo atoro anao, dia ny fanesorana iray manontolo ny volo amin’ny filahiana. Ho lehibe kokoa ny fahitana ny taovam-pananahanao amin’izay.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo