Jejoo

Dans la même rubrique

MORAFENO ARIVONIMAMO Nankinina amin’ilay voapanga ho mpanolana ny fitsaboana ilay zazavavy

15/11/2019

Rehefa nifandrirarira teny ny raharaha, nandritra ny herinandro maro, ilay lehilahy noheverina fa mpanolana ihany no nanankinana ny fanasitranana ilay zazavavy.

 Lire la suite...

FANAFIHANA MITAM-BASY Jiolahy iray voatifitra, voasambotra ny 6

14/11/2019

Fikambanan’olon-dratsy « bande de 10 » mpanao fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra no ravan’ny pôlisy,

 Lire la suite...

Eric Fou Hehy : Sitrana soa aman-tsara, efa tafody

14/11/2019

Tonga soa aman-tsara eto Madagasikara i Eric ao amin’ny tarika Fou Hehy ary sitrana soa aman-tsara. Taorian’ny nahatontosa ny fandidiana azy tany Inde, ny 20 jolay lasa teo.

 Lire la suite...

HENRI RATSIMBAZAFY Hamintina ny faha-60 taona niakarany an-tsehatra

11/11/2019

Hanatanteraka “concert” miavaka eny amin’ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato i Henri Ratsimbazafy sy ny tariny amin’ny 08 Desambra ho avy izao.

 Lire la suite...

Ilayhira "Hiarakaisika" no nitsenanaan'iDadah,

07/11/2019

tamin'nyfahatongavanytetsyamin'nyLapan'nykolontsainatetsyMahamasinaomalyharivatokony ho tamin'ny 4 orateo. Ireompanakantonamany, toa an-dry Lola, Princio, Raboussa, Tonton Pa,

 Lire la suite...

Ankizy sahirana eny amin’ny ONG MANDA Nahazo fampianarana sy fanomezana avy amin’ny mpianatry ny INSCAE

06/11/2019

Ankizy sahirana sy kamboty avy eo anivon’ny ONG Manda eny Tsiadana no notsidihana sy nanaovan’ireo andiana mpianatry ny sekoly ambony INSCAE asa sosialy ny faran’ny herinandro lasa teo.

 Lire la suite...

ANKAZOMANGA Zaza 8 taona hianatra, nitsahin’ny kamiao

06/11/2019

Nandriaka ny rà. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Tsaramasay Ankazomanga omaly maraina, zazavavy kely mpianatra iray sahabo ho 8 no tra-doza, nikasa handeha hianatra tany Anjanahary.

 Lire la suite...

Actualités

Inona no ranomanitra mety amin’i Dada ?

07/06/2019

Efa ho avy ny andro atokana hahatsiarovana ny raim-pianakaviana. Azo atao tsara ny manolotra ranomanitra ho azy, saingy mila fantarina mialoha ireo karazany izay mety aminy.

 

 Amin’ny alalan’ny toetoetran’i Dada no azo isafidianana ny ranomanitra “de marques” tena natao ho azy.  

Dada mihaja

Raha raim-pianakaviana tia zavatra mihaja kanefa tsy misongadina be, dia ranomanitra misy fofona voninkazo sy hazo sarobidy indray miaraka no mety aminy. Ohatra : eau de toilette Code d’Armani, Armani. Play Intense, Givenchy. Mety koa anefa ny eau de parfum Lui, Guerlain.

Dada mambabo ny vady aman-janany

Ny ranomanitra voasokajy ho « orientales » indray dia natokana ho an’ireo lehilahy na raim-pianakaviana tia mambabo. Fofona malefaka manentoento episy kely no tsara atolotra azy. Tafiditra ao anatin’izany ireo ahitana hanitra avy amin’ny dipoavatra, muscade, kanelina, … Ohatra : Blacksoul, Ted Lapidus. Spice BombFreshn, Viktor & Rolf. Amber pour homme Intense, Prada.

Dada be fitiavana

Ho an’ny lehilahy romantika kosa indray, izay tony ary manam-paharetana be eo amin’ny lafiny fitiavana, dia mety aminy ireto : Extreme for Men, Paul Smith.  Grain de Plaisir, Maître parfumeur et Gantier. Eau de Campagne, Sisley

Dada tena « lehilahy »

Raha raim-pianakaviana tena mijoro amin’ny maha-lehilahy azy : mpijery baolina, tia misotrosotro  sy miaraka amin’ireo namany… dia ranomanitra mamoaka an’izay toetoetra izay no mety ho azy. Ohatra : Body Kouros, Yves Saint Laurent. Eau Sauvage Extreme, Dior. Polo Black, Ralph Lauren,

Dada mavitribitrika  

Ny lehilahy tia mifandray amin’ny fiarahamonina, mailamailaka, kinga sy mazoto dia ranomanitra somary mahery kanefa tsy maharitra be no mety aminy. Azo atolotra azy ireny ny Obsession for Men, Calvin Klein. Bleu, Chanel. This is him, Zadig & Voltaire.

Dada mandray andraikitra

Ho an’ny raim-pianakaviana na lehilahy sahisahy, tia mandray andraikitra, matanjaka sy tia mampiseho ny heriny, dia ireo ranomanitra ahitana singana zava-maitso manitra toy ny bazilika na dipoavatra no mety aminy. Ohatra : Only the Brave, Diesel.  Acqua di Gio, Giorgio Armani.

Dada tia lamaody

Raha karazan-dehilahy tia manara-damaody, maharaka tsara ny fandrosoan’ny teknolojia ihany koa dia azo atolotra azy ny Kenzo Homme, Kenzo. Le Mâle, Jean Paul Gaultier. Black XS, Paco Rabanne.

Dada hentitra

Ho an’ireo raim-pianakaviana matoky tena, hentitra ary mahatazona hatrany ny teny nomeny, dia saika mety aminy ireo karazan-dranomanitra natokana ho an’ny lehilahy an’ny marika Dior. Toy izany koa ny Terre d’Hermes. Noir, Tom Ford.  

Sambany no hankalaza fetin’ny ray

Ny raim-pianakaviana tanora, na sambany amin’ity fetin’ny ray ity no hankalaza izany, dia misy ihany koa ny ranomanitra sahaza azy ireo. Isan’izany ny  Boss Soul, Hugo Boss.  L’homme, Lacoste.

 

Ando

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo