Jejoo

Dans la même rubrique

Inona ny « BB Crème » mety amin’ny hoditro ?

19/07/2019

Efa tsy zoviana amin’ny maro loatra intsony ny « BB Crème » amin’izao vaninandro iainantsika izao.

 Lire la suite...

Eye-liner : Inona no manendrika ny masonao?

17/07/2019

Manana ny fitsipika sy ny lalànany koa ny fanosorana ny « eye-liner ». Tokony atao manaraka ny firafitry ny maso izany mba hitondra fanovàna amin’ny tarehy.

 Lire la suite...

Mampirongatra mony ny rarin-tsaina …

15/07/2019

Marobe ny antony mety hahatonga ny mony hipoitra eo amin’ny tarehy. Ny rarin-tsaina na ny “stress”

 Lire la suite...

« Anti-rides » natoraly, azo amboarina ao an-trano

13/07/2019

Azo atao tsara ny manafina ireo kentrona madinika eo amin’ny tarehy. Tsy voatery hividy akora eny an-tsena aza fa afaka manamboatra ny « anti-rides » manokana ho anao ao an-trano.

 Lire la suite...

Mamaritra volomaso mifanaraka amin’ny endrika

12/07/2019

Azo lalaovina sy haingoina hanova ny endrika ny volomaso eo amin’ny handrina. Rehefa hanamboatra volomaso, noho izany dia mila mitandrina tsara, sao mifanipaka amin’ny endrika andrasana no fivoakan’ny tarehy. Na ny endrik’ilay nanamboarana azy, na ny hateviny, dia samy zava-dehibe avokoa. Manana ny lamaodiny koa anefa izy ireny.

 Lire la suite...

« Pédicure » tsotra kely vita ao an-trano

11/07/2019

Na ririnina aza ny andro ka somary tavela ny kapakapa mampiseho tongotra, dia tsy maintsy kolokoloina foana ny tongotra. Azo atao tsara ny mikolokolo azy ao an-trano, na ireny antsoina hoe « pédicure » ireny. Dingana 3 ireto atoronay anao ireto.

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 mana-antitra haingana be

10/07/2019

Isan’ireo fambarana havizanana mitarazoka ny firorahan’ny tarehy, ny fiovan’ny lokony ho lasa matroka, ny kentrona, sy ny maro hafa.

 Lire la suite...

Beauté

Ranomanitra, manafana rehefa ririnina …

07/06/2019

Raha karazan’ireo olona tokam-po amina ranomanitra iray na vitsivitsy ianao, dia tokony hahafantatra fa rehefa miova vanim-potoana toy izao dia tokony hiova ihany koa ny ranomanitra hanaovana.

 

 

 Misy mantsy ireo fanao amin’ny andro mafana, raha eo ihany koa ireo fitondra amin’ny andro mangatsiaka. Ny ho resahantsika eto izao dia ny ranomanitra sy ny ririnina. 

Manome hafanana

Rehefa ririnina ny andro, dia natao hanome hafanana sy handrakotra ny vatana ny ranomanitra. Raha ranomanitra mitondra hafanana araka izany dia mitodika any amin’ireo naoty “boisés” na avy amin’ny hazo sarobidy kokoa ny orona. Ireo tena ranomanitra na “eau de parfum” ihany koa no tsara hanaovana rehefa mangatsiaka ny andro. Ajanona vetivety aloha ny « eau de toilette » sy ireo mitovitovy amin’izany fa « Parfum » sy « Eau de Parfum » kokoa no safidian. Ny antony dia satria mateza fofona kokoa ny ranomanitra noho ireo endrika hanitra maro.

Lavanila, raozy, kanelina, …

Hanitra lavanila no tena mora hamantarana ny fofon’ny ririnina. Somary mahery ary maharitra sy toa manenika izay. Raha toa kosa anefa ka mpankafy naoty avy amina hanitra voninkazo dia azo safidiana tsara ny raozy sy ireo tsy dia mifanalavitra azy. Ankoatra izay dia mety ihany koa ireo ranomanitra hafa izay misy fangarona hanitra episy somary re tsara, toy ny kanelina ohatra na ny “romarin”.

Fitsipika mila tadidiana

Ranomanitra maherihery no ilaina rehefa ririnina, mba hamonto hafanana ny vatana. Naoty «  gourmand », na « oriental » na koa « chypré » no mety kokoa.

-          Ho an’ireo “gourmand” : Poison girl, Pure XS, La vie est belle …

-          Ho an’ireo « oriental » : L’interdit, Dior Addict, Shalimar souffle de parfum intense…

-          Ho an’ny Chypré : Si intense, Scandal, Mon Paris Couture…

Isaorana i Carol Rasolovoniaina avy ao amin’ny Appeal Madagascar tamin’ny fiaraha-miasa. Mivarotra ranomanitra ary manome torohevitra mikasika izany koa izy ireo. Fifandraisana : 034 46 011 28

 

 

 

Ando

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo