Jejoo

Dans la même rubrique

Manala volo kely, amin’ny fomba natoraly

19/07/2019

Zavatra ilaina · Tamotamo(curcuma) · Dentifrice (signal raha misy)

 Lire la suite...

Tatouage azo atao eo amin’ny kitrokely

18/07/2019

Isan’ny maro mpisafidy indrindra, eo amin’ny vehivavy, ny tombonkavatsa mipetaka eo ambany ranjo, mihazo ny kitrokely, na hatrany amin’ny tampon-tongotra.

 Lire la suite...

Mamerina amin’ny laoniny ny hoditra miroraka

16/07/2019

Aorian’ny vohoka dia mety hivaha ny fizozoran’ny hoditra, na ny an’ny hodi-tava izany na ny an’ny vatana.

 Lire la suite...

Fomba iray afaka amonoana moka

15/07/2019

Zavatra ilaina: Ø Rano mafana 200 ml Ø Siramamy 50g(maty foana na fotsy na mena) Ø Levure boulangerie 1 g Ø Tavoahangy(plastika) Ø Sotro

 Lire la suite...

Mamotsy nify amin’ny hoditr’akondro

13/07/2019

Zavatra ilaina Ø Borosy nify Ø Dentifrice Ø Hoditra akondro

 Lire la suite...

Fanalana ny fofona amin’ny kiraro

12/07/2019

Zavatra ilaina: Sira Ny zavatra atao: 1. Fafazo vaingan-tsira ao anatin’ny kiraro. 2. Avelao hijanona ao mandritra ny alina tontolo. 3. Esory ao anatin’ilay kiraro ilay sira ny ampitson’iny dia ho hitanao fa iala ilay fofona.

 Lire la suite...

WRAP akoho sy legioma by Mihanta

10/07/2019

Akora ilaina Tortillas (any amin’ny tsena lehibe) 4 Nofon-kenan’akoho (blanc de poulet) efa masaka didiny 4 Fraomazy malemy (Vache qui rit na Carré frais …) 120 g Karaoty voakiky 50g Kaokaombra ¼ Ravin-tsalady Saosy vinaingitra 5 santilitatra Sira

 Lire la suite...

Astuces

Ireo lokon’akanjo tokony hampiarahina

07/06/2019

ü Ny fotsy sy ny « beige » : Mora hampivadiana ireo loko roa ireo. Ny tena tsara dia manao lobaka na akanjo ambony fotsy ary asiana palitao miloko “beige” eo amboniny.

 

 

ü  Ny “jeans” sy ny akanjo mitsipitsika : Tena lamaody amin’izao fotoana izao ny fampiarahana ireo. Vao mainka mampivoaka ny paozy aza raha pataloha “jeans” somary “délavé” no hanaovana ary ampiana haingo miloko mena kely ny paozy.

ü  Mampivady ny akanjo fotsy : Loko roa ihany dia ampy hampivoaka ny paozy. Tena mihaja sy mateza jerena ny akanjo ambony fotsy ary  ampiana palitao fotsy amboniny.

ü  Volom-batolalaka sy “jeans délavés” : Mivaoka tsara ny akanjo bà miloko volom-batolalaka somary mazava, hampiarahina amin’ny “jeans délavés”, izany hoe : miloko mazava ihany koa. Pôketra sy kiraro miloko mazava no hampiarahana aminy.

Meva  

Ahoana ny fomba hisafidianana solomaso?

ü  Ny tokony atao voalohany indrindra dia misafidy solomaso mifanaraka amin’ny paozin’ny tarehy. Raha manana tarehy somary manifinify dia ireo solomaso somary kelikely no mety. Natao ho an’ireo somary boribory endrika kosa ireo solomaso lehibe.

ü  Ny tena tsara dia atao miloko matroka ny solomaso, indrindra raha manana hoditra miloko matroka. Tsy dia misongadina loatra mantsy izy amin’izay  fotoa izay no sady manaja no tsy mora mankaleo.

ü  Natao ho an’ireo mpanara-damaody sy somary sahisahy ny solomaso somary mivelatra. Raha te ho tsotsotra kokoa dia ireny “montures” manify ireny no tena mety.

ü  Mampahazo aina kokoa ny solomaso vita amin’ny plastika. Somary misongadina anefa izany. Tsotsotra sy mihaja kosa ny “monture” vita amin’ny vy.

Meva

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo