Jejoo

Dans la même rubrique

Miala kely amin’ny mahazatra …

16/07/2019

Isan’ny antoka iray hahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fomba fitsofoky ny taovam-pananahan’ny lehilahy any anatiny.

 Lire la suite...

Ambony seza, latabatra… fahafinaretana tsara kokoa

09/07/2019

Ankoatra ny fandriana dia misy toeran-kafa azo hanatanterahana ny firaisana ara-nofo. Sady mba miova amin’ny mahazatra izany no mahafantatra paozy hafa, mampianoka fahafinaretana hafa ihany koa.

 Lire la suite...

Tandremo ny miray mandritra ny fadimbolana!

04/07/2019

Miakatra kokoa ny tahan’ny tsiry mpanentana rehefa akaiky ny fadimbolana na mandritra ny fadim-bolana mihitsy. Raha hiray ara-nofo amin’io fotoana io anefa, inona no mety hitranga ?

 Lire la suite...

Miray ara-nofo miadana, manome fahafinaretana kokoa !

02/07/2019

Misy karazany maro ny fomba ifampizaràna mamy eo am-pandriana. Arakaraky ny aingam-panahin’ny mpifankatia ihany koa.

 Lire la suite...

Fahafinaretana azo ao anatin’ny 1 minitra !

08/06/2019

Mila taitairina foana ny fiainana ara-pananahana mba tsy hahamonamonaina ny mpivady, rehefa eny ambony fandriana. Tsy mila fanomanana be tahaka ny inona, fa ireto zavatra ireto dia mety hahazoana fahafinaretana, anatin’ny 1 minitra monja.

 Lire la suite...

Mitondra voka-tsoa ho an’ny zaza am-bohoka sy ny mpivady ny firaisana ara-nofo

28/05/2019

Tsy tokony ho sakana tsy hanaovan’ny mpivady firaisana ara-nofo mihitsy ny vohoka, eny fa na efa miha-mibontsina aza ny kibo. Ireto avy ny tombon-tsoan’io firaisana ara-nofo io, indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka.

 Lire la suite...

Ireo fofona natoralin’ny fivaviana

07/05/2019

“Andro vitsivitsy izay, rehefa miray ara-nofo izahay mivady, dia maheno fofona mahery izany aho. Inona no mahatonga an’izany?” Nomena 28 taona

 Lire la suite...

Sexo

Zava-pisotro natoraly mampiakatra filàna

04/06/2019

Tsy tokony ho sakana tsy hanaovana firaisana ara-nofo ny hatsiaka ateraky ny ririnina. Ireto telo omena anao ireto, izay tsy voatery ho hisy alikaola, dia azonareo roa kely tanterahana any an-trano, hampiakatra ny filàna.

 

Mananasy sy sakamalaho

Ankoatra ny “gingérol” hita ao anatin’ny sakamalaho dia mitondra “antioxydant”, misoroka ny homamiadana, manala fanaintainana izy. Mitondra vitamina C kosa ny mananasy sy miady amin’ireo fihitaran’aretina mety hitranga.

·         Mananasy 100 grama

·         Sakamalaho voakiky iray

·         Rano 325 mililitatra

·         Siramamy mena 20 grama

·         Ranom-boasarimakirana 3 tete

Rehefa voavaofy sy voatapaka avokoa ny mananasy dia “mixé”-na. Asiana rano ary averina potsehina indray. Tantavanina tsara. Rarahana siramamy sy ranom-boasarimakirana. Ampangatsiahana kely mandritra ny adin’ny roa vao sotroina.

« Framboise » sy kakaô

Mampiakatra ny tahan’ny « serotonine » sy ny “endorphine” ny kakaô. Rehefa miakatra ireo dia mora mandray, mora taitra ny vatana.

·         Ranom-boankazo paoma 240 mililitatra

·         Ranom-boankazo “framboise” 240 mililitatra

·         Ranom-boasarimakirana 20 mililitatra

·         Tantely 10 grama

·         Kakaô mangidy 2 grama

Afangaro ao anaty “shaker” avokoa ireo fangaro rehetra ireo. Hontsanina tsara ary apetraka amina toerana mangatsiatsiaka mandritra ny adin’ny iray. Mialohan’ny hisotroina azy dia rarahana vovoka kakaô ny vera.

Nelly-Bri


 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo