Jejoo

Dans la même rubrique

Inona no sakana tsy hampiroborobo ny fitiavana isan’andro ?

20/11/2019

Fy Ny Olontsoa, poeta : Sakana lehibe tsy mampiroborobo ny fitiavan'olon-droa ny hasarotam-piaro diso tafahoatra izay mitarika tsy fifampitokisana ary miteraka disadisa mampitsiry ny elanelana.

 Lire la suite...

Manala ny tavy amin’ny sisin-kibo

12/11/2019

Mba hampivoaka tsara ny bika hahazo ilay endrika gitara dia ilaina ny manala ny tavy manodidina ny andilana sy ny sisin’ny kibo iny fa tsy ampy ny manala kibo fotsiny. Ireto atao dia hahazo izay vokatra izany ianao :

 Lire la suite...

Manala « cellulite » amin’ny fe

05/11/2019

Azo atao tsara ny manala ny cellulite amin’ny alalan’ny fampihetseham-batana tsotra atao ao an-trano. Atao matetika mba hahita vokatra haingana.

 Lire la suite...

Manamafy ny nono miroraka

29/10/2019

Azo atao tsara ny mampitombo ny tratra sy ny manarina ny nono miroraka. Ireto no fampihetseham-batana atao amin’izany :

 Lire la suite...

Mampiakatra ny fitombenana

22/10/2019

Handrafitra ny fitombenanana hidongona sy ho voarafitra ho lasa boribory tsara ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 Lire la suite...

Manala ny kibo sy ny roroa

15/10/2019

Satria sarotra ny manala ny kibo dia tokony hiovaova ny fampihetseham-batana hanalana azy, amin'izay mandaitra foana izany. Ireto misy fanampiny azonao atao mifandimby amin'ireo efa natolotra anao tany aloha :

 Lire la suite...

Niha-natavy tamin’ny vakansy…andao ahintsana!

08/10/2019

Raha tsapanao fa nahazo aina taorian’ireny fialan-sasatra ireny ka maniry hanintsana izany dia azonao atao tsara ny manao ireto fampihetseham-batana ireto na dia ao an-trano fotsiny aza :

 Lire la suite...

Forme

Tavy amin'ny andilana, azo esorina !

04/06/2019

Ny faritra manodidina ny valahana sy ny andilana no anisany sarotra ahena indrindra. Hanampy anao hanala ireo tavy amin'ireo faritra ireo kosa ireto fampihetseham-batana manaraka ireto :

 

 

 

 

Fampihetseham-batana 1: Mitsangana mahitsy tsara. Abontsina ny tratra. Mitazona baolina mafimafy iray amin'ny tanana roa ambonin' ny loha. Ampidinina mian-kavia ny tanana sady aforitra miakatra ny lohalika ka hatao mifanantona ny baolina sy ny lohalika. Izay fihetsika izay no averina in- 15 dia atao toy izany koa ny lafy ilany. Averina in- telo.

 Fampihetseham-batana faharoa  : Matory amin'ny kibo aloha dia akarina ny kibo ka mitehina amin'ny kiho sy ny lohan-tongotra. Aforitra ny lohalika havia hanakaiky ny kiho havia. Dia atao toy izany koa ny tongotra havanana. Izay fihetsika roa izay no averina in-20. Averina in- telo.

Fampihetseham-batana fahatelo : Mipetraka amin'ny tany sady mitazona baolina. Aforitra mifandimby ny lohalika ka hampandalovina ao ambanin'ny lohalika ny baolina. Atao in-15 isaky ny lafy.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo