Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba 6 tsotra, mampihena haingana

15/07/2019

Rehefa tsy nandaitra mihitsy ny regime narahina mba hampihenan-tena dia andramo indray ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Jus akondro sy tantely, mampihena kibo

08/07/2019

Ity misy zava-pisotro mandoro tavy, indrindra ny tavy eo amin’ny manodidina ny kibo.

 Lire la suite...

Jus mahagaga, 4 andro dia mihena 1 kg !

01/07/2019

Zava-pisotro iray mampihena mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra no entina aminao anio. Mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra izy ity. Ireo tsara ho fantatra

 Lire la suite...

Arakaraky ny faritra itoeran’ny tavy ny fomba hampihenana azy

24/06/2019

Araka ny fanadihadiana iray dia azo hitarafana sy hamantarana ny antony mahatonga ny olona iray hatavy ny toerana hiandronan’ny tavy eo aminy. Miankina amin’izay koa ny fomba hanalana ireo tavy.

 Lire la suite...

Paipaika 12 mampihena, tsy mila « régime »

17/06/2019

Tsy te-hanao régime sady tsy te-hanao spaoro kanefa te-hihena. Azo hatao tokoa. Tsy maintsy misy kosa ny fitsipika sy fepetra arahina amin’ny andavan’andro :

 Lire la suite...

Jus baranjely 3 vera isan’androdia mihena

23/05/2019

Mety efa renao ihany fa manafisa-kibo ny baranjely. Misy ihany ny tsara ho fantatra ny amin’ny fomba fampiasana azy. Tsy ny kibo ihany no ho fisaka fa ny vatana manontolo mihitsy no mihena sady hihasalama ny taova ao anaty raha voahaja tsara izany.

 Lire la suite...

Manafaingana ny fampihenan-tena amin’ny tantely sy voasarimakirana Ny fomba tena mety hahazoana vokatra

16/05/2019

Teboka roa tena tsy azo hiodivirana rehefa te-hampihena tena ny misakafo voalanjalanja sady manao fampihetseham-batana.

 Lire la suite...

Minceur

Very 1 kilao ao anaty torimaso : ny atao

03/06/2019

Amin’ny ankapobeny dia tokony ho very 400 grama ka hatramin’ny 1 kilao ny vatana mandritra ny alina. Araka izany, mety hanampy anao hihena haingana kokoa ny matory tsara. Misy ihany anefa ny fepetra hahatongavana amin’izany. Ireto avy izy ireo :

 

Misotro zava-pisotro mampivalan-drano vao mifoha.

Ilaina ny manadio ny tsinay matetika mba hialan’ny loto sy ny pozina ao anaty ao. Ireny mantsy no manakana ny fihenan-danja. Vao mifoha dia tsara ny misotro dite na ireny zava-pisotro mampivalan-drano ireny. Manetsika ny taova fivalanan-drano mantsy izany.

Mihinana ody am-bavafo mahasalama

Raha maniry hihena ho azy ao anaty torimaso dia tsara ny mihinana ody am-bavafo. Mitazona ny vavony eny anelanelam-potoana mantsy izany. Amin’izay tsy mihinam-be rehefa tonga ny fotoanan’ny sakafo. Voankazo iray na yaourt iray ohatra no tsara.

Mampihetsi-batana 30 minitra isan’andro

Fampihetseham-batana mahatsemboka no tena tian-kambara eto. Mety ny mihazakazaka, na milomano na mitaingina bisikilety. Ireo mantsy no tena mandoro tavy. Fa ny tena tsara dia ny manao ilay antsoina hoe :“cardio-training” mihitsy. Azonao hatao koa ny manao spaoro karazany 2 mialohan’ ny hatory. Handoro tavy betsaka kokoa ny vatana mandritra ny torimaso amin’izay.

Mampitony rarin-tsaina 30 minitra isa-kariva.

Anisan’ny singa mampatavy ny tsiry mpanentana antsoina hoe  :cortisol. Izy io dia tsiry mpanentana havoakan’ny vatana rehefa voan’ny stress na rarin-tsaina. Ilaina araka izany ny mampitony ny rarin-tsaina, indrindra mialoha ny hatory. Mampitony ny fanaovana spaoro alohan’ny hatory. Mihaino hira na mandro amin’ny rano mamay na koa miotra. Atao aloha kely ny fotoana hatoriany.

Misakafo aloha  

Mba  hahafahan’ny vatana mandevona ny sakafo mialoha ny tena hatoriana dia tsara raha misakafo ora maro mialohan’ ny hatoriana. Amin’izay tsy vavony mbola mibontsina no idirana ao am-pandriana.

Misotro « thé vert ». 

Mampadoro tavy koa ny « thé vert ». Misotro 1 kaopy aminy mialoha kely ny hatory. Sady mampitony saina izy no handoro haingana kokoa ireo tavy.

Manao ampy torimaso tsara. 

Mandamina ny tsiry mpanentana rehetra ny torimaso indrindra ny leptine, tsiry mpanentana mandrindra ny fahazotoan-komana sy ny metabolisma. Na dia ny fomba fiaina mandritra ny torimaso fotsiny aza dia mety hahavery rano 1 kilao. Tokony hatory adin’ny fito eo isan-kalina raha ny tokony ho izy.

Miss

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo