Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Fambara sivy fa miankin-doha ara-pihetseham-po

20/05/2019

Ahoana no hahafantarana fa tsy fitiavana fa efa fiankinan-doha ara-pihetseham-po no tsapanao ho an’ny olona miaraka aminao ? ireto ny fambara hanavahana azy :

 Lire la suite...

Love

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 

 

Mampijaly ny olona hiharan’ny hasarotam-piaro koa. Samy tsy misy mahita tombony avy aminy fa vao maika aza mikorontana ny fifankatiavana. Inona ny atao hiadiana aminy? Atoronay anao :

Fitiavana te-hifehy ny olon-tiana fa tsy fitiavana azy :

Mifantoka amin’ny antsipirian-javatra momba ny fiainan’ny olona maha-saropiaro azy ny olona diso saro-piaro. Fantany amin’ny antsipiriany avokoa ny fandaharam-potoanan’ny olon-tiany hany ka vao misy toa tsy manaraka ny lojika araky ny eritreriny ny zava-miseho dia tsy mahafaly azy indrindra izany ary heveriny avy hatrany fa mampirafy azy na miresaka amin’ny vehivavy hafa foana ny olona miaraka aminy.

Mipetraka amin’ny toerany

Hadisoan-kevitra ihany ny fiheverana fa fanehoam-pitiavana ny hasarotam-piaro. Ny olona diso saro-piaro mantsy dia mifehy tanteraka ny olona miaraka aminy toy ny zazakely. Rehefa tia mantsy dia mitsinjo ny hasambaran’ny olona tiana. Tokony hahatsapa ny olona saro-piaro fa tsy mahasambatra ny olona miaraka aminy velively fa mampijaly azy tanteraka ny hasarotam-piaro. Rehefa tena tia koa dia matoky ny olon-tiana.  Na dia tsy heverina firy aza izany dia miteraka alahelo anaty ho an’ny olona iharan’izany ny ahiana ho manao ratsy lava. Raha diso saro-piaro ianao dia meteza vetivety ho eo amin’ny toeran’ilay ampiharanao izany hasarotam-piaro izany.

Mianatra matoky tena

Avy amin’ny tsy fahampian’ny fahatokisan-tena ny hasarotam-piaro. Raha maniry hiala amin’izany dia ny voalohany hatao dia ny mifantoka amin’ny tena aloha. Diniho ny tianao hatao eo amin’ny fiainana.Mametra tanjona ho tratrarina. Ataovy izay hampivelatra anao amin’ny maha-olona anao mihitsy amin’ny lafiny rehetra. Misafidiana spaoro na alavoly atao ankoatra ny fianarana na ny asa. Aza atao ivon’ny fiainanao ny olon-tianao fa ny hahatafita anao aloha hifantohana.

Mifantoka amin’ny fiarahana

Rehefa vitanao izany rehetra izany dia mifantoha amin’izay amin’ny fiainam-pitiavanao. Niniana notsindriana mihitsy ny hoe  :fiainam-pitiavana satria ilay fiarahanao aminy, ilay fifankatiavanareo no tsara hifantohana fa tsy ilay olona manokana. Inona ny  hahatsara ny fiarahana? ahoana no hikoloana ny fitiavana hiredareda foana? Ahoana ny atao tsy hahatonga azy ho leo anao mihitsy? Ireo ny karazam-panontaniana tsara valiana sy hitadiavam-baliny. Fa tsy ny hoe : Aiza izy izao? manao inona, miaraka amin’iza? Raha ireto farany mantsy dia tsy hitarika afa-tsy ady eo aminareo. Ny loza dia ho leo anao izy ny farany moa ianao kosa ho feno ahiahy loatra ka tsy hahatsiaro ny hasambaran’izany hoe  : mitia izany intsony.

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo