Jejoo

Dans la même rubrique

Nono sa fitombenana no ankafizin’ny lehilahy ?

06/08/2019

Samy manana ny nofinofim-pilàny ny lehilahy rehetra , ka mety samy hanana ny faritra manintona azy avy eny amin’ny vehivavy.

 Lire la suite...

Kitso : ivon-toeran’ny fahafinaretana!

30/07/2019

8.000 isa eo ho eo no isan’ny retsika amin’ny kitso. Izany rahateo no mahatonga azy ho taova itoeran’ny fahafineratan’ny vehivavy. Rantsan-tanana fotsiny dia efa ampy hahatakarana izany, raha mahay milalao azy.

 Lire la suite...

Fahafinaretana samy irery : ny marina sy ny diso…

23/07/2019

Mbola azo lazaina ho zava-pady ny firesahana izany « masturbation » izany, izay fomba atao hahazoana fahafinaretana ara-nofo samy irery, raha ao anatin’ny fiarahamonina malagasy. Noho izany indrindra dia betsaka koa ny resaka, tsaho sy honohono manodidina azy…

 Lire la suite...

Miala kely amin’ny mahazatra …

16/07/2019

Isan’ny antoka iray hahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fomba fitsofoky ny taovam-pananahan’ny lehilahy any anatiny.

 Lire la suite...

Ambony seza, latabatra… fahafinaretana tsara kokoa

09/07/2019

Ankoatra ny fandriana dia misy toeran-kafa azo hanatanterahana ny firaisana ara-nofo. Sady mba miova amin’ny mahazatra izany no mahafantatra paozy hafa, mampianoka fahafinaretana hafa ihany koa.

 Lire la suite...

Tandremo ny miray mandritra ny fadimbolana!

04/07/2019

Miakatra kokoa ny tahan’ny tsiry mpanentana rehefa akaiky ny fadimbolana na mandritra ny fadim-bolana mihitsy. Raha hiray ara-nofo amin’io fotoana io anefa, inona no mety hitranga ?

 Lire la suite...

Miray ara-nofo miadana, manome fahafinaretana kokoa !

02/07/2019

Misy karazany maro ny fomba ifampizaràna mamy eo am-pandriana. Arakaraky ny aingam-panahin’ny mpifankatia ihany koa.

 Lire la suite...

Sexo

Mitondra voka-tsoa ho an’ny zaza am-bohoka sy ny mpivady ny firaisana ara-nofo

28/05/2019

Tsy tokony ho sakana tsy hanaovan’ny mpivady firaisana ara-nofo mihitsy ny vohoka, eny fa na efa miha-mibontsina aza ny kibo. Ireto avy ny tombon-tsoan’io firaisana ara-nofo io, indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka.

 

 

Manamafy ny « périnée »

Mikainkona ny « périnée » rehefa tonga any amin’ny fahafinaretana faratampony ny vehivavy. Efa fomba iray hitazonana ny fizozoran’ny fivaviana izy io no sady manampy ny vehivavy amin’ny fiterahana. Voasoroka ho azy, noho ilay firaisana ara-nofo ihany koa ny « fuites urinaires ».

Mampatoky tena

Satria miaina fiovana be dia be ny vatana mandritra ny fitondrana vohoka, mety ho fotoana hampidina ny môraly na hampiakatra izany. Ny firaisana ara-nofo dia miady amin’izany, noho izy misoroka ny rarin-tsaina. Voalaza aza fa  mampiakatra ny fisainan’ny vehivavy io firaisana ara-nofo io ka zary mampatoky tena azy.

Mampahita torimaso

Mamoaka tsiry mpanentana antsoina hoe :“ocytocyne” ny vatan’ny vehivavy rehefa miray ara-nofo. Io tsiry mpanentana io dia mampitony ireo « tension » rehetra amin’ny vatana, mampahita torimaso haingana.

Mampisy “complicité”

Mazàna no somary very ny lehilahy ao anatin’ny fitondrana vohoka satria ny vehivavy ihany no mitondra ilay rano. Mampifanakaiky kokoa ny mpivady, sy hiainan’ny lehilahy ireo 9 volana ireo, ny firaisana ara-nofo.

Mampahazo aina ny zazakely

Mahatsapa ny fihetseham-po hiainan’ny reniny ny zaza ao an-kibo. Mandrotsirotsy ny zaza ny fikainkonan’ny tranon-jaza, rehefa tonga amin’ilay fahafinaretana faratampony ka mahafaly azy ihany koa.

Mampanita-kevitra

Satria mitombo ny kibo, miova ny vatana dia lasa manita-kevitra hitady paozy azo hiraisana ara-nofo ny mpivady. Raha miray saina tsara dia vao mainka mampifanakaiky kokoa io fotoana io, indrindra rehefa teraka ilay zaza, ka tsy an-kilabao ilay lehilahy.

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo