Jejoo

Dans la même rubrique

Mampiakatra nono miroraka amin’ny elastique

18/02/2020

Azo atao ny mampiakatra ny nono miroraka fa mila finiavana sy faharetana kosa. Ireto fampihetseham-batana ireto no atao :

 Lire la suite...

Manamafy sady mandrafitra ny fe ao an-trano

11/02/2020

Hikolo sy hanamafy ny fe indray isika anio. Tsy mila fitaovana fa ny lanjan’ny vatana na ny “poids du corps” no ampiasaina amin’ity indray mitoraka ity.

 Lire la suite...

Vehivavy bevohoka, afaka mikolo vatana koa

04/02/2020

Mahazo manao fampihetseham-batana ny vehivavy mitondra vohoka. Ireto fampihetseham-batana atoro anao ireto dia azo atao manomboka eo amin’ny faha 6 volan’ny kibo.

 Lire la suite...

Mikolo ny fitombenana sy ny kibo miaraka

28/01/2020

Ndao indray hikolo ny fitombenana sy ny kibo, amin’ny fomba hafa. Mba hampandaitra tsara ny fampihetseham-batana atao amin’ny vatana dia tsara ovaovaina matetika ny karazana fampihetseham-batana atao.

 Lire la suite...

Mampiasa “baton”, hanafisahana kibo

21/01/2020

Tsy voatery atao mitsilany ny fanalana ny kibo. Azo atao tsara ny manala izany amin’ny fampihetseham-batana atao mitsangana ka ampiasana “baton” izany amin’ity indray mitoraka ity

 Lire la suite...

Manala tavy ao an-damosina sy ny foto-tsandry

14/01/2020

Rehefa handrafitra ny vatana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny fikoloana ny tapany ambony amin’ny vatana indrindra ny ao an-damosina sy ny eo amin’ny foto-tsandry.

 Lire la suite...

Manintsana tavy amin’ny alalan’ny fanaovana cardio

07/01/2020

Mba hanintsanana ny lanja azo tamin’ireny fety nisesisesy ireny sy hisorohana ny fitomboan-danja amin’ireo fifampiarahabana noho ny fahatrarana ny taom-baovao mbola ho avy dia azonao atao tsara ireto fampihetseham-batana ireto satria manintsana ny tavy izy ireo raha atao matetika.

 Lire la suite...

Forme

Otra 5 miaro ny tarehy tsy hiroraraka

28/05/2019

Rehefa mandroso ny taona dia miha-miroraka sy mivaha ny fizozoran’ny hodi-tava hany ka miroraka ny takolaka. Amin’ny fahatanorana dia miendrika telozoro mivadika miainga amin’ny saoka mankany amin’ny pomety sy ny volomaso ny tarehy.

 

 

 Raha vao tsy voakolo ny tarehy dia ho very mian-dalana izay firafitry ny tarehy izay. Soa fa azo hahemotra amin’ny alalan’ny otra izany. Ireto avy ny atao :

Dingana voalohany : Orina miakatra amin’ny fela-tanana miainga eo amin’ny saoka mankany amin’ny sofina ny takolaka manontolo. Toy izany koa ny eo amin’ny firihifana ary ny eo amin’ny handrina. Atao mivelatra tsara ny fihetsika. Averina im-betsaka.

Dingana faharoa :  Ny fela-tanana ihany no miasa eto. Kosehina mafy miainga avy eo ambany no miakatra ny tapany ambany amin’ny takolaka.

Dingana fahatelo : Tsindriana mandritra ny 4 ka hatramin’ny 7 segaondra ny teboka telo hita eo amin’ny sary, manaraka ilay taolan’ny pomety.

Dingana fahaefatra : Tsongoina amin’ny ankihibe sy ny fanondro  ireo teboka voatondro ao anaty sary. Atao tonga hatrany amin’ny sofina mankany amin’ny saoka.

Dingana faha dimy : Tsindriana amin’ny fanondro sy ny fanondro adala ao ambadiky ny sofina dia asadika ny tanana dia orina amin’ny felan-tanana ny tenda ka miainga eo amin’ny  sofina mankany amin’ny tapany ambany amin’ny tenda.

 

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo