Jejoo

Dans la même rubrique

Otra amin’ny bevohoka : Azo ampiarahana amin’ny fitsaboan’ny dokotera

19/07/2019

Fomba fanao fahiny ary mbola misy aza ireo manao izany amin’izao fotoana, ny otra mandritra ny vohoka.

 Lire la suite...

Bevohoka kambana : Tsy maintsy atao « césarienne » ve ?

18/07/2019

Tsy maintsy didiana na hatao “césarienne” ve ny zaza ao am-bohoka raha kambana? Fanontanaina mety ho maro mpanontany izany. Toy izao ny valin-tenin’ny mpitsabo.

 Lire la suite...

Fraomazy, mofomamy… tandremo, mety hahatonga tohina!

15/07/2019

Indraindray zavatra tsy ampoizina akory dia mety hahatonga tohina eo amin’ny olona iray. Ireto omena anao manaraka ireto ireo mila tandremana manokana satria mety hiteraka izany.

 Lire la suite...

Fomba ahitana torimaso haingana

13/07/2019

Tranga mety hiseho amin’olona ny tsy fahitana torimaso. Maro karazana ny antony mahatonga an’io : rarintsaina, aretina sns. Ireto ny torohevitra atao hampiharina, hahitana torimaso haingana.

 Lire la suite...

Rehefa inona no mila mijery nono ny vehivavy?

12/07/2019

Isan’ny fomba iray hitarafana ny nono, hamantarana raha toa ka misy homamiadana ny « mammographie ». 35 taona, raha aloha indrindra, no tokony hanao azy ny vehivavy.

 Lire la suite...

Tazovony : vodina tamotamo no hanasitranana azy !

12/07/2019

Raha ny fitsaboana ady gasy, rehefa miresaka tazovony matetika dia rongony no mby ao an-tsaina, atao vary amin’anana. Raha ny finoana mantsy dia vokatry ny famisaviana, hono, izy io. Misy ihany anefa ireo nahita fomba hafa dia ny fampiasana ny tamotamo.

 Lire la suite...

Tsy fitovian’ny sokajin-drà amin’ny reny sy zaza: maha-afa-jaza na mahatonga « jaunisse »-ny zaza vao teraka.

11/07/2019

Isan’ny fototra iray mety hampisy olana ny fitondrana vohoka na tsy hahatomombana azy ny tsy fitovian’ny sokajin-drà na « rhésus » eo amin’ny reny sy ny zaza, na ilay antsoina hoe :« incompatibilité foeto-maternelle ».

 Lire la suite...

Santé

Otra nentim-paharazana : Rora sy sira, … no ampiasaina

24/05/2019

Manan-danja tokoa ny otra eo amintsika Malagasy. Betsaka izy ireo amin’izao fotoana : kinésithérapie, ostéothérapie, reflexothérapie sns. Ho an’ny lahatsoratra androany dia ny otra nentim-paharazana Malagasy no ndeha horesahantsika.

 

Otra izay talenta manokana

Otra tahaky ny otra rehetra ny otra nentim-paharazana Malagasy. Entina mitsabo ny tsy fahatomombanana amin’ny ozatra, taolana, sy ny momba ny tenan’olombelona (fanaintainana, tsy fahazoana aina ) izy io. Amin’izao fotoana izao anefa dia difitra ao anatin’ny otra avy any ivelany (Kiné, Ostéo, refléxothérapie…) izay mila ampianarina sy mari-pahaizana vao afaka manao azy, ny otra Malagasy. Mampiavaka an’ity farany anefa dia otra miainga avy amina talenta voajanahary, teo anivon’ny fiaraha-monina, niainana teto Madagasikara hatramin’ny nisian’ny olona, mba hiatrehana ny tsy fahasalamana.

Otra Malagasy isan-karazany

Maro karazany ireo otra nentim-paharazana:

·         Otra ho an’ny vehivavy bevohoka na mitady zaza. Ity farany izay hataon’ny antsoina hoe  :“mpanavanana” na koa renin-jaza. Raha hazavaina dia ankoatra ny mampiteraka dia mikojakoja ilay otra mba hiatrehana ny fitondrana vohoka toy ny hoe : ambany toerana ilay zaza, mavesatra sns. Ny vehivavy manana aretina any amin’ny taovam-pananahana, toy ny “latsapatana” ohatra dia misy otra hatao manokana ho azy koa.

·         Otra vorika: any amin’ny faritra Betsimisaraka any. Otra natao ho an’ny fivontosana na vay vonto.

·         Otra “antifanaigny” na “zafindralemy” any amin’iny faritra Avaratra Atsinanana iny. Ny “antifanaigny” izay mitsabo ny tapaka, vadin-kozatra, folaka.

·         Otra “rôkatra” : ho an’ireo olona nilanja entana mavesatra ka lasa marary tratra na lamosina vokatry ny faharerahan’ny taova.

·         Otra tsy mivantana : Any amin’ny faritr’i Morondava izay tsy atao mivantana amin’ilay marary fa lasa mody ilay mpanotra, manao otra amin’ny vatany eo izy, dia sitrana ilay tapaka na folaka.

·         Otra ho an’ny ankizikely  :izay mitsabo ny alibotra sy alifisaka. Ary eto Afovoan-tany moa dia misy ny otra hitsaboana ny mangamaso (lalina ny lanilanin’ilay zazakely, milempona ny lohamaleminy, mikaperoperotra ny hoditra, tsy ampy rano).

Mampiasa tanana sy fitaovana

Mampiasa ny tanany aloha ilay mpanotra. Miaraka amin’izany dia mety hampiasa menaka voanio izy. Misy ihany koa ny otra miaraka amin’ny zava-maniry (vahona, tsipipihana, sodifafana sns) ho an’ny “vadin-kozatra”. Ho an’ny “mangamaso” indray dia miankina amin’ilay mpanotra, fa mety hampiasa hazo manitra, voan-drofia, vody fanoto miaraka amin’ny rano izy. Ho an’ny “mpanavanana”, mitsabo ny vehivavy latsapatana, dia rano mafana. Ho an’ny “vorika” indray dia mety mitsakotsako sira miaraka amin’ny rorany na koa “mena-draharaha” ny mpanotra. Ny “rôkatra” dia mampiasa sakamalaho sy menak’omby na katrafay sns. Farany moa dia misy ireo mampiasa karazana lohamenaka.  Izany hoe : arakaraky ny aretina, ny talenta, no hampiasaina fitaovana miaraka amin’ny tanana, ao anatin’ilay otra.

 Ahoana no hamantarana hoe : tena mpanotra nentim-paharazana ilay olona?

Ny tena mpanotra ara-pomba Malagasy sy manana an’io talenta io dia tsy milaza ny tenany hoe : mahay an’izao, fa ny fiaraha-monina mahalala azy. Tsy mila dokam-barotra ireo mpanotra ireo fa ny olona no manatona azy. Manaraka izany, matetika no manana ny asany hafa manokana izy, tsy misy idiran’io talentany io. Fahatelo, mazàna hasina no hangatahany (izay foy) fa tsy fitadiavam-bola. Ary ny farany dia tsy mahay otra hafa ankoatra io hananany talenta io izy.

Andriandrainarivo Josephin Rasamivelona

Filohan’ny fikambanan’ny mpitsabo nentim-paharazana eto Madagasikara

Nangonin’i Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo