Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo dingana 5 arahina raha hiverina amin’ilay teo aloha

09/09/2019

Vao nisaraka ianareo saingy tsy te-hanary azy ianao satria mbola tia. Misalasala ianao satria na ny manodidina anareo aza efa tsy mandrisika anao amin’izany intsony koa .Inona ny fomba azo atao raha sendra izany?

 Lire la suite...

Mpifankatia miady : Antony 3 mahatsara azy

02/09/2019

Tsy misy mpifankatia na mpivady tsy miady izany. Mety ho ratsy fiafara anefa izany raha toa ka tsy hay ny mandravina azy. Fantaro koa anefa fa mety hanamafy ny fifamatoran’ny mpivady ny adiady. Diniho anie ireto tombony azo avy amin’ny adin’ny mpifankatia ireto e :

 Lire la suite...

Torohevitra 7 mampaharitra ny fiarahana

26/08/2019

Fanontaniana matetika hapetraky ny tanora ny hoe : ahoana no atao mba hampaharitra ny fitiavana sy ny fiarahana. Inona ny hadisoana tsy tokony hatao ? Atoronay anao :

 Lire la suite...

Mampirafy ahy ve izy ? ahoana ny ahafantarana

19/08/2019

Mampirafy ahy ve izy, fanontaniana iray izay maro mpanontany ary mety hanimba ny tokantrano koa na mitombina na tsia ny valiny. Midika mantsy fa efa misy ahiahy ao anatin’ny olona mametraka izany fanontaniana izany . Na izany aza, misy tokoa ny fambara hamantarana raha miaraka amin’olona hafa ny lehilahy na tsia :

 Lire la suite...

Tsiambaratelo hialana amin’ny hasarotam-piaro

12/08/2019

Mahasaropiaro anao fatratra ny vadinao na ny olon-tianao. Raha azonao natao dia niaraka taminy foana na aiza na aiza alehany.

 Lire la suite...

Torohevitra 10 hambaboana lehilahy tiana

29/07/2019

Ahoana ny atao mba hambaboana ny lehilahy manintona ny tena, maka ny fony ary mitazona izany mandrakizay ? Ireto misy torohevitra mety hanampy anao

 Lire la suite...

Tia ahy ve izy ? ahoana ny hahafantarana ?

22/07/2019

Fanontaniana maro be mpametraka ity hovaliana androany ity. Tena tia ahy ve ny vadiko na ilay olona miaraka amiko io? Misy fambara hahafahana manamarina fa tena tia ahy izy? Ireto ny tsara ho fantatra mahakasika izany :

 Lire la suite...

Love

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 

 

Latsa-pitia tamin’olon-kafa

Telo volana eo izay dia nisy zavatra nahatonga saina ahy izay mety efa tao anatiko foana fa nampanginiko fotsiny. Nisy antony aloha nahatonga an’ilay izy lasa tena tsapako be e. Nisy olona hitako mantsy. Fantatro izy fa tia ahy ary izaho koa tia azy saingy nanapa-kevitra ny tsy hiaraka izahay satria samy manam-bady ary samy tsy te-hampirafy. Na izany aza dia nahatonga ahy nandinika ny fiainako iny fifanenanana tamin’i L. iny.

Tsy ory fa manana ny ampy saingy …

Manam-bady aho efa ho 13 taona izao. Manan-janaka roa izahay. Milamina ny fiainanay raha atao indray mijery satria efa manana trano tsara tarehy izahay. Manana fiara. Azo lazaina hoe : manana ny ampy. Ny marina anefa dia efa in-efatra aho izao no saika hisaraka tamin’io vadiko io satria tsy mahatsiaro ho sambatra aho miaraka aminy. Tsapako fa tsy tena tiako izy.  Manana “affection” aminy aho ekeko fa tsy fitiavana. Tsy ilay afo miredareda mampangitakitaka sy mampisamboaravoara rehefa mahita ny olon-tiana no tsapako ho azy. Mety marobe ny olona hanome tsiny ahy nefa ity kosa angamba inoako fa iraisan’ny vehivavy rehetra. Mila mitia aho ary mila mahatsapa koa fa tian’olona izay hananako « estime ».  Mila olona mitarika ahy hanana fijery miabo sy manao izay mahasambatra ahy aho. Mila mahatsapa hoe : afaka ny ho “fière” amin’ny olon-tiako. Tena mifanohitra tanteraka amin’ireo ny vadiko. Rehefa tsy manitsy ahy na mitsara ahy izy dia tsy mivaky loha loatra amiko. Marina fa misy ny vola izay omeny hiadanako ary avelany manao izay tiako aho na dia arahin-datsa ihany aza izany indraindray. Fa tsy ny vola no mahasambatra. Misy oha-pitenenana izay milaza hoe : «  ny fo nahatsapa tena fitiavana dia tsy hanadino mandrakizay. Ary marina ilay izy ! Mety avy amin’izay koa ve ny olako ? Ny marina dia efa hatrany am-boalohany no tsy tiako io vadiko io fa nosafidiako sy nekeko ho vadiana fotsiny. Nanantena aho hoe : azo volena io fitiavana io ka ho tiako ihany izy rehefa ela ny ela.  Ilay olona niaraka tamiko teo alohany no tena tiako ary tsy nety afaka tao am-poko mihitsy ny fitiavako azy saingy tsy nety ny anay. Mety avy amin’izay ve? Tsy te-hamitaka ny vadiko aho saingy tena te-hitroatra ny ao anatin’ny foko. Inona re no azoko hatao ?

 

Nangonin’i Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo