Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba 6 tsotra, mampihena haingana

15/07/2019

Rehefa tsy nandaitra mihitsy ny regime narahina mba hampihenan-tena dia andramo indray ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Jus akondro sy tantely, mampihena kibo

08/07/2019

Ity misy zava-pisotro mandoro tavy, indrindra ny tavy eo amin’ny manodidina ny kibo.

 Lire la suite...

Jus mahagaga, 4 andro dia mihena 1 kg !

01/07/2019

Zava-pisotro iray mampihena mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra no entina aminao anio. Mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra izy ity. Ireo tsara ho fantatra

 Lire la suite...

Arakaraky ny faritra itoeran’ny tavy ny fomba hampihenana azy

24/06/2019

Araka ny fanadihadiana iray dia azo hitarafana sy hamantarana ny antony mahatonga ny olona iray hatavy ny toerana hiandronan’ny tavy eo aminy. Miankina amin’izay koa ny fomba hanalana ireo tavy.

 Lire la suite...

Paipaika 12 mampihena, tsy mila « régime »

17/06/2019

Tsy te-hanao régime sady tsy te-hanao spaoro kanefa te-hihena. Azo hatao tokoa. Tsy maintsy misy kosa ny fitsipika sy fepetra arahina amin’ny andavan’andro :

 Lire la suite...

Very 1 kilao ao anaty torimaso : ny atao

03/06/2019

Amin’ny ankapobeny dia tokony ho very 400 grama ka hatramin’ny 1 kilao ny vatana mandritra ny alina. Araka izany, mety hanampy anao hihena haingana kokoa ny matory tsara. Misy ihany anefa ny fepetra hahatongavana amin’izany. Ireto avy izy ireo :

 Lire la suite...

Manafaingana ny fampihenan-tena amin’ny tantely sy voasarimakirana Ny fomba tena mety hahazoana vokatra

16/05/2019

Teboka roa tena tsy azo hiodivirana rehefa te-hampihena tena ny misakafo voalanjalanja sady manao fampihetseham-batana.

 Lire la suite...

Minceur

Jus baranjely 3 vera isan’androdia mihena

23/05/2019

Mety efa renao ihany fa manafisa-kibo ny baranjely. Misy ihany ny tsara ho fantatra ny amin’ny fomba fampiasana azy. Tsy ny kibo ihany no ho fisaka fa ny vatana manontolo mihitsy no mihena sady hihasalama ny taova ao anaty raha voahaja tsara izany.

 

 


Jus baranjely, mampihena, manafisa-kibo

Manoro hevitra ny olona maniry hampihena tena ny “nutritionnistes” mba hisotro zava-pisotro vita amin’ny baranjely noho ireo tombon-tsoa azo avy aminy rehetra ireo :

Toy izao no fikarakarana azy :

Akora ilaina

·         Baranjely lehibe 1

·         Rano tapa-litatra

·         Voasarimakirana 1

Fikarakarana 

Voasana ny baranjely dia tetehina madinika. Atao ao anaty lovia jobo lehibe iray avokoa ireo baranjely voatetika dia rakofana ny rano mangatsiaka. Avela hilona ora 2.

Raha efa izay dia hampangotrahina ao anaty vilany kely feno rano mandritra ny 15 minitra ireo baranjely efa nilona. Rehefa mangotraka ny rano dia alefa ao amin’izay ny ranom-boasarimakirana. Vonoina ny afo dia atokana mandritra ny 10 minitra ilay zava-pisotro izay vao avy nototoina tamin’ny mixeur.

Sotroina 15 minitra mialohan’ ny sakafo lehibe rehetra ity zava-pisotro ity mandritra ny fe-potoana hanaovana ny fampihenan-tena. Iray vera monja dia ampy.

Torohevitra fanampiny :

Manatsara ny tsirony somary mananganangana ny voasarimakirana sady manafaingana ny vokatra azo koa.

Tombotsoa azo

·         Legioma manatsara ny fandevonan-kanina ny baranjely. Manakana ny vatana tsy hitroka tavy koa ny singa antsoina hoe : “saponine” entiny ao anaty ao

·         Manampy miady amin’ny «  cellulite” koa ny baranjely noho izy be rano ka miady amin’ny fitahirizan’ny vatana rano.

·         Mamono ny “radicaux libres” ny baranjely. Ireny no anisan’ny pozina izay mahatonga ny vatana hitahiry tavy sady mahatonga aretina toy ny homamiadana koa.

·         Tsy mampitohana ny baranjely noho izy be “fibres”

·         Manampy ny aty hiasa tsara ny baranjely. Rehefa miasa tsara ny aty dia mora dia mora ho an’ny vatana ny mihena.

·         Mandrindra ny tahan’ny kolesteroly anaty rà koa izy.

·         Mitondra kalsioma, potasioma, sodioma, fosfora ary fer ho an’ny vatana ny baranjely.

Tsara ho fantatra :

·         Tsy maintsy mila fikarakarana ny baranjely fa tsy azo avy hatrany dia hohanina. Mety hankarary vavony na hitarika aretin’andoha izy raha tsy izany noho ilay singa antsoina hoe : “solanine” ao anatiny izay pozina ho an’ny vatana ihany. Ireo baranjely somary mafy no tena tsara.

·         Tena mampihena ity zava-pisotro ity. Tokony hihetsiketsika 30 minitra isan’andro sy hiezaka hisakafo voalanjalanja ihany koa anefa ao anatin’izany mba tena haharitra ny fampihenan-tena  hatao sy ny vokatra azo.

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo