Jejoo

Dans la même rubrique

Voanjo hatao laoka sy desera

17/06/2019

Sakafo mitondra hafanana rehefa ririnina ny voanjo no sady tena mety ho an’ny Reny mitoe-jaza sy ny ankizy . Handeha hijery sakafo mora karakaraina miaraka aminy mba hahafahana mihinana sakafo miovaova.

 Lire la suite...

Krepy tsy misy atody sy ronono

13/06/2019

Azo atao tsara ny manamboatra krepy tsy misy atody sy ronono, indrindra ho an’ireo izay tsy mahazaka ireo akora roa ireo.

 Lire la suite...

Glace aux fruits secs

07/06/2019

Akora ilaina · Tamenak’atody 4 · Tapotsin’atody 4 · Crème liquide 40sl · Mascarpone 100g · Siramamy misy hanitra lavanila 80g · Voankazo confit 500g ( izay tiana) · Voanjo 100g · Amandes 150g · Raisins secs 50g

 Lire la suite...

Samosa hena sy fraomazy

06/06/2019

Akora ilaina ( 20 isa) · Toton-kena 700g · Menaka 1 sf · Sakamalao efa voakiky 1 sf · Sira araka izay tiana · Carry · Tongolo gasy efa voakiky ½ sk · Tongolo maitso 1 sf na solila · Fonona samosa 20 isa · Fraomazy mafy 250g efa notetehina efamira somary lehibe

 Lire la suite...

Akora 2 sy 3 monja, hahazoana sakafo mafilotra

03/06/2019

Rehefa hikarakara sakafo maimaika iny nefa tsy dia manam-bola dia zava-dehibe ny fahafantarana ireo nahandro mora karakaraina nefa tsy mila akora be dia be akory. Isan’izany ireto ho entina aminao ireto :

 Lire la suite...

Trondro amin’ny legioma

31/05/2019

Akora ilaina · Trondro 1.5 kg · Fenouil na celeri · Vomanga 700g · Navets 4 · Tongolo be 2 · Tongolo gasy 2 · Voasarimakirana nalona sira · Oliva maitso 100g · Menaka oliva 6 sk · Kotomila tahony 1 kelikely

 Lire la suite...

Nid de pate

24/05/2019

Tsy voatery hanina amin’izao foana ny paty fa afaka endasina ihany koa. Ity nahandro ity izao dia maneho izay fomba fandrosoana hafa ho an’ny paty izay; hatao fanokafam-bavony na ody am-bava-fo

 Lire la suite...

Sakafo

“Pate feuilletée” amboarina Ireto avy ireo zavatra ilaina sy ny dingana atao ho an’ny fanamboarana « pate feuilletée » :

23/05/2019

Akora ilaina (ho an’ny paty 1k200g) · Lafarinina 350g · Sira 1sk · Dibera malefaka 30g · Dibera 390g · Rano 20sl

 

 

 

Fikarakarana azy

1.       Alefa ao anaty mixeur ny lafarinina, sira sy dibera malefaka. Afangaro ireo dia tapohina ilay rano ka rehefa mahazo bolabolana paty vao mijanona. Fonosina “film plastique” iny paty iny ary apetraka ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora roa.

2.       Apetraka eo ambony taratasy fahandro ny dibera (sary 1). Fisahina ao anatin’io taratasy io izany ( sary 2) ary averina ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana indray.

3.       Asiana lafarinina ny latabatra hiasana dia avoaka ilay paty ( sary 3) ary fisahina ho efamira  ( sary 4). Apetraka eo amboniny eo ilay dibera (sary 5) dia saromana ao anatin’ilay paty ao ( sary 6).

4.       Velarina ilay paty ka ezahina ny hahazoany haavo ary tandremana tsy hiporitsaka tao ilay dibera ( sary 7). Fisahina dia avalona ary ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana indray mandritra ny ora roa.

5.       Tapitra io fe-potoana io dia havoaka indray ny paty ary atodika any aminao toy ny eo amin’ny sary. Averina fisahina toy ny teo aloha ary havalona indray rehefa avy eo ka ny avy aty amin’ny an-kavia no aforitra voalohany ( sary 8). Rehefa vita izay dia ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana indray, mandritra ny ora roa. Izay no antsoina hoe : “tour”.

6.       Raha te-hahazo paty manify sy mitombo tsara dia averina in-6 eo io “tour” io ka isaky ny vita izany dingana izany dia ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana hatrany ilay paty.

7.       Rehefa tapitra ny “tour” dia apetraka ny paty ary afaka ampiasaina amin’izay hitiavana azy izy rehefa avy eo.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo