Jejoo

Dans la même rubrique

Voanjo hatao laoka sy desera

17/06/2019

Sakafo mitondra hafanana rehefa ririnina ny voanjo no sady tena mety ho an’ny Reny mitoe-jaza sy ny ankizy . Handeha hijery sakafo mora karakaraina miaraka aminy mba hahafahana mihinana sakafo miovaova.

 Lire la suite...

Krepy tsy misy atody sy ronono

13/06/2019

Azo atao tsara ny manamboatra krepy tsy misy atody sy ronono, indrindra ho an’ireo izay tsy mahazaka ireo akora roa ireo.

 Lire la suite...

Glace aux fruits secs

07/06/2019

Akora ilaina · Tamenak’atody 4 · Tapotsin’atody 4 · Crème liquide 40sl · Mascarpone 100g · Siramamy misy hanitra lavanila 80g · Voankazo confit 500g ( izay tiana) · Voanjo 100g · Amandes 150g · Raisins secs 50g

 Lire la suite...

Samosa hena sy fraomazy

06/06/2019

Akora ilaina ( 20 isa) · Toton-kena 700g · Menaka 1 sf · Sakamalao efa voakiky 1 sf · Sira araka izay tiana · Carry · Tongolo gasy efa voakiky ½ sk · Tongolo maitso 1 sf na solila · Fonona samosa 20 isa · Fraomazy mafy 250g efa notetehina efamira somary lehibe

 Lire la suite...

Akora 2 sy 3 monja, hahazoana sakafo mafilotra

03/06/2019

Rehefa hikarakara sakafo maimaika iny nefa tsy dia manam-bola dia zava-dehibe ny fahafantarana ireo nahandro mora karakaraina nefa tsy mila akora be dia be akory. Isan’izany ireto ho entina aminao ireto :

 Lire la suite...

Trondro amin’ny legioma

31/05/2019

Akora ilaina · Trondro 1.5 kg · Fenouil na celeri · Vomanga 700g · Navets 4 · Tongolo be 2 · Tongolo gasy 2 · Voasarimakirana nalona sira · Oliva maitso 100g · Menaka oliva 6 sk · Kotomila tahony 1 kelikely

 Lire la suite...

Nid de pate

24/05/2019

Tsy voatery hanina amin’izao foana ny paty fa afaka endasina ihany koa. Ity nahandro ity izao dia maneho izay fomba fandrosoana hafa ho an’ny paty izay; hatao fanokafam-bavony na ody am-bava-fo

 Lire la suite...

Sakafo

Mofomamy malefaka, amin’ny yaourt Ho an’olona 6

22/05/2019

Akora ilaina Atody 3 Yaourt tsy mamy 1 Leviora 1 fonosana (5,5 g) Lafarina 2,5 pots yaourt Siramamy 1,5 pot yaourt Siramamy misy hanitra lavanila 7,5 g Menaka ½ pot yaourt dibera 10grama

 

 

Fikarakarana :

Atao ao anaty lovia jobo lehibe iray manaraka izao laharany izao ireto akora ireto :

Ny yaourt tsy mamy, ny lafarinina, ny siramamy ary ny siramamy manitra lavanila dia afangaro tsara. Alefa ao avy eo ny atody dia averina afangaro indray.

Raha efa izay vao tapohina ny menaka dia aroina kely izay vao arotsaka ny leviora. Afangaro farany. Tokony hahazo paty mitambatra sy matsora.

Hosorana dibera ny lasitra iray. Lasitra “moule à manqué” no ampiasaina eto. Mety koa ny lasitra fanaovana cake. 

Ampidirina ao anaty lafaoro efa mafana amin’ny maripana 180° na thermostat 6 mandritra ny 30 minitra. Arahi-maso matetika kosa.

Torohevitra fanampiny :

Azo atao koa ny manampy potipotika chocolat ao anatin’ny paty rahefa manafangaro azy iny.  Ireny no hitsonika ao anatin’ilay mofomamy ka hanome loko sy tsiro hafa azy.

Tsindronina moramora amin’ny antsy ilay mofomamy  ka raha tsy misy paty manaraka fa maina ny lohan’antsy dia midika izany fa masaka ny mofomamy.

 

 

Lilou 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo