Jejoo

Dans la même rubrique

Miha-miditra aloha be ao anaty “regime” ny adolantsento

19/07/2019

ETAZONIA - Nivoitra tamin’ny voka-pikarohana iray tany Etazonia fa mitombo ny adolantsento vavy sahiran-tsaina amin’ny lanjany.

 Lire la suite...

Vaviantitra 76 taona, novonoina rehefa avy nampijaliana

19/07/2019

ALEMANA - Migadra mandrapahafatiny no sazy azon’ireto efa-dahy ireto, rehefa namono vaviantitra 76 taona.

 Lire la suite...

Vaviantitra 76 taona novonoina rehefa avy nampijalina ora maro

18/07/2019

ALEMANA - Migadra mandrapahafaty no sazy azon’ireto efa-dahy ireto, rehefa namono vaviantitra 76 taona.

 Lire la suite...

Tsy miray ara-nofo efa-bolana izay “homosexuels” hanome rà

18/07/2019

Tsy mahazo miray ara-nofo mandritra ny herintaona ny olona manana fironana tia olona mitovy fananahana aminy raha toa ka maniry hanome ra izy ireo any Frantsa amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny ministeran’ny Fahasalamana

 Lire la suite...

Ankizy vavy kely 2 taona matin’ny voay tany Cambodge

03/07/2019

Ankizy vavy kely iray izay vao roa taona monja no fantatra fa maty lanin’ny voay tao Cambodge. Tsy hitan’ny reniny, izay nikarakara ny zandriny vao teraka ny nialan’ity ankizy vavy kely ity tao an-trano.

 Lire la suite...

Diso nijaly, nampamonoany olona ny vadiny!

03/07/2019

Vehivavy iray 32 taona no niaiky nanoloana ny fitsarana fa nanakarama olona hamono ny vadiny, roa taona taorian’ny nitrangan’ny voina.

 Lire la suite...

Sekoly nitsangatsangana : Nisy zaza 4 taona, maty!

02/07/2019

Raha hiala voly no anton-dian’ireo mpianatra avy ao amin’ny Notre-Dame des Fleurs de Languidic, Frantsa, ny faran’ny herinandro teo dia loza no niseho.

 Lire la suite...

Manerantany

ETAZONIA Renim-pianakaviana sy zanany vavy namono ny tovovavy bevohoka

21/05/2019

Tovovavy 19 taona, bevohoka, no hita faty tany anaty dabam-pako, tao Chicago, ny alarobia lasa teo.

 

 Hasemporana vokatry ny fanakendana no nahafaty azy. Nosokafana ihany koa anefa ny kibony ary nalaina avy tao ilay zaza tao an-kibony. Efa 3 andro tsy hita ity tovovavy ity. Olona telo no voaroroy ka ny renim-pianakaviana iray sy ny zanany ary ny olon-tian’ity farany. Raha ny resaka mandeha dia efa ela nitadiavana zaza ilay renim-pianakaviana ka nikasa ny hitaiza an’io zaza menavava io. Tamin’ny andron’ilay famonoana mantsy dia niantso ny vonjy taitra ilay ramatoa 46 taona, nilaza fa teraka aloha loatra, ka mila vonjy maika. Nifanindran-dalana tamin’izay ihany koa anefa ny fangatahana tolo-tanana tamin’ny tambajotran-tserasera nataony mba hanatanterahana ny fandevenana ilay zaza. Tao anatin’ireny tambajotran-tserasera momba ny reny sy ny zaza ireny kosa no nifaneraseran’ilay vehivavy 46 taona sy ilay tovovavy 19 taona. Haka akanjon-jaza tsy ilaina intsony no nihaonan’izy roa ireto nivatana, tao an-tranon’ilay ramatoa 46 taona. Mbola velona moa ilay zaza nateraka aloha loatra saingy ao anatin’ny “coma”.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo