Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Love

Fambara sivy fa miankin-doha ara-pihetseham-po

20/05/2019

Ahoana no hahafantarana fa tsy fitiavana fa efa fiankinan-doha ara-pihetseham-po no tsapanao ho an’ny olona miaraka aminao ? ireto ny fambara hanavahana azy :

 

 

 

 

 

1- Tsy mahavita manapa-kevitra irery ihany fa mila maka ny heviny foana aloha.

2- Miankina aminy rehefa misy andraikitra na adidy lehibe na goavana mahakasika ny fiainana toy ny fidiram-bola, ny fahasalamana, ny fandaminana samihafa…

3- Matahotra ny hiady amin’ny vady na ny olon-tiana hany ka tsy manao na inona na inona izay ahiana hiteraka disadisa mihitsy.

4- Tsy mahavita manomboka na manatanteraka tetikasa samirery mihitsy

5- Tsy mahazo aina rehefa samirery na matahotra ny hilaozana.

6- Mahatsiaro ho tompon’andraikitra avy hatrany raha misy zavatra tsy mety kely ao anatin’ny fiainana.

7- Mahatsiaro tena ho voatery hanatanteraka izay tiany foana na manatanteraka ny filàny .

8- Mila ny fanohanan’ny hafa foana.

9- Tsy mahavita mametraka ny fetra sady tsy mahavita miaro ny zo manokana.

Raha miseho aminao ny teboka 5 amin’ireo voalaza ireo farafahakeliny dia azo lazaina fa miankin-doha ara-pihetseham-po ianao. Tsy hahavita ny hahaleo tena  mihitsy raha miankin-doha ara-pihetseham-po na amin’ny lafiny arak’asa na eo amin’ny lafiny fitiavana. Ilaina anefa ny manana izay fahaleovan-tena izay raha te-hanana fiainana ara-pitiavana sambatra. Mila matoky ny tena aloha vao afaka ny hizara sy hitia an-kalalahana. Mila manana fitiavana ny tena aloha vao afaka mizara fitiavana amin’ny hafa. Raha tsy izany dia tsy hahasambatra mihitsy ny fitiavana omena ny hafa.

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo