Jejoo

Dans la même rubrique

« S’entourer de gens positifs qui nous tirent vers le haut et avec qui on se sent bien est primordial pour s’épanouir et avancer sur son chemin. »

22/08/2019

Samy manana ny toetrany ny olombelona ary tsy misy mitovy na iray aza. Misy kosa ny toetra somary itoviana saingy mbola tena samihafa, arakaraky ny fiainany avy ny vokatr’izay toetra izay.

 Lire la suite...

« Bonne est l’action qui n’amène aucun regret et dont le fruit est accueilli avec joie et sérénité » Bouddha

20/08/2019

Tsy misy tsy mahalala fa ny fitiavana no lakilen’ny hasambarana. Izy no mitondra hafaliana, tsikitsiky, fahavitriana, zoto-po, …

 Lire la suite...

« Le maintien d’une attitude positive est le vrai défi de la vie. En changeant notre attitude, notre vie commence à changer aussi. » Melki Rish

06/08/2019

Rehefa tojo olana amam-pahasahirana dia toa sarotra ny mitazona an’ilay toetsaina miabo, mijery izay lafiny tsara eo amin’ny zava-misy.

 Lire la suite...

L’amitié améliore le bonheur, apaise la misère, double la joie et divise la peine

02/08/2019

Araka ny fandinihan’ireo mpikaroka dia mbola tsy nitana anjara toerana lehibe, noho ny amin’izao vanin’andro iainantsika izao ny namana.

 Lire la suite...

« Une grande dame ne perdra pas son temps à essayer de se comparer à une autre femme…parce qu’elle sait ce qu’elle vaut »

01/08/2019

Fomban’ny vehivavy, efa toetra voajanahary mihitsy, ilay tia mifaninana. Tsy misy maharatsy izany, rehefa entina hanatsarana ny fiainana ilay izy.

 Lire la suite...

« A l’oreille de tous les enfants, « Maman » est un mot magique » Arlene Benedic

31/07/2019

Mahatsiaro sambatra ery ny zanaka rehefa manana Reny mampihanta, mananatra, mikolo. Ary tsy mifidy taona fa na ny mbola minono na ny efa manan-tokantrano dia mila hatrany izay fitiavan-dReny izay.

 Lire la suite...

« Si une autre femme vole votre homme, la meilleure vengeance serait de la laisser le garder. Les vrais hommes ne peuvent pas être volés. »

22/07/2019

Betsaka ny vehivavy misedra olana amin’ny tokantrano ka ny ankamaroany dia noho ny fampirafesana avokoa. Maro ny mety hitarika ny olana ao an-tokantrano : tsy fahampian’ny fotoana iarahana,

 Lire la suite...

Citation

« Puisqu’on ne peut changer la direction du vent, il faut apprendre à orienter les voiles » James Dean

14/05/2019

Betsaka ny zavatra miseho na mitranga amin’ny fiainana no tsy azo atao na inona na inona, milatsaka tampoka tsy mampilaza izy ireny matetika ary mety mahakasika zavatra maro amin’ny fiainana : asa, fitiavana, …

 

.ireny no antsointsika Malagasy hoe vintana sy Anjara. Tsy azo hiodivirana izy ireny, misy ny tsara, misy kosa no raisintsika ho ratsy kanefa amin’ny ankapobeny dia mandrafitra antsika ho mafy kokoa ka hanana hambo-po hiroso amin’ny tsara noho ny teo aloha izy ireny. Raha sendra izay vintan-dratsy izay dia azo atao tsara ny mandamina ny saina ka misintona izay zavatra tsara azo atao aminy. Mety tsy nifanaraka tamin’izay niriana no omena, mety tsy nifandraika tamin’izay nandrasana kanefa misy tsara azo tsoahina foana ao. Mety mitaky asa be kokoa, mitaky fandeferana, faharetana, …fiovana isan-karazany izany saingy atao raiki-tampisaka ao an-tsaina ny tanjona ifikirana. Azo atao tsara ny « mi-s’adapte » amin’ny zava-drehetra rehefa ao ilay finiavana ny hanao zavatra. Raha misy ny olana dia tadiavina ny vahaolana ary tsy mamotsotra mihitsy. Tsy ny fahaizana miatrika olana fotsiny ihany no zava-dehibe fa ny fahaizana mitraka rehefa misinda iny olana iny. Ny herin-tsaina sy ny herim-ponao foana no mampandroso na tsia ny olona iray!

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo