Jejoo

Dans la même rubrique

Ny atao hoe : sakafo voalanjalanja marina

13/08/2019

Re ombieny ombieny ny hoe : tokony hisakafo voalanjalanja raha te ho salama. Mahalana be kosa no iresahana ny kipitsony maha-voalanjalanja ny sakafo. Indro ary atoronay anao ny fomba atao handrafetana sakafo voalanjalanja ho an’ny vatana :

 Lire la suite...

SAKAFO MARAINA MAMPATANJAKA

06/08/2019

Antony iray mahatonga ny ankamaroan’ny olona tsy misakafo maraina ny hoe : tsy fantatra intsony ny tsara hohanina. Indro hampahatsiahivinay anao ny sakafo maraina tena tonga lafatra :

 Lire la suite...

Ny sakafo tokony hohanina rehefa ririnina

30/07/2019

Marobe ny hevi-diso miparitaka momba ny sakafo tokony hohanina rehefa ririnina. Misy no mihevitra fa tokony hihinana sakafo betsaka kokoa, matavy kokoa… Fa inona ny tena marina?

 Lire la suite...

Kaokaombra : Mahasalama tsinay, rà,…

16/07/2019

Maro tokoa ny tombontsoa entin’ny kaokaombra ho an’ny fahasalamana ankoatra ny fanamorany ny fampihenan-tena. Ireo tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Toy ny ahoana ny atao hoe : “portion”

09/07/2019

Matetika rehefa hanao régime dia atoro ao ny isan’ny anjara na « portion » azo hohanina amin’ny karazan-tsakafo iray.

 Lire la suite...

Matsiro kokoa ny sakafo hanina mipetraka

25/06/2019

Arakany fanadihadiana iray nataona mpikaroka amerikanina dia manova ny tsiron’ny sakafo ny fomba fihinanana azy. Raha ny marina dia voalazan’ity fanadihadiana ity fa tsara tsiro kokoa ny sakafo raha hohanina mipetraka. Fanazavana

 Lire la suite...

Ireo sakafo manafana rehefa ririnina

20/06/2019

Efa ao anatin’ny ririnina tsara isika izao. Mba tsy harary, na handairan’io hatsiaka io, dia indro ny sakafo, episy raha ny marimarina kokoa, manafana amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Diététique

Sakafo 10 be “fer”, misoroka havizanana lalina

14/05/2019

Raha vao tsy ampy « fer » ny vatana dia mety ho tratry ny havizanana lalina, mihamarefo ny hery fiarovana ; mahavoa ny “anémie” koa ny tsy fahampiana azy.

 

Mety hitarika tsy fahatomombanana sy fahataran’ny fitomboana amin’ny zazakely koa izany ho an’ny vehivavy mitondra vohoka. Tokony atao ampy noho izany ny tahan’ny fer azon’ny vatana. Soa fa misy ny sakafo betsaka azy. Ireto avy izy ireo :

Ny cumin: 66 mg ho an’ny 100 g

Io no episy be “fer” indrindra. Ahitana fer koa mantsy ny kari sy ny kanelina. Tsara raha asiana azy matetika ny sakafo satria be fer izy no be mpanala arafesina koa ka manatsara ny fandevonan-kanina.

Ny dità na thym: 30 mg ho an’ny 100 g

Be fer be ny dità. Mampitony ny kohaka sady mitsabo ny “bronchite” izy ankoatra izay. Aza misalasala noho izany mampiasa azy amin’ny sakafo matetika.

Ny spiruline 28.5 mg ho an’ny 100 g

Be vitamina sy otrikaina ny spiruline ary anisan’izany ny fer. Ampidiro ao anatin’ny sakafo hohanina matetika izany. Raha amin’ny endriny vovony ohatra dia azo afangaro amin’ny yaourt izy.

Ny sésame: 16.6 mg ho an’ny 100 g

Mety foana ny mihinanana na amin’ny endriny menaka na mbola voany. Mitondra proteina sy fer betsaka mantsy izy ireny. Manatsara ny fandevonan-kanina koa izy noho izy be “fibres”. Ny tombony dia izy azo ampiasaina na amin’ny sakafo mamy na masira.

Ny soja: 15.7 mg ho an’ny 100 g

Be proteina sy fer ny soja. Mety foana izy na hohanina amin’ny endiny ronono, na tofu na ilay mbola miendrika zava-maniry mihitsy.

Ny « chocolat noir » : 10.7 mg ho an’ny 100 g

Ny chocolat noir (70% -ny dia kakao avokoa) dia be fer be koa sady mitondra manezioma. Mety ny mihinana singany 1 na 2 aminy isan’andro raha tsy ampy fer.

Ny Noix de cajou: 6 mg ho an’ny 100 g

Be lipida sy asidra matavy tsara kalita ny « noix de cajou » ary mitondra fer koa. Tsy hohanina betsaka kosa anefa fa amin’ny fatra antonony ihany. Ilay izy mbola tsy misy sira na siramamy koa no tena tsara mba tsy hampatavy indray .

Ny tsaramaso mena : 5 mg ho an’ny 100 g

Fantaro fa be “fer” koa ireny tsaramaso mena ireny. Ary raha totoina izy dia azo atao solon’ny dibera. Ireny rahateo no hanamboaran’ny tatsinanana mofomamy.

Ny lentilles: 3.3 mg ho an’ny 100 g

Anisan’ny voan-javatra be fer ny lentilles. Sady be mpanala araresina izy no be fibres ihany koa.

Ny oliva: 3.3 mg ho an’ny 100

Mety hampidina ny tosi-drà, miaro amin’ny aretinny fo sy ny lalan-drà ny oliva. Mitondra fer betsaka koa izy ka mety tsara ny mihinana azy raha toa ka tsy ampy fer.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo