Jejoo

Dans la même rubrique

Azo atao ve ny misara-bady raha sendra olona tsy anjara?

23/05/2019

Toe-javatra iray tsy eken’Andriamanitra mihitsy fisaraham-panambadiana. Rehefa nanam-bady ny olona iray dia tokony hizaka izay vokatry ny safidiny.

 Lire la suite...

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny sipako nefa izaho tia be azy.

22/05/2019

Henoko fa misy vehivavy adalainy any am-pianarany any. Mijaly aho fa mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ahoana no hahafantarana fa anjara ny olona iray?

22/05/2019

Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara. Indraindray dia mety ho vokatry ny safidin’ny olombelona no nahatanteraka ny fanambadiana ka mety tsy ho tomombana izany fa hisy ny fikorontanana.

 Lire la suite...

Torohevitry ny mpitsabo hiatrehana hatsiaka

22/05/2019

Efa ankatoky ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, raha ny toetry ny andro no jerena. Indro ny torohevitry ny mpitsaboa amin’ny tokony atao mandritra io vanim-potoana io sy ho fisorohana ny mety hipoiran’ny aretina mifandraika amin’io vanim-potoana io.

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

21/05/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara

21/05/2019

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady. Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy ny olona rehetra no nantsoin’Andriamanitra hanam-bady.

 Lire la suite...

Voalahatra hatrany am-pahariana ve ny vady ?

20/05/2019

Raha ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olona dia tsy ny fanambadiana no tanjona voalohany eto ambonin’ny tany. Tsy mitovy mihitsy ny tso-drano nomen’Andriamanitra ny olombelona sy ny biby mikasika ny fanambadiana.

 Lire la suite...

Conseils

Fisaraham-panambadiana : Ny fahaizana manadino no hanasitranana ny ratram-po

14/05/2019

Toe-javatra isan’ny marary indrindra izany hoe : misaraka amin’olon-tiana izany. Samy miteraka ratram-po avokoa ny fisaraham-panambadiana na fisarahan-toerana fotsiny na ny “divorce”.

 

 

Na heverina fa efa simba aza ilay fitiavana izay nahatonga hivady dia miteraka ratram-po foana izany hoe : hisaraka amin’olona naira-niaina efa ela izany. Indrindra raha hoe :  efa nifanaiky ny hiaraka mandrakizay.  Samy maratra vokatr’izany ihany koa na ny an-daniny na ny an-kilany.  Mateti-pitranga aza ny hoe : mifanambitamby toa tsy te-hisaraka indray rehefa tapa-kevitry ny hiroso amin’ny fisarahana. Toa miverina tonga saina indray hoe : tsy ho vita ilay hisaraka. Mazana ihany koa dia ny an-daniny ihany no te-hisaraka ka zary noterena fotsiny ny an-kilany ka maratra vokatr’izany. Ny fahaizana manadino, io ihany no vahaolana ahafahana miala amin’izany. Ny vahaolana ahafahana manasitrana ny ratram-po dia ny fahaizana mahafoy sy mamadika pejy. Ny tena tokony atao dia miezaka ny manorina fiainana vaovao. Miezaka mampifalifaly ny tena ihany koa ary mitady fialam-boly mahafinaritra ny saina sy ny fo.

Mbola hitohy amin’ny gazety Jejoo hivoaka rahampitso ny torohevitra.

Isaorana ny Pasteur Dyna Trimozafy nanome fanazavana mikasika ny lohahevitra.

Meva

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo