Jejoo

Dans la même rubrique

Azo atao ve ny misara-bady raha sendra olona tsy anjara?

23/05/2019

Toe-javatra iray tsy eken’Andriamanitra mihitsy fisaraham-panambadiana. Rehefa nanam-bady ny olona iray dia tokony hizaka izay vokatry ny safidiny.

 Lire la suite...

Tsy miraharaha ahy mihitsy ny sipako nefa izaho tia be azy.

22/05/2019

Henoko fa misy vehivavy adalainy any am-pianarany any. Mijaly aho fa mba toroy hevitra.

 Lire la suite...

Ahoana no hahafantarana fa anjara ny olona iray?

22/05/2019

Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara. Indraindray dia mety ho vokatry ny safidin’ny olombelona no nahatanteraka ny fanambadiana ka mety tsy ho tomombana izany fa hisy ny fikorontanana.

 Lire la suite...

Torohevitry ny mpitsabo hiatrehana hatsiaka

22/05/2019

Efa ankatoky ny ririnina isika amin’izao fotoana izao, raha ny toetry ny andro no jerena. Indro ny torohevitry ny mpitsaboa amin’ny tokony atao mandritra io vanim-potoana io sy ho fisorohana ny mety hipoiran’ny aretina mifandraika amin’io vanim-potoana io.

 Lire la suite...

Inona no sakafo mahangeza vetivety fa tena kely loatra aho ka mba te hitombo haingana ?

21/05/2019

Sady ny tena mampalahelo ahy dia kianin’ny olon-tiako foana aho amin’ny hakeliko ary asainy manao “régime”.

 Lire la suite...

Tsy izay fanambadiana tanteraka rehetra no atao hoe : anjara

21/05/2019

Fanomezana avy amin’Andriamanitra ny vady. Araka ny efa voalaza tamin’ny torohevitra teo aloha dia tsy ny olona rehetra no nantsoin’Andriamanitra hanam-bady.

 Lire la suite...

Voalahatra hatrany am-pahariana ve ny vady ?

20/05/2019

Raha ny fomba namoronan’Andriamanitra ny olona dia tsy ny fanambadiana no tanjona voalohany eto ambonin’ny tany. Tsy mitovy mihitsy ny tso-drano nomen’Andriamanitra ny olombelona sy ny biby mikasika ny fanambadiana.

 Lire la suite...

Conseils

Nendrikendrehin’ny sipako ho mampirafy azy aho, ka nisarahany. Tsy misy an’izany akory anefa, sady izaho tia be azy. Mba ampio aho fa mijaly.

14/05/2019

Azo inoana fa mbola tanora kely ianao manoratra io, tahaka izay koa ilay olon-tianao, ka tsy mbola matotra ny fitiavanareo.

 Raha fitiavana tena mijoro tsara sy hary fototra manko, tsy ho ravan’ny endrikendrika toy izany. Matoa izy tsy niezaka ny handravona ny fifankatiavanareo, dia satria koa tsy tena lalim-paka ny fitiavany. Noho izany, aza misisika ny hiaraka aminy intsony. Ny lehilahy rahateo, raha vao arahina dia vao mainka mitsoaka. Avelao izy ho any, fa raha toa ka tiany ianao dia hanenina izy nisaraka taminao. Raha toa ka manenina izy dia hiverina aminao. Na izany aza anefa, aza miandry be ny fiverenany fa tohizo ny fiainanao, aza mampiseho endrika malahelo eo anatrehany, fa manjary ho lasa fihomehezany fotsiny ianao. Raha tena manan-danja aminy ianao dia niezaka nandravona ny mety ho olana aloha izy, fa tsy avy hatrany dia niala. Izay no tadidio.

Lehilahy aho, 18 taona ary mbola mianatra. Misy vehivavy miaraka amiko izay, dia feheziny be mihitsy aho, tsy avelany mivoaka miaraka amin’ny namako.  Inona no ataoko, sa inona no azoko lazaina azy fa indraindray aho te hisaraka aminy mihitsy ?

Rehefa tia indraindray dia tsy foy hozaraina amin’olona mihitsy ilay olon-tiana. Hazavao aminy fa mba mila ny fahafahanao kely sy ny fahaleovan-tenanao ianao. Toy izany koa izy. Fomba iray isokafanareo amin’ny hafa izany no sady hitondra rivo-baovao eo amin’ny fiainam-pitiavanareo ihany koa. Raha tsy izany dia ho mora hifankaleo ianareo. Diniho tsara ihany koa anefa, sao ianao variana loatra amin’ny namanao ka izany no mahatonga azy ho sarotiny. Ezaho foana mba hifandanja tsara ny fiarahanao aminy sy ny fiarahanao amin’ny namanao. Ataovy izay hahatokisany fa azy manontolo ny fitiavanao ary mijanona ao am-ponao foana izy, na dia amin’ny fotoana tsy iarahanareo aza.

 

Mikorontana be ny fadimbolako. Efa 21 taona aho izao, fa mbola tsy tonga fotoana isam-bolana ohatry ny olona rehetra ihany. Inona no mahatonga izany, dia inona no tokony ataoko ?

Ny fikorontanan’ny tsiry mpanentana, na hôrimônina, no mahatonga ny fadimbolana tsy handeha ara-dalàna, amin’ny ankapobeny. Hatreto, tsy tena misy fomba azo antoka fa mandamina azy io. Azo andramana ihany ny mandrindra azy, amin’ny alalan’ny “traitement hormonal”, saingy tsy azo antoka 100 % fa mandaitra. Mila manatona dokotera “gynécologue”, izay afaka manoro hevitra sy mampahafantatra izay tokony atao. Tena ilaina mihitsy io, sao misy fiantraikany amin’ny toe-batana sy ny fananahana. 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo