Jejoo

Dans la même rubrique

Persily : Mampitony ny fanaintainan’ny fadimbolana

06/08/2019

Hanitra fanao amin’ny sakafo no tena mahavantana antsika rehefa miresaka persily. Rariny tokoa satria azo hitaizam-batana hisorohana aretina na hampitoniana fanaintainana ity zava-maitso ity. Ohatra ireto omena anao ireto.

 Lire la suite...

Papay manta : Mampitony aretim-bavony

30/07/2019

Tsy ao anatin’ny papay masaka ihany no ahitana ireo voka-tsoa ho an’ny vatana fa eo ihany koa ny manta. Atao lasary, afangaro amin’ny hena sns maro ireo fomba fikarakara azy higohana ireo voka-tsoa ireo.

 Lire la suite...

Voanjo : manatsara ny fo sy lalan-drà

23/07/2019

Karazana « legumineuse » mitondra voka-tsoa maro ho an’ny vatana ny voanjo. Rehefa mangatsiaka tahaka izao, ho antsika malagasy matetika no tena mandeha ny tsenan’ny voanjo satria be menaka manafana. Ireto ny voka-tsoa entin’io sakafo io.

 Lire la suite...

Mitsabo sy mampihena tena amin’ny atody!

16/07/2019

Voaresaka matetika tato ho ato ny atodina papelika, izay malaza ho manasitrana aretina maro. Mitondra voka-tsoa maro tokoa mantsy ny atodin’ity vorona ity, saingy tsara ho fantatra kosa fa misy fatrany izany arakaraky ny aretina sy ny filàna.

 Lire la suite...

Ronono « amande » : manemotra ny fipoiran’ny « Alzheimer »

09/07/2019

Tsy tena mahavantana ny olona rehetra kanefa mahasalama ny vatana ny ronono “amande”. Azo avy amin’ny fikirakiràna ny voan’ity akora ity io ronono io. Ireto ny voka-tsoa entiny.

 Lire la suite...

Minana saribao : Mampandevon-kanina

02/07/2019

Tsy ao an-dakozia ihany no azo ampiasana ny saribao, fa azo entina mikolo ny hatsaràna sy ny fahasalamana ihany koa izy.

 Lire la suite...

Manadio ny aty amin’ny baranjely

25/06/2019

Legioma manana ny maha-izy azy ny baranjely saingy an-kavitsiana no mazoto migoka tanteraka ny voka-tsoa entiny.

 Lire la suite...

Bienfaits

Saosy vinaingitra be vitamina C

14/05/2019

Mifototra amin’ny fandrindrana ny sakafo voalanjalanja no antoka hananana lanja tsy mihoatra, ara-dalàna ary indrindra ny fahasalamana. Manan-karena legioma sy voankazo isika eto Madagasikara azo araraotina ny voasary laoranjy sy ny voasarimakirana.

 

 

 

Tsy manisy menaka

Ho an’ny “Pro Active”, mpikarakara hetsika sy mpisehatra amin’ny resaka fanjarian-tsakafo dia tsy voatery mividy akora lafo be na mampiasa menaka be vao afaka mampatsiro ny legioma sy voankazo hanina indrindra ny lasary. Fahaizana manao saosy vinegrety dia efa mampiavaka azy.

1.      Lasary legioma “nature”

-          Laisoa voatetika 100 g

-          Kaokaombra voakiky 100 g

-          Karaoty voakiky 100 g

-          Tongolo gasy

-          Tongolo be voatetika

Saosy vinegrety : Ranona voasary laoranjy 1 + Ranona voasarimakirana 2 + sira + dipoavatra

Lasary : Afangaro ao anatina lovia jobo avokoa ireo legioma voatetika sy voakiky. Atokana. Etsy an-daniny, totoina ny tongolo gasy ary afangaro amin’ny saosy vinegrety. Araraka anatin’ilay salady ary aroso avy hatrany.

 Manan-karena fibra sady mampatanjaka ity salady ity. Mety tsara ho an’ireo olona te -hihena.

2.      Salady amerikanina

-          “Maïs doux bio” 1 boaty kely

-          Kaokambra singany 2

-          Voatabia 4

-          Poavrao 2

-          Krevety 250 g (efa voavaofy)

Saosy vinegrety : “Moutarde” 1 sotrokely + tantely 1 sotrokely + ranom-boasarimakirana 5 santilitatra + kotomila + menaka oliva + sira + dipoavatra

Salady : Rehefa voasasa avokoa ny legioma dia tetehina efajoro kelikely. Atokana. Ahandroana ny krevety ( tsara kokoa raha nahandroana amin’ny entona), mandritra ny 10 minitra eo ho eo, ary araraka anaty lovia jobo lehibe. Arotsaka anatin’io lovia jobo io ireo legioma sy ilay “maïs doux”. Rarahana ny saosy vinegrety, afangaro tsara ary aroso avy hatrany.

Mahatsara ny fandevonan-kanina sady ara-pahasalamana ity salady ity.

Isaorana ny “Pro Active”, nanaiky hanolotra an’ireo nahandro ireo

Nelly-Bri

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo