Jejoo

Dans la même rubrique

Tsiambaratelo mampaharitra ny fanambadiana

15/07/2019

Inona ny tsiambaratelo mampaharitra ny fiarahana sy mikolo ny fitiavana eo amin’ny olon-droa ?Mety fihetsika kely sy bitika izy ireny kanefa misy vokany. Atoronay anao ny santionany :

 Lire la suite...

Ny atao haha-latsa-pitia azy tanteraka

08/07/2019

Tianao ho latsa-pitia tanteraka aminao ve izy ? Azo atao ihany izany. Ireto misy torohevitra mety hanampy anao : Efa mba nifanerasera aloha

 Lire la suite...

Torohevitra 5 hanadinoana tanteraka ny olon-tianao taloha

01/07/2019

Vehivavy maromaro no nizara tamin’ny Jejoo ny fomba nanadinoany ny olon-tiany izay nandao azy sy nisaraka taminy. Azonao angalana hevitra izany satria nandaitra tamin’izy ireo.

 Lire la suite...

Azo havotana ny tokantrano miha-rava…

24/06/2019

Azo hatao ny manarina sy manavotra ny tokantrano mitady ho rava raha arahina ireto fitsipika 10 ireto. Tsy mora tokoa kanefa azo atao tsara :

 Lire la suite...

Mihataka amiko izy, inona ny hataoko ?

17/06/2019

Zavatra mety hitranga eo amin’ny mpifankatia ny hoe : toy ny mihataka izany ny an-daniny. Tsy dia mazoto miantso na mandefa someso toy ny tamin’ny vao niaraka. Fa inona ny mitranga? Tsy te-hiaraka aminao intsony ve izy? Tsy tia anao intsony ve izy ? inona ny hatao ?

 Lire la suite...

Paikady 3 hatao dia tsy saro-piaro intsony

03/06/2019

Ratsy avokoa ny vokatry ny hasarotam-piaro indrindra raha diso tafahoatra izany. Mampijaly ny sain’ny olona saro-piaro mantsy izany.

 Lire la suite...

Liva : Tsy tiako intsony ny vadiko

24/05/2019

Tranga mety miseho ao anatin’ny tokantrano koa ny hoe : tsy tiana intsony ny vady. Anisan’ny nahatsapa izany i Liva. Solon’anarana nosafidiany io fa tsy tena nomeny anay ny anarany mba hiarovana ny tokantranony :

 Lire la suite...

Love

Te hanadino lehilahy tiana

13/05/2019

Anisan’ny fanontaniana apetraky ny tovovavy vao nisaraka tamin’ny olon-tiany matetika ny hoe : ahoana ny atao hanadinoana azy ? Mankarary fo loatra mantsy ilay fisarahana ary mila adinoina izy. Tena tsy mora ny manadino olon-tiana. Hampahory anao tanteraka anefa raha tsy manapa-kevitra ny hanao izay tokony atao hanadinoana azy ianao.

 

 

 

 

  Ireto misy fomba efatra azo atao :

Fa maninona no tokony hanadino azy :

Adinoy izy raha toa ka tsy tena tia anao fa rehefa mila anao fotsiny vao nitady anao. Adinoy izy rehefa hitanao fa tsy nifandanja ny fifankatiavanareo. Adinoy izy rehefa hitanao fa efa namadika tanteraka ny pejin’ny fifankatiavanareo.  Maro be ny antony hafa tokony hanadinoana ny olon-tiana teo aloha. Tsy mora izany satria atao an-tery. Olona mbola tiana matetika no voatery hadinoana. Izany hoe  tsy te hanadino azy akory ny fo sy ny saina saingy voatery satria efa nifarana teo ny fiarahana ary tsy tokony hotohizana intsony. Ny tokony atao voalohany indrindra dia ny manapakevitra ny hanapaka ny fifandraisana rehetra aminy. Mafy tena mafy izany saingy tsy maintsy irosoana raha maniry hanadino azy tanteraka.

 

Ariana avokoa izay zavatra mampatsiahy azy

Tsy maintsy arahina fadisoam-panantenana foana ny fisarahana amin’ny olon-tiana. Mety mbola manantena koa anefa fa hiravina ny olana. Hadisoam-paika izany. Raha tena te hanadino azy dia esory tsy ho hitan’ny masonao avokoa ireo zavatra rehetra mampahatsiahy azy. Tena ho mafy izany satria voatery ho arianao izany ny fanomezana rehetra natolony anao, ny sarinareo sy ny sisa. Raha misy kosa zavatra natolony, tsy mampatsiahy anao azy fa zakanao ny mahita azy ka tsy mampitomany anao  ny fisiany dia aza ariana.

 

Mifantoka amin’ny tena amin’izay

Matetika rehefa avy nisaraka dia mamisavisa ny mety ho eritreritr’ilay olon-tiana. Ny vehivavy mantsy rehefa tena tia izay dia ilay olon-tiana no atao ivon’ny fiainana ary izay atao rehetra dia miankina amin’ilay olon-tiana avokoa. Ajanony avy hatrany izany. Ny momba anao amin’izay ifantohana. Inona ny tianao atao eo amin’ny fiainana, inona ny tanjona tianao hotratrarina? Inona ny zavatra mahafinaritra anao? Ataovy izay mahafinaritra anao, izay mampivelatra anao amin’ny maha vehivavy anao atao laharam-pahamehana.

Tsy mijanona tsy manao na inona na inona

Fahavalon’ny olona vao nisedra ratram-po ny fidanaham-poana. Aza mijanona tsy manao na inona na inona fa mitadiava zavatra atao. Anisan’ny zavatra tokoa atao koa ny manangana tetikasa. Mety tetikasa ho an’ny tenanao manokana izany, mety tetikasa mahakasika ny asa koa. Ny tena zava-dehibe dia ilay tetikasa hameno ny fotoananao ka tsy ahatonga anao hifantoka amin’ilay olon-tianao taloha intsony. Tombony lehibe ny fahafaham-po sy hafaliana anaty ho tsapanao rehefa tontosa soamantsara ilay tetikasa.

 

Mandefa hafatra amin’ny tena

Tsy maintsy hisy fotoana ianao te mbola hiresaka aminy. Rehefa amin’ilay fotoana mahatery anao te hanoratra hafatra ho azy dia soraty ihany ilay tianao tenenina aminy fa aza alefa aminy kosa fa aminao ihany izany alefa. Aza avy hatrany dia vakiana akory fa miandrasana 10 minitra eo izay vao mijery ilay hafatra.  Ho hitanao eo fa tsy dia nilaina loatra akory ny nilaza taminy ilay tianao nambara. Ho tapaka tanteraka ny fifandraisanao aminy amin’izay fotoana izay.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo