Jejoo

Dans la même rubrique

Voanjo hatao laoka sy desera

17/06/2019

Sakafo mitondra hafanana rehefa ririnina ny voanjo no sady tena mety ho an’ny Reny mitoe-jaza sy ny ankizy . Handeha hijery sakafo mora karakaraina miaraka aminy mba hahafahana mihinana sakafo miovaova.

 Lire la suite...

Krepy tsy misy atody sy ronono

13/06/2019

Azo atao tsara ny manamboatra krepy tsy misy atody sy ronono, indrindra ho an’ireo izay tsy mahazaka ireo akora roa ireo.

 Lire la suite...

Glace aux fruits secs

07/06/2019

Akora ilaina · Tamenak’atody 4 · Tapotsin’atody 4 · Crème liquide 40sl · Mascarpone 100g · Siramamy misy hanitra lavanila 80g · Voankazo confit 500g ( izay tiana) · Voanjo 100g · Amandes 150g · Raisins secs 50g

 Lire la suite...

Samosa hena sy fraomazy

06/06/2019

Akora ilaina ( 20 isa) · Toton-kena 700g · Menaka 1 sf · Sakamalao efa voakiky 1 sf · Sira araka izay tiana · Carry · Tongolo gasy efa voakiky ½ sk · Tongolo maitso 1 sf na solila · Fonona samosa 20 isa · Fraomazy mafy 250g efa notetehina efamira somary lehibe

 Lire la suite...

Akora 2 sy 3 monja, hahazoana sakafo mafilotra

03/06/2019

Rehefa hikarakara sakafo maimaika iny nefa tsy dia manam-bola dia zava-dehibe ny fahafantarana ireo nahandro mora karakaraina nefa tsy mila akora be dia be akory. Isan’izany ireto ho entina aminao ireto :

 Lire la suite...

Trondro amin’ny legioma

31/05/2019

Akora ilaina · Trondro 1.5 kg · Fenouil na celeri · Vomanga 700g · Navets 4 · Tongolo be 2 · Tongolo gasy 2 · Voasarimakirana nalona sira · Oliva maitso 100g · Menaka oliva 6 sk · Kotomila tahony 1 kelikely

 Lire la suite...

Nid de pate

24/05/2019

Tsy voatery hanina amin’izao foana ny paty fa afaka endasina ihany koa. Ity nahandro ity izao dia maneho izay fomba fandrosoana hafa ho an’ny paty izay; hatao fanokafam-bavony na ody am-bava-fo

 Lire la suite...

Sakafo

Vinegrety amin’ny tsiro samihafa

13/05/2019

Saosy tsy azo hiodivirana amin’ny fampiasàna azy ny vinegrety. Ahoana no hanovàna ny tsirony araka ny sakafo izay hohanina aminy. Ny fanamboarana ny vinaingitra, ny sira sy ny dipoavatra ary ny menaka mantsy no fototra. Ampiana “moutarde” kely izany dia efa mampiavaka azy.

 

 

·         Hampiova ny tsiron’ny vinegrety dia mitetika “cornichon” atao madinika kely.

·         Mampiasa “capres” ihany koa ka tsy asiana sira intsony ny vinegrety

·         Rehefa vita ny vinegrety dia mampangotraka atody miaraka amin’ny akorany. Alaina ilay tamenak’atody ary potserina ao anatin’ilay vinegrety ao

·         Ampiarahina amin’ny tongolo gasy efa voapotsitra ihany koa izy na lomana ao anatiny mihitsy ny tongolo

·         Ampiarahina amin’ny tantely koa ny vinegrety mba ahazoana ilay tsiro mamy sy masira mifangaro iny. Indrindra raha nampiasa tamenak’atody ianao no tena mivoaka ny tsirony.

·         Tsy izoviana amintsika ihany koa ny fampiasàna ireo ravina maitso amin’ny salady. Ny tongolo maitso, kotomila, basilic, dità, origan sy ireo maro hafa.

Vinegrety tsy misy vinaingitra sy menaka

·         Azo atao tsara ny mikararaka vinegrety tsy misy vinaingitra sy menaka. Soloina amin’ny divay na ranom-boasarimakirana ny vinaingitra.

·         “Yaourt” indray kosa no ampiasaina eo amin’ny toeran’ny menaka na ireny “crème allegée” ireny.

 

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo