Jejoo

Dans la même rubrique

Voanjo hatao laoka sy desera

17/06/2019

Sakafo mitondra hafanana rehefa ririnina ny voanjo no sady tena mety ho an’ny Reny mitoe-jaza sy ny ankizy . Handeha hijery sakafo mora karakaraina miaraka aminy mba hahafahana mihinana sakafo miovaova.

 Lire la suite...

Krepy tsy misy atody sy ronono

13/06/2019

Azo atao tsara ny manamboatra krepy tsy misy atody sy ronono, indrindra ho an’ireo izay tsy mahazaka ireo akora roa ireo.

 Lire la suite...

Glace aux fruits secs

07/06/2019

Akora ilaina · Tamenak’atody 4 · Tapotsin’atody 4 · Crème liquide 40sl · Mascarpone 100g · Siramamy misy hanitra lavanila 80g · Voankazo confit 500g ( izay tiana) · Voanjo 100g · Amandes 150g · Raisins secs 50g

 Lire la suite...

Samosa hena sy fraomazy

06/06/2019

Akora ilaina ( 20 isa) · Toton-kena 700g · Menaka 1 sf · Sakamalao efa voakiky 1 sf · Sira araka izay tiana · Carry · Tongolo gasy efa voakiky ½ sk · Tongolo maitso 1 sf na solila · Fonona samosa 20 isa · Fraomazy mafy 250g efa notetehina efamira somary lehibe

 Lire la suite...

Akora 2 sy 3 monja, hahazoana sakafo mafilotra

03/06/2019

Rehefa hikarakara sakafo maimaika iny nefa tsy dia manam-bola dia zava-dehibe ny fahafantarana ireo nahandro mora karakaraina nefa tsy mila akora be dia be akory. Isan’izany ireto ho entina aminao ireto :

 Lire la suite...

Trondro amin’ny legioma

31/05/2019

Akora ilaina · Trondro 1.5 kg · Fenouil na celeri · Vomanga 700g · Navets 4 · Tongolo be 2 · Tongolo gasy 2 · Voasarimakirana nalona sira · Oliva maitso 100g · Menaka oliva 6 sk · Kotomila tahony 1 kelikely

 Lire la suite...

Nid de pate

24/05/2019

Tsy voatery hanina amin’izao foana ny paty fa afaka endasina ihany koa. Ity nahandro ity izao dia maneho izay fomba fandrosoana hafa ho an’ny paty izay; hatao fanokafam-bavony na ody am-bava-fo

 Lire la suite...

Sakafo

“Bouchons réunionnais”

09/05/2019

Akora ilaina · “Pate van tan” natao tao an-trano na novidiana · Toton-kena 500g · « Fécule de manioc » na vovo-mangahazo 1 sk · Raon 1/3 vera · Tongolo maitso tahony 4 · Saosy soja 3 sf · Sira sy dipoavatra · Atody 1

 

 

 

Fikarakarana azy

1.      Tetehina manify ny tongolo maitso

2.      Afangaro miaraka amin’ilay “fécule” sy ny rano

3.      Alefa ao anaty lovia jobo iray ny toton-kena dia atambatra miaraka aminy ao ny tongolo efa voatetika

4.      Arotsaka miaraka aminy koa ny saosy soja, ny sira sy ny dipoavatra ary ilay “fécule” nasiana rano teo.

5.      Zaraina efatra ilay paty

6.      Asiana lafarinina ny latabatra iasana dia kosehina ireo paty efa voazara

7.      Tokony hirefy 10 sm ny halavany ary eo amin’ny 1 mm eo ny hateviny

8.      Esorina ny sisiny mba ahitsy tsara izany paty izany

9.      Tetehina ho efamira amin’izay ka tokony ho 10 sm eon a 8 sm ny refiny

10.  Rehefa vita izay dia saromana lamba mando mandritra ny fotoana hikarakarana ny sesika

11.  Kapohina ilay atody hanambarana ny paty, rehefa any amin’ny farany

12.  Alaina tsirairay izay paty vita

13.  atao maka endrika boribory ny ratsan-tanana ka apetraka ao anatin’ilay goaka iny ny paty

14.  Asiana sesika ao anatiny, tandremana mba tsy hiporitsaka avy aty ambany.

15.  Tsy idiana fa avy hatrany dia apetraka eo ambony lovia ary ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana mandritra ny ora roa eo

16.  Rehefa mahazo ilay endriny iny izy ka tsy mihetsika amin’iny dia efa vonona ho endasina izy izay

17.  Ny tena tsara indrindra, rehefa mahandro azy dia mampiasa “cuiseur vapeur”. Misy azy ireny any anatin’ireny « rice cooker » ireny. Asiana rano ao ambany ary apetraka eo amboniny kosa ny « bouchons ». Azo atao koa nefa ny mahandro azy ao anaty rano mangotraka raha toa ka tsy manana io fandrahoana amin’ny evo-drano io. 

18.  Tsara kokoa nefa ny tsirony rehefa andrahoina amin’ny evo-drano izy.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo