Jejoo

Dans la même rubrique

Miala kely amin’ny mahazatra …

16/07/2019

Isan’ny antoka iray hahazoan’ny vehivavy fahafinaretana ny fomba fitsofoky ny taovam-pananahan’ny lehilahy any anatiny.

 Lire la suite...

Ambony seza, latabatra… fahafinaretana tsara kokoa

09/07/2019

Ankoatra ny fandriana dia misy toeran-kafa azo hanatanterahana ny firaisana ara-nofo. Sady mba miova amin’ny mahazatra izany no mahafantatra paozy hafa, mampianoka fahafinaretana hafa ihany koa.

 Lire la suite...

Tandremo ny miray mandritra ny fadimbolana!

04/07/2019

Miakatra kokoa ny tahan’ny tsiry mpanentana rehefa akaiky ny fadimbolana na mandritra ny fadim-bolana mihitsy. Raha hiray ara-nofo amin’io fotoana io anefa, inona no mety hitranga ?

 Lire la suite...

Miray ara-nofo miadana, manome fahafinaretana kokoa !

02/07/2019

Misy karazany maro ny fomba ifampizaràna mamy eo am-pandriana. Arakaraky ny aingam-panahin’ny mpifankatia ihany koa.

 Lire la suite...

Fahafinaretana azo ao anatin’ny 1 minitra !

08/06/2019

Mila taitairina foana ny fiainana ara-pananahana mba tsy hahamonamonaina ny mpivady, rehefa eny ambony fandriana. Tsy mila fanomanana be tahaka ny inona, fa ireto zavatra ireto dia mety hahazoana fahafinaretana, anatin’ny 1 minitra monja.

 Lire la suite...

Zava-pisotro natoraly mampiakatra filàna

04/06/2019

Tsy tokony ho sakana tsy hanaovana firaisana ara-nofo ny hatsiaka ateraky ny ririnina. Ireto telo omena anao ireto, izay tsy voatery ho hisy alikaola, dia azonareo roa kely tanterahana any an-trano, hampiakatra ny filàna.

 Lire la suite...

Mitondra voka-tsoa ho an’ny zaza am-bohoka sy ny mpivady ny firaisana ara-nofo

28/05/2019

Tsy tokony ho sakana tsy hanaovan’ny mpivady firaisana ara-nofo mihitsy ny vohoka, eny fa na efa miha-mibontsina aza ny kibo. Ireto avy ny tombon-tsoan’io firaisana ara-nofo io, indrindra ho an’ny vehivavy bevohoka.

 Lire la suite...

Sexo

Ireo fofona natoralin’ny fivaviana

07/05/2019

“Andro vitsivitsy izay, rehefa miray ara-nofo izahay mivady, dia maheno fofona mahery izany aho. Inona no mahatonga an’izany?” Nomena 28 taona

 

 

 

Sao aretina…

Ny mila jerena voalohany aloha dia ny hoe : sao misy aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo? Raha toa ka  tsy ara-dalàna ilay tsiranoka amin’ny fivaviana, izany hoe: misy fofona, miloko mavomavo na manopy maitsomaitso, mangidihidy sns dia aleo manatona mpitsabo. Manjavona ho azy ny fofona rehefa voatsabo tsara ny aretina.

Fofona tsirinaina…

Raha tsy amin’ilay voatanisa etsy ambony no mahazo anao dia mety ho noho ny fofona tsirinaina tafiditra anatin’ny fivaviana. Misy singa atao hoe “spermine” mantsy ny tsirinaina ka vao mifandray amin’ny singa atao hoe “gardnerella” izay ao anatin’ny fivavian’ny vehivavy dia mamokatra fofona mahery. Toe-javatra ara-dalàna anefa izany, ary tokony ho afaka ho azy.

Aretin-tsaina “dysmorphobie”

Misy karazana vehivavy ihany koa anefa mahatsapa fa mamofona ny fivaviany, eny fa na tsy miboridana aza. Io ilay antsoina hoe “dysmorphobie”. Ny saina no tena voa raha ny tena marina, ka mahatonga ilay vehivavy hihevitra fa maimbo ny fivaviany kanefa tsy izany akory, na mankany amin’ny mpitsabo aza. Amin’izay fotoana izay dia aleo manatona “psychiatre” hamahana ny olana satria mety hiteraka sakana eo amin’ny fiainana ara-pananahana izany.

Tiasoa

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo