Jejoo

Dans la même rubrique

Fomba 6 tsotra, mampihena haingana

15/07/2019

Rehefa tsy nandaitra mihitsy ny regime narahina mba hampihenan-tena dia andramo indray ireto manaraka ireto :

 Lire la suite...

Jus akondro sy tantely, mampihena kibo

08/07/2019

Ity misy zava-pisotro mandoro tavy, indrindra ny tavy eo amin’ny manodidina ny kibo.

 Lire la suite...

Jus mahagaga, 4 andro dia mihena 1 kg !

01/07/2019

Zava-pisotro iray mampihena mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra no entina aminao anio. Mifototra amin’ny sakamalaho sy kaokaombra izy ity. Ireo tsara ho fantatra

 Lire la suite...

Arakaraky ny faritra itoeran’ny tavy ny fomba hampihenana azy

24/06/2019

Araka ny fanadihadiana iray dia azo hitarafana sy hamantarana ny antony mahatonga ny olona iray hatavy ny toerana hiandronan’ny tavy eo aminy. Miankina amin’izay koa ny fomba hanalana ireo tavy.

 Lire la suite...

Paipaika 12 mampihena, tsy mila « régime »

17/06/2019

Tsy te-hanao régime sady tsy te-hanao spaoro kanefa te-hihena. Azo hatao tokoa. Tsy maintsy misy kosa ny fitsipika sy fepetra arahina amin’ny andavan’andro :

 Lire la suite...

Very 1 kilao ao anaty torimaso : ny atao

03/06/2019

Amin’ny ankapobeny dia tokony ho very 400 grama ka hatramin’ny 1 kilao ny vatana mandritra ny alina. Araka izany, mety hanampy anao hihena haingana kokoa ny matory tsara. Misy ihany anefa ny fepetra hahatongavana amin’izany. Ireto avy izy ireo :

 Lire la suite...

Jus baranjely 3 vera isan’androdia mihena

23/05/2019

Mety efa renao ihany fa manafisa-kibo ny baranjely. Misy ihany ny tsara ho fantatra ny amin’ny fomba fampiasana azy. Tsy ny kibo ihany no ho fisaka fa ny vatana manontolo mihitsy no mihena sady hihasalama ny taova ao anaty raha voahaja tsara izany.

 Lire la suite...

Minceur

Paipaika hafakely 4 mampihena

06/05/2019

Raha efa nataonao ny fomba mahazatra rehetra hampihenan-tena kanefa tsy nandaitra taminao izy dia andramo indray ireto manaraka ireto. Hafakely tokoa kanefa voaporofon'ireo siantifika fa mandaitra izy ireo :

 

 



Mandro amin'ny rano mangatsiaka mahavery 100 kcal / andro



Amin'izao vanim-potoana efa mihamangatsiaka izao mihitsy izy ity no tena mandaitra. Faranana amin'ny rano mangatsiaka ny fandroana. Atao mandritra ny 2 minitra tsy an-kiato. Mety manaikitra hoditra tokoa kanefa mandany kaloria izany. Lasa mandany angovo kokoa ny vatana mitazona ny mari-panany ho 37°C. Sady hihamafy koa ny hoditra no afaka ny “cellulite”.



Mihinana sakafo mamanala mahavery 60 kcal / andro



Tsy maintsy mandany hery koa ny vatana mba hitazonany ny maripanany rehefa ianao mihinana sakafo vao nivoaka ny vata fampangatsiahana.



Mampiasa fitaovam-pihinanana  manga



Manapaka ny fahazotoan-komana ny loko manga izay voasokajy ho loko mangatsiaka. Araka ny fikarohana natao momba ny fomba atao hampanintona sy hampazoto homana ny sakafo aroso no nampivoitra izany. Tsikaritra tokoa fa tsy dia ahitana loko manga ny sakafo amidy eny amin'ny tsena lehibe. Mifanohitra amin'izany kosa, fantaro fa mampazoto homana ny loko mafana ary voalohany amin'izany ny loko mena. Ataovy manga noho izany ny lokon'ny fitaovam-pihinanana raha te-hihena.



Tsy milalao "jeux vidéos"



Araka ny fikarohana nataon'ny "nutritionnistes" avy ao amin’ny oniversite Göteborg, ao Suède, dia mora matavy kokoa ny vehivavy tia milalao jeux videos. 4 kilao no mety azony raha mihoatra ireo vehivavy tsy manao izany. Ny lehilahy kosa anefa zara raha mitombo satria 500g eo raha betsaka no azon'izy ireo.

 

 

Miss

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo