Jejoo

Dans la même rubrique

Fahazarana 6 mampatavy

10/02/2020

Avy amin’ny fahazaran-dratsy ara-tsakafo no mahatonga ny tavy hitoetra. Ndeha ho fantarina inona avy izy ireo mba hisorohana azy.

 Lire la suite...

Mandoro tavy amin’ny mananasy sy citron

03/02/2020

Raha tiana hihena haingana ny vatana dia anisan’ny taova diovina voalohany indrindra ny aty.

 Lire la suite...

Paoma sy poara atao smoothie, mampihena

27/01/2020

Akora ilaina : · Paoma 3 · Poara 2 · Kiwis 2 · Ravina epinara 3 na 4 tanana · Voasarimakirana 1/2 · Sakamalaho mitovy halava amin’ny ankihibe

 Lire la suite...

Mihena haingana loatra, tena manimba !

20/01/2020

Samy te-hahita vokatra haingana avokoa rehefa hampihena tena. Ary misy mihitsy no manezaka mafy mba hihena be ao anatin’ny fotoana fohy.

 Lire la suite...

Jus paoma sy persily, mamotika tavy!

13/01/2020

Ny paoma no voankazo voalohany manampy amin’ny fampihenan-tena. Fotoany rahateo izao ka tsara araraotina izany. Ity misy zava-pisotro iray mifototra amin’ity voankazo ity, hanampy anao hihena :

 Lire la suite...

Nahazo lanja tao aorian’ny fety : araho ireto

06/01/2020

Taorian’ireny fety nisesisesy ireny dia mety nitombo lanja ianao. Ahoana àry ny atao mba hihena haingana?

 Lire la suite...

Spiruline, mampihena sy mahasalama

30/12/2019

Taorian’ireo fihinanana sakafo matsiro sy matavy nifanesy dia tsara diovina ny ao anaty amin’izay miasa tsara ny aty sy ny voa, no mora mihintsana koa ireo tavy sy poizina niandrona

 Lire la suite...

Minceur

Mampihena tena amin’ny yaourt Sakafo karazany 4 azo atao

25/04/2019

Manahiran-tsaina tokoa indraindray ny mitady izay sakafo hohanina kanefa tsy mampatavy. Tsy mety koa ny mampijaly tena.

 

 

 Nahita fomba hanamboarana ny sakafo hatsiro kanefa tsy matavy loatra ny matihanina dia ny fampidirana ny yaourt tsy mamy ao anatin’ny sakafo atao solon’ny fraomazy na ny « crème » mampatsiro azy. Ireto misy karazan-tsakafo efatra azo hohanina ao anaty régime fampihenan-tena. Samy ampiasana “yaourt” tsy mamy avokoa izy ireo ka manasa anao hanandrana azy ireo :

Lasopy kaokaombra amin’ny yaourt

Esorina ny voan’ny kaokaombra voavaofy dia totoina miaraka amin’ny tongolo gasy, tongolo maitso, ranom-boasarimakirana ary ronono kely amin’ny « mixeur ». Afangaro aminy avy eo ny yaourt tsy mamy sady tsy matavy. Asiana sira kely dia kely. Hohanina mangatsiatsiaka.

Sandwich amin’ny “crudités” saosy yaourt

Raha te-hihena dia tsara raha ianao ihany no mikarakara ny sakafonao. Ity misy karazana saosy ampiarahana ny “crudités”. Yaourt 1 no afangaro amin’ny persily sy tongolo maitso voatetika. Tondrahana ranom-boasarimakirana. Ahosotra io saosy io ny mofo feno na « pain complet » dia asiana didina trondro na jambon ao anatiny. Asiana ravina salady sy didina voatabia koa. Raha mahavita dia mety koa ny karaoty voakiky. Io mofo io no atao sakafo atoandro ohatra. Hohanina miadana, tsakoina tsara mba hahatsiaro ho voky.

Tarte amin’ny asperge sy yaourt

Na dia manao régime aza dia tsy fady akory ny mihinana lafarina tsindraindray. Ity « tarte » ity izao azon’ny olona mampihena tena hohanina na dia tsy tokony hihinana azy matetika be kosa aza. Andrahoina amin’ny rano kely ny asperges efa vaodio. Alahatra eo ambony “pâte brisée ». Afangaro ny yaourt tsy mamy 2, ny atody 3 ary ny fraomazy 80grama dia tondrahana. Tondrahana divay fotsy 5 santilitatra. Alefa eo ambonin’ny asperge io fangaro io. Ampidirina ao anaty lafaoro 180° mandritra ny 35 minitra. Hanina matimaty miaraka amin’ny salady. Azo ovaina hafa ny legioma.

Ny milk shake

Manala hetaheta kanefa mahavoky ny milk shake. Totoina miaraka amin’ny voankazo izay tiana ny yaourt tsy mamy iray dia tapohina ronono kely sy ranom-boasarimakirana ary ampiana vaingana lagilasy vitsivitsy. Azo atao sakafo maraina tsara izy ity.

Lilou

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo