Jejoo

Dans la même rubrique

Ireo fianarana arahina raha te ho “chefs cuisiniers”

08/04/2019

Sady asa no zavatra ankafizina ny asan’ny “chefs cuisiniers”. Azo lazaina ho ara mihitsy ity asa fikarakarana sakafo ity.

 Lire la suite...

Hotesse de l’air… asa nofinofisin’ny ankizivavikely

01/04/2019

Nofinofin’ny ankizivavikely rehetra izany ho lasa mpanamory ara-barotra izany. Asa mafy kanefa tena ahitana tombontsoa toy ny fitetezana toerana samihafa izany. Ny fahaizana tenim-pirenea no tena ilaina voalohany amin’izany. Toetra tokony hanana kosa ny fahaizana misariaka sy ny hamafisan-tsaina.

 Lire la suite...

Mionja, Chic by Fabiola : « Mpivarotra yaourt no niantombohako…»

18/02/2019

Raha vao miteny hoe, Chic By Fabiola dia rtoa Mionja avy hatrany no ao an-tsain’ny maro. Tsy tongatonga tamin’izany toerana izany anefa izy, raha niresadresaka taminay fa nandalo sedra maro ary niady mafy tamin’ny fiainana. Nambarany fa ny fikirizana sy risi-po tsy hanaiky ho resin’ny fiainana ary indrindra ny fitahian’Andriamanitra no isan’ireo lakile nahatafita azy. Zarainy amin’ireo mpamaky Jejoo anio izany…

 Lire la suite...

Ny fitafiana fitondra miasa idealy

10/12/2018

Miantoka ny fifantohana amin’ny asa ny akanjo hanaovana. Na izany aza nefa dia ilaina ihany koa raha manaja ny asa sy ny mpiara-miasa ny akanjo isalorana fa tsy mianoka fotsiny amin’izay mety amin’ny tena.

 Lire la suite...

Rakotomena Juliette : asa fanasoavana ny fampianarana

13/07/2018

Vehivavy mpanabe sady mpitantana sekoly no vahiny entin’ny Jejoo amin’ny mpamaky amin’izao toe-draharaha mampafana ny resaka fanabeazana eto amin’ny firenena izao.

 Lire la suite...

Mbolatiana Ranaivo : Vavitokana mpilalao “voiture radiocommandée” eto Madagasikara

20/06/2018

I Mbolatiana Ranaivo, andriambavilanitra voalohany eto Madagasikara, amin’ny filalaovana an’ireny « voiture radiocommandée » na voiture RC ireny indray, no mivahiny eto amin’ny Jejoo androany.

 Lire la suite...

Hanta RAMAKAVELO : Mankalaza jobily, hizara ireo soa azony hatramin’izay

02/05/2018

Rtoa Hanta RAMAKAVELO no entina aminao mpamaky gazety Jejoo anio. Renim-pianakaviana izy, mpampianatra sy mpampiofana momba ny fahaiza-mitarika sy ny fampivoarana ny maha-olona eto amintsika ihany koa.

 Lire la suite...

Vie pro

“Psychologue” : asa mifotora amin’ny fahaizana mihaino ny hafa

15/04/2019

Sekoly ambony iray ihany no mbola mamoaka « psychologues » eto Madagasikara.

 

 

 

Efa manomboka mahavantana ny Malagasy anefa ny manatona azy ireny na dia tsy tena mbola tafiditra anatin’ny kolontsaina toy ny an’ireo vahiny aza izany. Mifototra amin’ny fahaizana mihaino ny asan’ny “psychologues. Eo ihany koa ny fitiavana manampy ny hafa.

 

Nianatra momba ny saina

 

 Olona nianatra manokana momba ny saina sy ny fihetsiky ny olombelona amin’ny ankapobeny (comportement)  ny « psychologues ». Mazana dia ny « accompagnement psychologique » sy ny « psychothérapie » no tena sahanan’izy ireny. Na izany aza anefa, hita eo amin’ny sehatra rehetra, izay misy eo anivon’ny fiaraha-monina ny « psychologues ». Manampy ireo olona misedra olana hiatrika izany sy hiaina ara-dalàna eo anivon’ny fiaraha-monina ihany koa izy ireo.

 

Mianatra mandritra ny 5 taona farafahakeliny

 

Dimy  taona eo ho eo no faharetan’ny fianarana raha te-hiditra eo amin’ity asa ity. Manana diplaoma “Master 2” amin’ny lalam-piofanana psykôlôjia mantsy izay vao afaka manao izany. Raha ny eto amintsika manokana dia mila miditra anatin’ny “Ordre National des Psychologues de Madagascar” ireo “psychologues” rehetra nahavita fianarana mba hahazoana ny karatra hahafahana miasa. Hatreto dia mbola ny sekoly ambony katolika UCM ihany no ahitana ny lalam-piofanana psykôlôjia eto Madagasikara. Tsy vitsy amin’ireo “psychologues” malagasy kosa anefa no nivoaka tamin’ireo sekoly ambony lehibe tany ivelany.

 

Mahay mihaino ny hafa sy mametra ny fihetseham-po

 

Ny fahaizana mihaino ny hafa, io no toetra voalohany tokony hananan’ny “psychologues”. Io mantsy no tena ifotoran’ny asany. Ankoatra izay dia tokony hahay hametra ny fihetseham-pony manoloany ny fiainany manokana sy ny asany ihany koa ny “psychologues”.

 

Ny olana sedraina

 

Olana mbola sedrain’ireo “psychologues” eto amintsika ny fisian’ireo izay mitonon-tena ho mpisehatra eo amin’ity asa ity kanefa sady tsy nandia fianarana momba izany. Manimba ny asan’ireo tena “psychologues” izy ireny ary manimba ny fiainan’ireo voafitany ihany koa.

Isaorana ny Psychologue clinicienne Holitiana Rajaonarivony Rabarison nanome ny fanazavana mikasika ny loha-hevitra

 

Meva

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo