Jejoo

Dans la même rubrique

SALOHY Manofy ireo vady aman-janany foana

19/07/2019

Enim-bolana katroka anio zoma 19 Jolay ny nisian’ilay vatobe nianjera teny Ampahamarinana nahafatesana olona maro.

 Lire la suite...

Julio, ankizy sahirana ho hampian’i Carolus

18/07/2019

Ankizilahikely mipetraka any Antsirabe ary kilasy faha-10 i Julio. Tao anatin’ny tambajotra Facebook, rehefa nisy nandefa ny sariny manao “tee-shirt” nasiany sora-tanana hoe “Carolicy”,

 Lire la suite...

Ireo « jus naturel » mahasolo fanafody!

17/07/2019

Fotoana fahavokaran’ny voankazo eto amintsika amin’izao ary ahitana karazany maro mihitsy eny an-tsena eny.

 Lire la suite...

LUDGER Mety ho lasa barea kely …araho ny tantarany

16/07/2019

Zazalahy kely mpatory an-dalana eto an-drenivohitra i Ludger kely na i Dzé sy ny Reniny. Tsy manana trano izy mianaka ireo fa matory eny rehetra eny no sady tsy manana vilany fandrahoana sakafo ihany koa fa mahandro amin’ny kapoaka.

 Lire la suite...

Ireo vehivavy, tanjaky ny BAREA

15/07/2019

Ankavitsiana no nahafantatra ireo mpilalaon’ny Barea nialoha ny nandraisan’izy ireo anjara tamin’ny Lalao CAN 2019.

 Lire la suite...

Hiara-hirona hitsena ny BAREA isika anio !

13/07/2019

Nahatoky sy nino hatramin’ny farany na ireo mpilalao na ny Malagasy fa handrombaka ny amboara amin’ny fiadiana ny CAN 2019 ny Barea. Nifarana teo amin’ny ampahefa-dalana nefa ny dian’izy ireo tao anatin’ny fifaninanana, tamin’ny nandresen’ny Tonizia antsika tamin’ny isa 3 no 0 ka ireto farany no tafiakatra any amin’ny dingana manasa-dalana.

 Lire la suite...

Suzanna : Naolana sy novonoin’ny vadiny saro-piaro

12/07/2019

Niakatra fitsarana tamin’ity herinandro ity tao Alemana ny raim-pianakaviana iray izay voampanga ho nampijaly, nanolana ary namono am-badiny noho ny resaka hasarotam-piaro sy fanaovana tsindry hazolena.

 Lire la suite...

Love

Ny atao raha mampirafy ny lehilahy

15/04/2019

Mety ho vokatry ny toetran’ny vehivavy no mahatonga ny lehilahy hampirafy. Raha tsy ampy mantsy ny fitiavana izay omen’ny vehivavy ao an-tokantrano dia alaim-panahy hitady fitiavana any ivelany ny lehilahy.

 

 

 

 Indraindray ihany koa dia toetra ao anatin’ny lehilahy mihitsy ny fampirafesana. Ny vahaolana voalohany tokony eritreretin’ny vehivavy dia ny fandinihan-tena. Eo ihany koa ny fitondrana am-bavaka izany olana izany.

 

Avy amin’ny toetran’ny vehivavy

Antony roa no mahatonga ny lehilahy hampirafy. Indraindray  dia mety avy amin’ny toetran’ny vehivavy izany. Ny fitiavana anatin’ny tokontrano mantsy dia azo ampitahaina amin’ny sakafo. Ny tsy fahampian’io fitiavana io anatin’ny tokantrano dia antony iray mety handrisika ny lehilahy hitady izany any ivelany. Eo ihany koa ny fifampitondran’ny mpivady ao an-tokantrano toy ny fisian’ny ady lava sy ny fahakizitinana izay tsy mahatamana ny lehilahy ao an-tokantrano mihitsy ka mahatonga azy hampirafy. Mazana dia mahavantana ny vehivavy ny manisy lanja kokoa ny zavatra hitan’ny olona ety ivelany. Hita taratra izany ohatra amin’ny fampirimana trano satria raha jerena dia ny mandamina ny ao amin’ny trano fandraisam-bahiny no mahamaika ny vehivavy kokoa noho ny fampirimana ny fandriana. Toetra isan’ny tsy zakan’ny lehilahy anefa izay fanomezana fahafam-po ny hafa mialoha ny ao an-tokantrano  izay.

 

Aretina mitaiza

 Indraindray kosa anefa dia mety efa toetran’ny lehilahy mihitsy ny fampirafesana. Azo heverina ho aretina mihitsy izany. Mety hiseho ihany koa ny hoe voagejan’ny devoly ilay lehilahy ka izay no manosika azy hijangajanga. Ireo antony roa voalaza farany ireo dia samy tsy miankina amin’ny toetran’ny vehivavy.

 

Mandinin-tena, mivavaka

Ny tokony ataon’ny vehivavy voalohany indrindra raha mampirafy ny vadiny dia mandinin-tena. Olona roa mifameno ny mpivady ka ny tena vahaolana dia ny fahaizana manome fitiavana ilay vady. Raha toa kosa ka tsy miankina amin’ny toetran’ny vehivavy ny fampirafesana fa vokatry ny ditran’ny lehilahy mihitsy dia ny mitondra ny olana eo anatrehan’Andriamanitra no vahaolana.

 

Mbola hitohy anatin’ny gazety Jejoo mivoaka rahampitso ny torohevitra.

 

Isaorana ny Pasteur Dyna Trimozafy nanome ny fanazavana mikasika ny lohahevitra.

 

Meva  

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo