Jejoo

Dans la même rubrique

MIVADIN-TONGOTRA Zaza iray amin’ny 500 no voa eto Madagasikara

21/03/2019

Zaza iray amin’ny 500 isa vao teraka no fantatra fa mivadi-tongotra eto amintsika. Hatreto dia mbola tsy fantatra ny 80 %-n’ny mety ho mahatonga izany raha vokatry ny aretina mandritra ny fotoana hitondran’ny Renim-pianakaviana iray vohoka kosa ny 20 % ambiny.

 Lire la suite...

Rano fisotro madio Mila paompin-drano 15.000 isa ny Faritra Atsimo Andrefana

06/03/2019

Na ny eto an-drenivohitra, na ny any amin’ny faritra lavitra indrindra, dia mbola maro ireo mponina tsy mahazo rano fisotro madio eto amintsika. Amin’ny ankapobeny dia ny antsasaky ny Malagasy ihany no misitraka izany rano fisotro madio izany.

 Lire la suite...

Mihinana « Yaourt » : Mampihena ny taha mety hahavoa ny AVC

14/01/2019

Fikarohana iray notanterahina tao amin’ny « medical American Journal of Hypertension » no nanaporofo fa mahasalama ny fo ny fihinanana “yaourt”. Toy izao ny fanazavana.

 Lire la suite...

Zaza voan’ny diabeta : Inona avy ireo fiarovana atao aminy?

10/12/2018

Mety ho voan’ny diabeta avokoa na ny olon-dehibe, na ankizy, eny fan a hatramin’ny zazakely aza. Ho an’iretsy farany, inona ny fiarovana tokony hatao raha sendran’izay diabeta izay izy ireo ?

 Lire la suite...

Very tadim-poitra, mahavery tadidy zaza tokoa ve ?

03/09/2018

Finoantsika malagasy ny hoe tsy maintsy alevina na omena ny omby ny tadim-poitran-jaza raha tsy tiana ho very tadidy ny zaza ateraka. Mitombina marina ve izany?

 Lire la suite...

« Pillule du lendemain » : Azo antoka tokoa ve ?

23/08/2018

Karazana fanafody fihinanana, natao hisoroka ny fihaonan’ny tsirinaina lahy sy ny tsirinaina vavy, ao anatin’ny 72 ora, ny « pillule du lendemain ».

 Lire la suite...

“Paracetamol” : Mankarary aty raha be loatra !

06/08/2018

Karazana fanafody natao hampitony sy hanala fanaintainana ny « paracetamol ». Afaka mihinana azy avokoa, na ny ankizikely na ny olon-dehibe, saingy mila mijery dokotera foana ny amin’ny fatra tokony ho hanina, satria raha be loatra ny fihinanana an’io fanafody io, dia mety hitarika tsy fahasalamana.

 Lire la suite...

Fahasalamana

“Maladie de Parkinson” : Azo tsaboina ve ?

15/04/2019

Nankalazaina ny 11 aprily teo ny andro iraisam-pirenena ho an’ny aretina « Parkinson ».

 Eto Madagasikara dia mitotaly 11,8% ireo marary, tao anatin’ny fikarohana natao nandritra ny efa-bolana, ho an’ireo nandalo tao amin’ny hôpitaly nizaha-tena, tamin’ny 2018 dia  200 isa ny marary tonga sy raisina eny amin’ny sampan-draharahan’ny “neurologie” eny Befelatanana hatramin’izao. Indro ny fanazavan’ny mpitsabo momba io aretina io.

Fahalanian’ny “dopamine” tsikelikely

Aretin’ny ati-doha miseho rehefa mihalany tsikelikely ny sela mpamokatra « dopamine » ny « maladie de parkinson ».  Io « dopamine » io anefa no hahafahana mihetsika ara-dalàna. Hatreto dia mbola tsy fantatra mazava ny antony mahatonga io singa io ho lany tsikelikely.

Mangovitra, mihenjana, be kizintina…

Rehefa tratra ity aretina ity ny olona iray dia lasa tsy mihetsika ara-dalàna ary ela be vao manao zavatra. Ankoatra izay dia lasa mangovitra ihany koa ilay olona ka rehefa tsy manao na inona na inona  izy no tena miseho izany. Lasa henjakenjana ihany koa ny vatany.  Rehefa mandeha ohatra dia somary taritiny ny tongony na koa tsy tafavadika izy rehefa matory eo ambony fandriana. Ireo soritra ireo no antsoina hoe : “signe moteur”. Misy ihany koa ny “signe non-moteur” toy ny somary malahelo, mitohana, be kizintina, mora tezitra kokoa ilay marary ka tsy tokony ho gaga rehefa manao izay ilay olona tratry ny “maladie de parkinson”.

Olon-dehibe manomboka amin’ny 55 taona

Manomboka any faha-55 ka hatramin’ny 60 taona any, amin’ny ankapobeny, no miseho ny “maladie de Parkinson”. Misy ihany ny hoe : tanora no voa saingy vitsy kely sy mahalana izy ireo ary matetika misy aretina hafa miafina ao ambadikan’izany. Tsy voatery ihany koa hoe : voa ny olona iray rehefa mangovitra fa ny mpitsabo manam-pahaizana momba izany ihany no afaka mamaritra hoe : misy “maladie de parkison” ve sa tsia ilay olona iray.

Manaranaka ve ny “maladie de parkison”?

Tsy voatery hoe : hiantefa avy hatrany any amin’ny zanany na ny taranany ilay aretina. Na izany aza anefa, raha misy tranga io manaranaka io dia tena vitsy dia vitsy.

Misy fitsaboana àry ve?

Araka ny efa nolazaina tany aloha dia ny fahalanian’ny “dopamine” no mahatonga ny “maladie de parkinson”. Mifototra amin’ny famenoana sy fanomezana io singa io izany ny fanafodin’ny marary. Ho an’ilay tsy afaka mihetsika kosa indray dia asaina manao “kinesithérapie” ilay marary hahafahany manala ilay mienjana sy mihetsika iny araka ny tokony ho izy ary tsy mangovitra. Farany, mila fanohanana avy amin’ny fianakaviana sy ny mpikarakara azy ilay olona voan’ny “maladie de parkinson”. Ny antony dia satria ilay aretina mihitsy no tsy afaka hanaovany zavatra haingana fa tsy hoe : hakamoany na zavatra tahaka izany.

Misy fisorohana ve?

Manampy ny olona voan’ity aretina ity fa ihany koa miaro ireo olona tsy ho voany ny fanaovana spaoro sy ny fihinanana sakafo ara-pahasalamana.

Isaorana ny dokotera Rasaholiarison Nomena

Mpitsabo mikarakara ny “maladie de Parkison”

Neurologie – CHU Befelatanana

Nangonin’i Nelly-Bri

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo