Jejoo

Dans la même rubrique

Ny ahafantarana fa diso lalana ny Fitiavana…

11/11/2019

Anisan’ny olana mandrava ny fiarahan’olon-droa koa ny fiankinan-doha ara-pihetseham-po na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe : « dependance affective ».

 Lire la suite...

Mandainga izy sa tsia, teknika roa hamantarana izany

07/10/2019

Mandainga aminao ve izy sa tsia ? ny hany azo antoka dia tsy mbola nisy olona nanontaniana raha nandainga na tsia niaiky fa nandainga tokoa.

 Lire la suite...

Ireo dingana 5 arahina raha hiverina amin’ilay teo aloha

09/09/2019

Vao nisaraka ianareo saingy tsy te-hanary azy ianao satria mbola tia. Misalasala ianao satria na ny manodidina anareo aza efa tsy mandrisika anao amin’izany intsony koa .Inona ny fomba azo atao raha sendra izany?

 Lire la suite...

Mpifankatia miady : Antony 3 mahatsara azy

02/09/2019

Tsy misy mpifankatia na mpivady tsy miady izany. Mety ho ratsy fiafara anefa izany raha toa ka tsy hay ny mandravina azy. Fantaro koa anefa fa mety hanamafy ny fifamatoran’ny mpivady ny adiady. Diniho anie ireto tombony azo avy amin’ny adin’ny mpifankatia ireto e :

 Lire la suite...

Torohevitra 7 mampaharitra ny fiarahana

26/08/2019

Fanontaniana matetika hapetraky ny tanora ny hoe : ahoana no atao mba hampaharitra ny fitiavana sy ny fiarahana. Inona ny hadisoana tsy tokony hatao ? Atoronay anao :

 Lire la suite...

Mampirafy ahy ve izy ? ahoana ny ahafantarana

19/08/2019

Mampirafy ahy ve izy, fanontaniana iray izay maro mpanontany ary mety hanimba ny tokantrano koa na mitombina na tsia ny valiny. Midika mantsy fa efa misy ahiahy ao anatin’ny olona mametraka izany fanontaniana izany . Na izany aza, misy tokoa ny fambara hamantarana raha miaraka amin’olona hafa ny lehilahy na tsia :

 Lire la suite...

Tsiambaratelo hialana amin’ny hasarotam-piaro

12/08/2019

Mahasaropiaro anao fatratra ny vadinao na ny olon-tianao. Raha azonao natao dia niaraka taminy foana na aiza na aiza alehany.

 Lire la suite...

Love

Nisaraka, ny atao hitrakana indray

15/04/2019

Toy ny fahafatesana kely mafaitra sady mangidy ihany ny fisarahana amin’ny olon-tiana. Sarotra tokoa ny miarina amin’izany saingy azo atao kosa anefa fa mila ezaka anaty. Ny atao :

 

Marary 

Mankarary ny fo rehefa ny olona notiavina indrindra teto an-tany no manda tsy hitia intsony.  Tsy maintsy mitarika dona ao am-po sy ao an-tsaina izany.  Mahatonga fisafotofoana anaty satria mifamahofaho ao avokoa ny alahelo, ny hatezerana, ny tsy fahazoana izay mitranga, ny nenina, ny hasarotam-piaro, ny hakiviana eny hatramin’ny faniriana hitroatra aza.
Manaiky fa vita hatreo

Ny dingana voalohany atao raha sendra izany dia ny manaiky fa vita ny tantaram-pitiavanareo. Aorian’izay dia tokony havela hirotsaka ny ranomaso. Ilaina ny mamoaka ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny ranomaso mba hahafantaranao ny halalin’ny ratram-ponao. Tsy hanampy anao ny handa fa tsy marary iny fisarahana iny. Hanemotra fotsiny ny fotoana hivoahan’ny ratram-po ny miezaka manafina izany ao anatin’ny asa, ny fampihetseham-batana na ny fomba hafa izay tsy dia mahasoa toy ny zava-mahadomelina ohatra. Dingana tsy azo lalovana ny fanekena izany.
Mizara amin’ny olona mahatoky
Ho mora kokoa aminao ny hizara izany amin’ny hafa.
Olona mahatoky iray ihany dia ampy. Tsy tsara koa ny mizara izany amin’olona maro. Na dia tsy hitondra vahaolana ho anao akory aza ny olona hizaranao ny tsiambaratelonao dia hanamaivana ny alahelo ny famoahanao izany amin’ny alalan’ny teny. Ho tsapanao fa misy olona vonona ny hanohana anao. Mbola ho eo foana ny alahelo anefa fa mba tsy ilay karazany manempotra intsony fa efa mba nisinda tamin’ny am-pahany.
Aza mampitamberina ny lasa

Na dia toa mamy ery aza ireo fotoana niarahana dia aza atamberina ao an-tsaina intsony. Vao maika hitarika alahelo ho anao izany. Aza karohina intsony ny antony nahatonga anareo nisaraka. Esory tsy ho hitan’ny masonao ireo zavatra rehetra mampahatsiahy azy.  Aza mankany amin’ireo toerana falehanareo. Miova toerana aleha. Miova alavoly raha ilaina.

Tandremo koa anefa ny maka fanapahan-kevitra diso tafahoatra ao anatin’ny safotofoto. Tsy tokony hiova asa noho ny fisarahana amin’olon-tiana ohatra. Aleo miandry ho tony sady mandinika tsara foana vao mandray fanapahan-kevitra, indrindra raha hiankinan’ny safidim-piainana izany.


Aza mikasa hiverina aminy

Mazàna rehefa misaraka toy izao dia manantena foana ny olona nosarahina fa mety ho azo atao ny mifampody.Tsy hampandroso sady tsy hanampy hanasitrana ny ratram-po anefa izany.Raha hijery ny lasa ihany, jereo akaiky amin’ny fo tsy miangatra ny tantaram-pitiavanareo. Tsy maintsy nisy ny banga na ny olana tao matoa tonga tamin’ny fisarahana. Aza terena ho lafatra ao an-tsaina iny tantaram-pitiavana nivalona iny. Hanampy anao hanarina ny amin’ny ho avy ny fijerena izany raha hainao tsara ny manavaka ny zava-nisy tokoa amin’ny nofinofim-pitia.

Miaina ho an’ny tena

Fotoana izao ny hanaovanao izay mahasoa sy mahafinaritra anao. Atao izay hivelaranao tanteraka. Olona falifaly, mirana, manao izay tena mahasambatra azy no manintona ny hafa fa tsy olona malaheloelo velively. Raha vitanao izany dia ho hitanao fa ho avy aminao indray ilay fitiavana.

Hary


 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo