Jejoo

Dans la même rubrique

Ny fomba ikoloana fitiavana, mba tsy hankaleo…

08/04/2019

Any am-piandohan'nyy fiarahana dia mandeha ho azy ny fifampizaràna fitiavana. Rehefa ela niarahana kosa,

 Lire la suite...

Manambady mandeha “mission” lava…

01/04/2019

Amin'izao vanim-potoana iainantsika izao, zara aza misy asa ary izay fomba rehetra ahitana vola dia atao, satria sarotra ny fiainana.

 Lire la suite...

Itaosy : Lehilahy tratra nampirafy, novoim-badiny…nandriaka ny rà

26/03/2019

Lehilahy iray sahaho ho 40 taona eo ho eo no notoraham-badiny tamin’ny tavoahangy afaka omaly Alahady hariva tokony ho tamin’ny 05 ora tao anatina bar iray tao amin’ny kaominina

 Lire la suite...

Fa maninona aho no tsy misy mpitia?

25/03/2019

Misy milaza fa iria-mahaory ny olon-tiana. Indraindray tokoa manko, toa mankaleo ihany izy ireny, indrindra rehefa miady lava izay, saingy ireo tokan-tena, tsy mba manana olon-tiana kosa, dia mahatsiaro tena ho very hevitra sy mijaly, indrindra ireo izay mbola tsy niaraka tamin’olona hatrizay niainany.

 Lire la suite...

Ahoana no hifehezana ny hasarotam-piaro ?

18/03/2019

Raha ny tena marina, dia sady tsy tsara no tsy ratsy ny hasarota-piaro. Ny mety ho zava-bitan'ny olona iray saro-piaro tafahoatra, no mety ho ratsy, fa tsy ilay fihetseham-po akory.

 Lire la suite...

Mpifankatia mifanaja : ahoana marina izany ?

15/03/2019

Hoy i Om-Gui any anatin'ny asa-sorany iray hoe : manaja vao mitia. Misy fahamarinany izany, satria raha ny fanadihadiana natao tany Frantsa tany dia isan'ny antony faharoa mahatonga ny fisaraham-panambadiana ny tsy fahaizana mifanaja !

 Lire la suite...

Ahoana no hiatrehana ny homamiadana mahazo ny olon-tiana ?

11/03/2019

Toa latsaham-baratra foana rehefa mahare fa tratran’ny homamiadana ny olon-tiana. Tsy maintsy mitraka anefa, satria sady mitsabo no mila manohana azy ara-tsaina ihany koa. Inona no tena ilainy ? Toy ny ahoana ny toe-tsaina entina miatrika izany sedra lehibe ?

 Lire la suite...

Love

Nisaraka, ny atao hitrakana indray

15/04/2019

Toy ny fahafatesana kely mafaitra sady mangidy ihany ny fisarahana amin’ny olon-tiana. Sarotra tokoa ny miarina amin’izany saingy azo atao kosa anefa fa mila ezaka anaty. Ny atao :

 

Marary 

Mankarary ny fo rehefa ny olona notiavina indrindra teto an-tany no manda tsy hitia intsony.  Tsy maintsy mitarika dona ao am-po sy ao an-tsaina izany.  Mahatonga fisafotofoana anaty satria mifamahofaho ao avokoa ny alahelo, ny hatezerana, ny tsy fahazoana izay mitranga, ny nenina, ny hasarotam-piaro, ny hakiviana eny hatramin’ny faniriana hitroatra aza.
Manaiky fa vita hatreo

Ny dingana voalohany atao raha sendra izany dia ny manaiky fa vita ny tantaram-pitiavanareo. Aorian’izay dia tokony havela hirotsaka ny ranomaso. Ilaina ny mamoaka ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny ranomaso mba hahafantaranao ny halalin’ny ratram-ponao. Tsy hanampy anao ny handa fa tsy marary iny fisarahana iny. Hanemotra fotsiny ny fotoana hivoahan’ny ratram-po ny miezaka manafina izany ao anatin’ny asa, ny fampihetseham-batana na ny fomba hafa izay tsy dia mahasoa toy ny zava-mahadomelina ohatra. Dingana tsy azo lalovana ny fanekena izany.
Mizara amin’ny olona mahatoky
Ho mora kokoa aminao ny hizara izany amin’ny hafa.
Olona mahatoky iray ihany dia ampy. Tsy tsara koa ny mizara izany amin’olona maro. Na dia tsy hitondra vahaolana ho anao akory aza ny olona hizaranao ny tsiambaratelonao dia hanamaivana ny alahelo ny famoahanao izany amin’ny alalan’ny teny. Ho tsapanao fa misy olona vonona ny hanohana anao. Mbola ho eo foana ny alahelo anefa fa mba tsy ilay karazany manempotra intsony fa efa mba nisinda tamin’ny am-pahany.
Aza mampitamberina ny lasa

Na dia toa mamy ery aza ireo fotoana niarahana dia aza atamberina ao an-tsaina intsony. Vao maika hitarika alahelo ho anao izany. Aza karohina intsony ny antony nahatonga anareo nisaraka. Esory tsy ho hitan’ny masonao ireo zavatra rehetra mampahatsiahy azy.  Aza mankany amin’ireo toerana falehanareo. Miova toerana aleha. Miova alavoly raha ilaina.

Tandremo koa anefa ny maka fanapahan-kevitra diso tafahoatra ao anatin’ny safotofoto. Tsy tokony hiova asa noho ny fisarahana amin’olon-tiana ohatra. Aleo miandry ho tony sady mandinika tsara foana vao mandray fanapahan-kevitra, indrindra raha hiankinan’ny safidim-piainana izany.


Aza mikasa hiverina aminy

Mazàna rehefa misaraka toy izao dia manantena foana ny olona nosarahina fa mety ho azo atao ny mifampody.Tsy hampandroso sady tsy hanampy hanasitrana ny ratram-po anefa izany.Raha hijery ny lasa ihany, jereo akaiky amin’ny fo tsy miangatra ny tantaram-pitiavanareo. Tsy maintsy nisy ny banga na ny olana tao matoa tonga tamin’ny fisarahana. Aza terena ho lafatra ao an-tsaina iny tantaram-pitiavana nivalona iny. Hanampy anao hanarina ny amin’ny ho avy ny fijerena izany raha hainao tsara ny manavaka ny zava-nisy tokoa amin’ny nofinofim-pitia.

Miaina ho an’ny tena

Fotoana izao ny hanaovanao izay mahasoa sy mahafinaritra anao. Atao izay hivelaranao tanteraka. Olona falifaly, mirana, manao izay tena mahasambatra azy no manintona ny hafa fa tsy olona malaheloelo velively. Raha vitanao izany dia ho hitanao fa ho avy aminao indray ilay fitiavana.

Hary


 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo