Jejoo

Dans la même rubrique

« La joie est en tout, il faut savoir l’extraire » Confucius

11/04/2019

Rotoroto loatra izao fiainana iainantsika izao, ka indraindray, toa tsy haintsika intsony ny mankamamy ny fiainana.

 Lire la suite...

Plus tard, il sera trop tard. Notre vie, c’est maintenant (Jacques Prévert)

10/04/2019

Aza manjeny ny andro ho lava, fa tsy fantatra izay haloakan’ny ampitso ! Tsy misy tompon’ny ho avy isika, fa segaondra kely iray monja dia mety hanova ny fiainana iray manontolo. Noho izany indrindra :

 Lire la suite...

Les vêtements ne vont pas changer le monde ; les femmes qui les portent, si. (Anne Klein)

08/04/2019

Zava-dehibe amin’ny olombelona ny fitafiana, satria sady takon-kenatra no miaro amin’ny mety ho hetraketraka avy aty ivelany, toy ny hatsiaka sy ny hafanana…

 Lire la suite...

«On ne peut pas tout vivre, alors l’important est de vivre l’essentiel et chacun de nous a son essentiel » Marc Levy

05/04/2019

Natao hankamamiana ny fiainana, araraotina, alaina fy, alain-tsiro. Ianao io anefa dia kely dia kely miohatra amin’izao tontolo izao.

 Lire la suite...

« Cette année, ne comptez pas les jours, faites que les jours comptent »

04/04/2019

Noho ny fitadiavana sy ny henjikenjika andavan’andro dia maro isika no tsy mba mankafy fiainana fa miaina fotsiny. Tsy mahatsapa loatra ny maha-zava-dehibe ny fahazoana tombon’andro fa repotry ny hazakazaka sy ny fitadiavana.

 Lire la suite...

«Le meilleur moyen de prévoir le futur, c’est de le créer.» Peter Drucker

28/03/2019

Samy mba manana ny vinavinany amin’ny hoavy ny tsirairay. Na eo amin’ny lafiny ara-bola, ara-boninahitra, arak’asa, ara-pifandraisana, sns satria mba samy te hanana fiainana milamina, ao anaty fahampiana sy fiadanana.

 Lire la suite...

« Une grande dame ne perdra pas son temps à essayer de se comparer à une autre femme…parce qu’elle sait ce qu’elle vaut »

27/03/2019

Fomban’ny vehivavy, efa toetra voajanahary mihitsy, ilay tia mifaninana. Tsy misy maharatsy izany, rehefa entina hanatsarana ny fiainana ilay izy. Ny atao hoe :

 Lire la suite...

Citation

Si vous n’êtes pas heureux seul, vous ne serez jamais heureux à deux. Le bonheur vient de l’intérieur, pas des autres.

15/04/2019

Matetika isika no miandry ny olon-kafa hitondra hasambarana ho antsika. Eo amin’ny mpivady sy ny mpifankatia indrindra indrindra no tena isehoan’izany.

 

Toa heverina fa tompon’antoka amin’ny fahasambaran’ny tena ilay vady, hany ka lasa mora kely ny mandiso azy, raha sendra misy alahelo na hatezerana mahazo. Tsia anefa ! Tsy azonao ankinina amin’ny hafa, na iza izy na iza, ny hasambaranao, fa ianao dia ianao ihany no tompon’andraikitra voalohany amin’izany. Ny fanapahan-kevitra raisinao sy ny fahaizanao mijery hatrany ny lafitsaran’ny fiainana no iankinan’ny fahasambaranao. Fanampiny fotsiny ny fisian’ny vady, ny olon-tiana, na ny olon-kafa eo anilanao. Rehefa hainao rahateo ny sambatra irery, dia hiankin-doha amin’ny hafa ianao. Ho voasoroka kokoa amin’izay ny fahadisoam-panantenana.

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo