Jejoo

Dans la même rubrique

Manamboatra crème patissière

11/04/2019

Ny crème patissière dia ilay krema ampiarahina amin’ny mofomamy toy « pate à chou » ny « mille feuille », ny « tarte ». Fomba tsotra hanamboarana azy ity atolotra anao ity satria misy karazany maro ihany ny fanamboarana ny « crème patissière »

 Lire la suite...

Akoho amin’ny poavrao nandrahoina ao anaty lafaoro

10/04/2019

Akora ilaina Fen’akoho 2 voatabia 1 Povrao maitso 1 Poavrao mena 1 tongolo be 1 sira sy dipoavatra Menaka oliva 2 sf Rano ½ vera

 Lire la suite...

Ireo sakafo mafilotra, asiana kafe

08/04/2019

Maro ny sakafo azo karakaraina miaraka amin’ny kafe fa tsy mijanona eo amin’ny fisotroana azy maraina fotsiny.

 Lire la suite...

Terrine de crabe exotique

05/04/2019

Akora ilaina · Nofona drakaka 400g · Zavoka 3 · Atody 4 · Voasarimakirana 1 · Saosin’ilay trondro 30sl · Kotomila efa voatetika 4 sf · Tongolo maitso 2 sf · Ravina gélatine 6 · Vovon-tsakay mena · Sira sy dipoavatra

 Lire la suite...

Dibera vita ao an-trano Fomba voalohany

04/04/2019

Akora ilaina · Ronono manta 1l ½ Fomba fikarakarana azy 1. Araraka ao anaty koveta plastika ny ronono efa masaka dia tsy ahetsiketsika mihitsy 2. Rehefa mipetraka ela dia mitsingevana ilay krema

 Lire la suite...

Ny atody sy ireo sakafo mazika vitany

01/04/2019

Andeha haka ity akora iray ity isika anio fa maro ireo sakafo mazika vita avy aminy. Manomboka any amin’ny fanokafam-bavony ka hatrany amin’ny saosy, afaka hampiasàna azy avokoa. Vitsivitsy amin’izy ireo ireto atolotra anao ireto:

 Lire la suite...

Gratin de poireaux au bacon

28/03/2019

Akora ilaina · Bacon tetika 15 · Poarao lehibe 4 · Crème fraiche 200ml · Fraomazy voakiky 50g · Moutarde 1 sf · Sira 1 tsongo · Dipoavatra araka izay tiana

 Lire la suite...

Sakafo

Sakafo 3 hatao amin’ny paoma

15/04/2019

Vokatra izao ny paoma. Inona daholo indray ny sakafo azo karakaraina aminy ka ahazoana tombony. Andeha hijery vitsivitsy amin’izany isika anio

 

 

 

Salady amin’ny paoma sy betiravy

Akora ilaina

·         Betiravy 4

·         Paoma ½ tasy

·         Salady ½ tasy

·         Laisoa mena ½ tasy

·         Vinaingitra sy menaka oliva ary tantely 1 sotrokely

·         Sira sy dipoavatra

Fikarakarana azy

1.      Ampangotrahina  ao anaty rano misy vinaingitra sy sira kely ny betiravy vao voasana ary tsy esorina avokoa ny tahony rehefa mampangotraka azy mba tsy ho very be ny ranony

2.      Tetehina efamira avokoa ireo akora hafa rehetra dia afangaro

3.      Karakaraina ny vinegrety ary asiana sira. Rehefa vita dia araraka ao anatin’ilay salady avy hatrany ary saromana mandritra ny ora efatra eo mba hisintona ny tsiro ireo voankazo sy legioma

Smoothie paoma sy manga

Akora ilaina

·         Paoma  2

·         Manga 2

·         Mananasy ½ tasy

·         Yaourt 1 boaty

·         Ranom-boasarimakirana 2sk

Fikarakarana azy

Potserina miaraka avokoa ireo akora rehetra dia araraka ao anaty vera izay hihinanana azy avy hatrany rehefa vita. Azo ampiana siramamy kely, araka izay hitivana azy

Kaonfitira paoma

Raha toa ka tiana ho tehirizina ny paoma dia ny kaonfitira no hevitra mahomby indrindra.

Akora ilaina

·         Paoma 1kg

·         Siramamy 650g

·         Lavanila 1 sk na tahony 1

·         Kanelina 1 sk

·         Voarasarimakirana 1

Fikarakarana azy

1.      Voasana ny paoma dia arotsaka ao anaty lovia lehibe iray. Rarahina ranom-boasarimakirana dia avela hilona mandritra ny ora 4

2.      Andrahoina miaraka amin’ny lavanila sy kanelina ny paoma mandritra ny 20 minitra ary potserina amin’ny “mixeur” rehefa tapitra izay fotoana izay.

Rinahsoa

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo