Jejoo

Dans la même rubrique

Vehivavy aho 34taona ary niteraka 3. Ny vadiko nefa maditra sady mpiloka be.

10/04/2019

Efa nisaraka izahay dia nifamerina indray ary bevohoka aho. Niverina nanitsakitsaka ahy indray anefa izy ary ny anabaviny izao mihitsy no mitondra sipa ho azy rehefa lasa miasa aho.

 Lire la suite...

Misy vehivavy miaraka amiko, kanefa tsy miraharaha ahy mihitsy izy fa ohatran’ireny tsy mpifankatia ireny izahay, kanefa misy vehivavy hafa milaza ho tia ahy. Inona no tokony ataoko ?

08/04/2019

Ny tokony ataonao voalohany dia ny manontany ny tenanao hoe : iza no tena tianao ? Ilay miaraka aminao fa tsy miraharaha anao ve ?

 Lire la suite...

Vehivavy 17 taona aho, niaraka tamin’ny lehilahy 23 taona.

05/04/2019

Tena tiako izy ary izaho koa nahatsapa fa tena tia ahy izy. Nisaraka anefa izahay izao ary izaho mbola tia azy. Izy koa milaza fa mbola tia ahy, saingy izy efa miaraka amin’olon-kafa. Inona no tokony ataoko ?

 Lire la suite...

Herintaona sy enim-bolana no niarahako tamin’ny sipako.

04/04/2019

Milaza ho leo ahy izy satria tsy mba “galant” mihitsy, hono, aho. Lazainy koa fa menatra izy rehefa miaraka amiko eny an-dalana. Mba mila torohevitra azafady.

 Lire la suite...

Noraràn’ny olona aho tsy hiaraka aminy satria maditra vehivavy izy,

02/04/2019

nefa niezaka natoky azy foana aho satria tiako izy. 2 taona niarahana izahay no tratrako nampirafy ahy voalohany izy fa namela azy foana aho.

 Lire la suite...

Nanapa-kevitra izaho sy ny olon-tiako fa hanao “pause” kely aloha.

01/04/2019

Efa 3 volana anefa izay no lasa, tsy mbola niverina niresaka tamiko ihany izy. Henoko fa efa misy vehivavy miaraka aminy any ary omaly dia hitako fa nesoriny tsy ho namany intsony aho, tao anaty Facebook. Tokony mbola hiandry azy ve aho ?

 Lire la suite...

Vehivavy 22 taona aho, miaraka amin’ny lehilahy iray efa ho 2 taona izao.

25/03/2019

Efa fantatry ny fianakaviana roa tonta ny fiarahanay, tena tiako izy no sady tia ahy. Ny olako dia taranak’olona samy fohy izahay sady somary mainty, ka te hanarina an’ilay taranako mba ho tsaratsara kokoa aho. Inona no azoko atao ?

 Lire la suite...

Conseils

Miezaka tsy mamaly ny vadiko foana aho ato an-trano ho fanajako azy sady hisorohako ny fifandirana.

15/04/2019

Rehefa tsy miteny anefa aho dia lasa manararaotra ahy izy. Inona no hataoko fa tsy zakako intsony ny vavany? Mba vonjeo.

 

 

Ao anatin’ny tokantrano dia ilaina ny fifandeferana ; ilaina koa ny fahaizana mihaino ny ankilany mba hampilamina ny fifandraisana. Na izany aza anefa, rehefa misy ny zavatra tokony ho tenenina dia lazaina izany. Lohan’ny tokantrano ny lehilahy fa tsy fanaparan-pahefana sy hery anefa ny ao an-tokantrano. Mila resahinao aminy mazava izany. ilaina ny mampiaka-peo indraindray mba hahafahan’ny hafa mihaino anao sy hahitany ny zavatra tsy hitany hatrizay.

Manana olon-tiana aho, ary milamina tsara izahay roa. Ny zokiny kosa nefa dia manadala ahy , mandefa sms foana. Efa novaliako ihany izy hoe tsy mety izany,  saingy mbola misisika ny hiteny amiko foana izy hoe tia ahy. Tokony ho teneniko amin’ilay olon-tiako ve izany? Sa inona no tokony hataoko?

Aza mbola tenenina amin’ilay olon-tianao aloha izany, mba itandrovana ny fihavanan’izy ireo.  Raha mbola mamerina mandefa sms aminao kosa izy dia aza raharahiana fotsiny. Rehefa mifankahita ianareo dia aza maneho fihetsika mety ho azony adika vilana. Ataovy ho toy ny tsy nisy ny sms nalefany, aza manakaiky be azy, aza miresaka be na manao vazivavy fa arahabao fotsiny izy dia hajao. Raha mbola tsy mampihemotra azy izany fihetsikao izany dia lazao aminy, amin’ny fomba hentitra, fa ho lazainao amin’ilay zandriny ny ataony, raha mbola manohy izy. Aorian’izay, raha mbola tsy mahay mipetraka izy, vao miresaka amin’ilay olon-tianao ny momba izany ianao.

Mba  mangataka fanampiana fa mahatsiaro mikorontana amin’ny zavatra rehetra ataoko aho. Ohatra : eo amin’ny asako, eo amin’ny fiarahako amin’ny namako,  tsy tia miresaka amin’olona, tsy tia mitsiky, lasa kamovavy, … Ary ny tena olana koa dia izao :  mahatsiaro irery aho, nefa manana olon-tiana. Lasa kivikivy amin’ny fiainana aho, ary lasa mihena.

Mila ezaka be avy any aminao mihitsy ny fahaizana mitia ny tenanao satria mety misy zavatra tsy tianao any amin’ny tenanao, hany ka tsy mety avokoa izay ataonao. Mahaiza ihany koa matoky tena amin’izay rehetra atao. Ataovy aloha izay mahafalifaly anao vao mieritreritra ny hafa. Mahaiza manaiky sy mankafy izay ananana fa ny fitsiriritana be loatra ny tsy an’ny tena ihany koa dia mahatonga anao hieritreritra fa tsy mahomby ny fiainanao, ary tsy mahavita na inona na inona ny tenanao.

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo