Jejoo

Dans la même rubrique

Azo ampiasaina amin’ny « maquillage » ny talc bébé

10/04/2019

Te hanana volomaso matevintevina sy lava, maniry ny hanana tarehy tsy misy pentina, tsy mora mitera-menaka… Andramo ireto paipaika telo hampiasana ny « talc » fanao amin’ny zazakely ireto, dia ho hitanao fa hahazo ireo vokatra ireo ianao !

 Lire la suite...

Diloilo coco : Tsy mampisy kôlesterôly raha handrahoina!

09/04/2019

Isan’ireo mpampiasa ny diloilo voanio isika eto Madagasikara. Betsaka tokoa ireo voka-tsoa entin’ity akora ity.

 Lire la suite...

Azo fantarina ny ranomanitra tena « authentique » …

08/04/2019

Efa betsaka ny vehivavy malagasy mankafy sy manangona karazana ranomanitra vokarin’ireo marika lehibe maneran-tany amin’izao.

 Lire la suite...

Karazana « maquillage » azo hanaovana miasa

02/04/2019

Tsy mitovy ny fomba fanaovana ny « maquillage » fitondra miasa, sy ireo entina mamonjy lanonana, entina mivavaka, na hamonjy fotoana manokana, …

 Lire la suite...

Tsy mbola nikitika tarehy mihitsy : ahoana no hanombohana azy ?

01/04/2019

Maro be amin’ny vehivavy Malagasy no tsy tia na tsy sahy mikitikita tarehy, raha tsy efa misy olana sedraina ilay hodi-tava. Somary mandiso ihany anefa izay fiheverana izay, hoy ny matihanina amin’ny kolo endrika, satria mila kolokoloina izany hatsaran-tarehy izany mba hateza. Sady mitazona ny hatsaran’ilay tarehy izany, no misoroka ny fahanterany aloha loatra ihany koa …

 Lire la suite...

Mamantatra ny lokomena manendrika …

28/03/2019

Ny lokomena ihany dia efa manaingo ny endrika iray sy manatsara azy. Raha vao tsy manendrika sady tsy mifanaraka amin’ny endrika sy ny molotra anefa ny lokomena anaovana dia ny mifamadika amin’izay indray no vokatra azo. Eo no mipetraka ny fanontaniana : mety aminao ve ny lokomena anaovanao sy tianao ?

 Lire la suite...

Manala mony ny dite maitso, izao atao

27/03/2019

Be dia be ny vokatsoa entin’ny dite maitso ho an’ny ati-vatana ary mbola maro be koa ireo soa atolony ho an’ny hoditra ety ivelany.

 Lire la suite...

Beauté

« Déodorant » natoraly amboarina ao an-trano

15/04/2019

Raha tia mampiasa akora natoraly ianao hikarakarana endrika amam-bika dia isan’ireo azo atao tsara sy azo atao ny manamboatra « déodorant » natoraly.

 

Mety tsara ho an’ireo mpankafy ranomanitra izy ity satria natoraly ary tsy hanindry ny ranomanitrao. Malefaka sady miaro tsara amin’ny hatsembohana ihany koa.

 

Akora ilaina

-       Diloilo kôkô tsy mitapoka 2 sotro

-       Karibonetra 1 sotro

-       Vovo-katsaka na “fecule de mais” 2 sotro

-       Faikan-tantely 2 sotro

-       Lohamenaka (huiles essentielles) izay hanitra tiana 8 mitete

Fanaovana azy

Atsonika amin’ny alalan’ny evo-drano (bain-marie) ao anaty vera ny diloilo sy ny faikan-tantely.

Rehefa mahazo hafanana kely sy mitsonika dia arotsaka ao ilay karibonetra sy vovo-katsaka dia afangaro tsara mba hahazo paty marihitra. Ao aorian’izay vao arotsaka ny lohamenaka izay tianao mialohan’ny hampangatsiaka sy hampivaingana azy indray.

Rehefa manomboka mivaingana indray dia atao ao anaty fitoerana izay tiana, toy ireny fitoerana “deodorant” ireny. Avela ho mandry  ao anatiny ao amin’izay, ary azo tahirizina ao anaty vata fampangatsiahina.

Raha tsy mampiasa faikan-tantely kosa  ianao dia hiendrika toy ny “crème” ity “deodorant” namboarinao ity.

 

Ando

 

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo