Jejoo

Dans la même rubrique

Kaokaombra : Mahasalama tsinay, rà,…

16/07/2019

Maro tokoa ny tombontsoa entin’ny kaokaombra ho an’ny fahasalamana ankoatra ny fanamorany ny fampihenan-tena. Ireo tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Toy ny ahoana ny atao hoe : “portion”

09/07/2019

Matetika rehefa hanao régime dia atoro ao ny isan’ny anjara na « portion » azo hohanina amin’ny karazan-tsakafo iray.

 Lire la suite...

Matsiro kokoa ny sakafo hanina mipetraka

25/06/2019

Arakany fanadihadiana iray nataona mpikaroka amerikanina dia manova ny tsiron’ny sakafo ny fomba fihinanana azy. Raha ny marina dia voalazan’ity fanadihadiana ity fa tsara tsiro kokoa ny sakafo raha hohanina mipetraka. Fanazavana

 Lire la suite...

Ireo sakafo manafana rehefa ririnina

20/06/2019

Efa ao anatin’ny ririnina tsara isika izao. Mba tsy harary, na handairan’io hatsiaka io, dia indro ny sakafo, episy raha ny marimarina kokoa, manafana amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Fambara 5 hahafantarana fa tsy mahazaka “lactose”

18/06/2019

Be dia be ny olona no tsy mahazaka ronono. Misy anefa no tsy mahafantatra izany akory saingy mijaly kosa noho izany tsy fahazakana izany. Ireto ny tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 be manezioma

28/05/2019

Araka ny hafatry ny mpiasan’ny fahasalamana dia tokony mila manezioma 300 hatramin’ny 400 mg isn’andro ny olon-dehibe raha 10 ka hatramin’ny 30 mg kosa izany ho an’ny ankizy.

 Lire la suite...

Ny atao mba tsy hihinan-kena be loatra

21/05/2019

Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinanan-kena diso betsaka loatra. Tsy mety koa anefa ny mifady azy tanteraka satria mila ny fer sy zinc ary ny vitamine B12 entiny ny vatana mba ho entiny miasa. Ahoana ny atao mba ihinanana azy amin’ny fatra antonony tsara. Atoronay anao :

 Lire la suite...

Diététique

Sakafo 10 manala sy misoroka ny rarin-tsaina

02/04/2019

Fahavalon’ny fahasalaman’ny vatana ny rarin-tsaina na ny « stress ». Mitarika ny vatana hahazo fahazaran-dratsy ara-tsakafo mantsy ny toe-po miovaova.

 

 

Soa fa misy sakafo manampy mandrindra ny rarin-tsaina sady manampy mampiakatra ny môraly amin’ny fotoan-tsarotra. Ireto avy izy ireo :

  • Ny tantely : Be vitamina B sy C ka afaka manala havizanana sy rarin-tsaina tokoa .
  • Ny zavoka : Be manezioma sy potasioma ka mampihena ny tebiteby sy ny hakizintinana.
  • Ny poavrao : Avo roa heny amin’ny vitamina C ao anaty voasarimakirana no hita ao anatiny sady mitondra « carotène » koa izy izay havadiky ny ao anaty ho lasa vitamina A. Mbola maro ankoatra izay ny otrikaina mahasoa ao anatiny ka ireo rehetra ireo no manampy manena ny havizanana.
  • Ny akondro : misy singa mampamoaka dopamine sy sérotonine ao anatiny. Ireo tsiry mpanentana ireo no manampy ny ati-doha handrindra ny rarin-tsaina sy ny fiasan’ny retsika. Akondro iray isan’andro dia ampy.
  • Ny chocolat : feno manezioma ny chocolat noir sady misy « caféine » sy « thébromine »  ary tryptophane koa. Manaitaitra sady mampifantoka ireo singa ireo no manatsara ny toe-po koa. Chocolat noir singany 4 na “chocolat” mafana iray lovia jobo sotroina dia hitony vetivety ny rarin-tsaina .
  • Ny safran : Manatsara ny toe-po sady mampitony ity episy ity. Marina fa sarotra ny mampiasa azy ao anaty sakafo raha tsy hoe : lasopy na vary na paty. Azo hanaovana zava-pisotro kosa izy sotroina mialoha ny hatory.
  • Ny mofo feno na « pain complet » : Be « fibres » sady be manezioma sy vitamina B ity karazana mofo ity. Fantaro fa mampitohana ny rarin-tsaina indraindray ka manampy mandrindra izany ny “fibres”.  
  • Ny rano : Tsy ampoizina loatra kanefa dia manampy mampihena ny rarin-tsaina tokoa ny rano raha be manezioma izy. Rano 1 litatra eo farafahakeliny isan’andro no sotroina.
  • Ny trondro matavy : Be omega-3 ny saumon sy ny thon sady be vitamina B2. Miaro ny sela amin’ny “radicaux libres” ireo no manatsara ny fiasan’ny retsika.
  • Ny epinara : Be manezioma ity anana ity ka manatsara ny fiasan’ny “système nerveux” koa. Mba tsy ho very ny otrikaina ao anatiny rehefa mahandro azy dia andrahoina amin’ny entona izy fa tsy ampangotrahina.

Araka izany, raha mahatsiaro ho mavesatry ny rarin-tsaina dia aza misalasala mihinana ireo karazan-tsakafo ireo

Hary

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo