Jejoo

Dans la même rubrique

Kaokaombra : Mahasalama tsinay, rà,…

16/07/2019

Maro tokoa ny tombontsoa entin’ny kaokaombra ho an’ny fahasalamana ankoatra ny fanamorany ny fampihenan-tena. Ireo tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Toy ny ahoana ny atao hoe : “portion”

09/07/2019

Matetika rehefa hanao régime dia atoro ao ny isan’ny anjara na « portion » azo hohanina amin’ny karazan-tsakafo iray.

 Lire la suite...

Matsiro kokoa ny sakafo hanina mipetraka

25/06/2019

Arakany fanadihadiana iray nataona mpikaroka amerikanina dia manova ny tsiron’ny sakafo ny fomba fihinanana azy. Raha ny marina dia voalazan’ity fanadihadiana ity fa tsara tsiro kokoa ny sakafo raha hohanina mipetraka. Fanazavana

 Lire la suite...

Ireo sakafo manafana rehefa ririnina

20/06/2019

Efa ao anatin’ny ririnina tsara isika izao. Mba tsy harary, na handairan’io hatsiaka io, dia indro ny sakafo, episy raha ny marimarina kokoa, manafana amin’izao andro mangatsiaka izao.

 Lire la suite...

Fambara 5 hahafantarana fa tsy mahazaka “lactose”

18/06/2019

Be dia be ny olona no tsy mahazaka ronono. Misy anefa no tsy mahafantatra izany akory saingy mijaly kosa noho izany tsy fahazakana izany. Ireto ny tsara ho fantatra :

 Lire la suite...

Ireo sakafo 5 be manezioma

28/05/2019

Araka ny hafatry ny mpiasan’ny fahasalamana dia tokony mila manezioma 300 hatramin’ny 400 mg isn’andro ny olon-dehibe raha 10 ka hatramin’ny 30 mg kosa izany ho an’ny ankizy.

 Lire la suite...

Ny atao mba tsy hihinan-kena be loatra

21/05/2019

Mampidi-doza ho an’ny fahasalamana ny fihinanan-kena diso betsaka loatra. Tsy mety koa anefa ny mifady azy tanteraka satria mila ny fer sy zinc ary ny vitamine B12 entiny ny vatana mba ho entiny miasa. Ahoana ny atao mba ihinanana azy amin’ny fatra antonony tsara. Atoronay anao :

 Lire la suite...

Diététique

Fo, tsinay, aty…koloin’ny labiera avokoa!

19/03/2019

Nanaovan’ny mpikaroka siantifika fanadihadiana ny labiera izahana raha misy tombontsoa azo avy aminy na tsia.

 

Tsy mampatavy

Malaza tokoa ny kibon-dabiera. Tsy marina izany hoy ireo mpikaroka. Araka ny fikarohana nataon’izy ireo mantsy dia tsy mampiova ny haben’ny vatana ny fisotroana labiera amin’ny fatra antonony. 100 kaloria no entin’ny labiera  tapa-litatra. Ny fomba fisakafo no mampatavy. Nisy fikarohana iray natao tamin’ny vehivavy maromaro eo anelanelan’ny 18 sy 40 taona avy ao Grenoble iray hafa nampivoitra fa mampihena ny tahan’ny menaka kolesteroly ao anaty rà ny misotro labiera iray tavoahangy amin’ny sakafo atoandro. Tokony ho mailo ihany anefa satria natao tamin’ny vehivavy miisa 24 monja ity fanadihadiana ity.

Tsara ho an’ny fo

Araka ny fikarohana hafa dia toa miaro amin’ny aretin’ny fo sy ny lalan-drà koa ny labiera. Be vitamina sokajy B mantsy ao anatiny. Ireny karazana vitamina ireny no mampihena ny tahan’ny « homycystéine », singa iray ao anaty rà izay fototry ny olan’ny lalan-drà isan-karazany. Nanamarika koa anefa ireo mpikaroka fa ahitana vitamina sokajy B koa ny anana     sy ny legioma maitso ka tsara kokoa ny mihinana legioma sy voankazo isan’andro toy izay hisotro labiera matetika.

Misoroka diabeta sy homamiadan’ny « colon »

Araka ny fikarohana nataona amerikanina dia miaro amin’ny diabeta sokajy roa  ny fisotroana labiera amin’ny fatra antonony. Manafaingana ny fipoirany kosa ny fisotroana alikaola mahery. Nisy fikarohana hafa koa naneho fa mety mampihena ny taha hahazoana ny homamiadan’ny “colon” ny fisotroana labiera amin’ny fatra antonony satria be mpanala arafesina ny labiera. Marihina anefa fa voalavo ihany no nanaovana ity andrana ity fa tsy mbola natao tamin’olona kosa.

Manadio ny ao anaty

Mampivalan-drano betsaka ny labiera noho ny fiasan’ny « houblon » izay manetsika ny voa. Tsy mbola voaporofo ara-tsiantifika kosa anefa izany fa ny hany azo antoka dia ny rano ao anatin’ny labiera no anisan’ny mampivalan-drano azy betsaka koa.

Manamafy ny taolana

Be silicium sy phytœstrogènes ny labiera. Ireo singa ireo no mampivelatra sy miaro ny taolana amin’ireo aretina mety mahavoa ny taolana toy ny ostéoporose. Araka ny fikarohana natao tao amin’ny Oniversiten’i Californie izay nivoaka tamin’ny 2009 dia hita fa  matevina kokoa ny taolan’n yvehivavy misotro labiera noho ireo tsy misotro izany mihitsy.

Fatra antonony ihany

Tsy famporisihina hisotro labiera mihitsy akory ity lahatsoratra ity. Ary tena manamarika mihitsy ireo mpikaroka fa fatra antonony ihany no ahafahana mahazo ireo tombotsoa avy amin’ny labiera voatanisa ireo. Tsy hahazoana tombotsoa mihitsy rahateo ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola amin’ny fatra betsaka fa vao maika manimba.

 

Hary

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo