Jejoo

Dans la même rubrique

Artisao, ravin’oliva,…mampidina tosi-dra

22/05/2019

Mety hitarika fahatapahan’ny lalan-drà, olana eny anivon’ny voa sy ny maro hafa, ny fiakaran’ny tosi-drà. Ankoatra ny fizahana tokony hatao any amin’ny dokotera dia fomba hisorohana azy ireto torohevitra omena anao ireto.

 Lire la suite...

Lalao : Nijangajanga ka narary mafy…mitantara

21/05/2019

Renim-pianakaviana iray, tratran’ny aretina fiandry. Mitantara ny fijaliany nandritra ny volana maro naterak’izany aretina izany, efa nihevitra mihitsy aza izy fa ireo aretina tsy ahitam-panafana no nanjo azy.

 Lire la suite...

Ranona paoma sy tantely, mitroka tavy!

20/05/2019

Mbola misy paoma ihany eny an-tsena amin’izao na dia efa faramparan’ny vanim-potoana hisiany aza izao.

 Lire la suite...

Ankatso : Tsy mpamosavy fa voan’ny «alzheimer »

16/05/2019

Niparitaka manerana ny tambajotran-tsosialy vao maraina omaly ny sarin’ny renim-pianakaviana iray, izay voalaza fa mpamosavy ary hita teny Ankatso.

 Lire la suite...

Ambohimahasoa Telo mianaka notetehin’ny dahalo

14/05/2019

Ny faran’ny herinandro teo no hita soa aman-tsara ny nofo mangatsiakan’ireo olona telo mianaka nalain’ny dahalo an-keriny ary norasarasainy sy nanamparany ny habibiany rehefa nanara-dia omby very tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambalakindresy,

 Lire la suite...

Misara-panambadiana, tena vahaolana ve?

13/05/2019

Tso-dranon’ny Malagasy rehefa misy manorin-tokantrano ny hoe : « lamban’akoho ka faty no hisarahana ». Tsy azo heverina rahateo koa ny hoe :

 Lire la suite...

Vehivavy tsy miasa, mora mankaleo lehilahy ?

10/05/2019

Inona tokoa no tena tian’ny lehilahy, vehivavy tsy miasa fa mifantoka amin’ny fikarakarana azy, ny ankizy ary ny tokantrano ve sa vehivavy manana anton’asa, manampy azy mamelona ny ankohonany ?

 Lire la suite...

Actualités

Fieferana : Naolan’ny dahalo ireo mpianaka nalainy an-keriny !

14/03/2019

Mirongatra ny asa fanafihan-dahalo ao anatin’ny kaominina Fieferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano.

 

Tokantrano maromaro tao anatina  tamboho iray mifefy indray no lasibatra ny Alatsinainy alina teo tao amin’ny Fokontany Ambohitrinandriana, kaominina Soamanandray. Dahalo valolahy tsy misaron-tava raha ny loharanom-baovao no tonga nanafika azy ireo. Lasany tamin’izany avokoa ny vola rehetra tao amin’ireo tokantrano ireo, izay marihina fa  mpihavana avokoa. Anisan’ny lasibatra tamin’izany ny zatovo iray manomana mariazy izay marihina fa tsy manana tahiry intsony. Tetezin’ireo dahalo ny isa-trano ary nambanany tamin’ny sabatra avokoa  izay rehetra nolalovany, raha ny fantatra hatrany. Na izany aza anefa dia tsy nijanona teo ny tantara. Olona mianaka ihany koa mantsy no nalain’ireo dahalo an-keriny mba hanoro azy izay toeram-pivarotana mety hisy vola tao an-tanàna. Naolany avy hatrany anefa izy mianaka kely ireto avy eo ka ho an’ilay zazavavy kely izay mbola virijiny dia  fantatra fa potika tanteraka ny fahadiovany. Teo imason’ilay raim-pianakaviana ity zazavavy ity sy ny reniny  no naolan’ireo olon-dratsy. Voatery naiditra hôpitaly etsy Befelatanana manaraka fitsaboana moa izy mianaka ireto.  Ity no fanafihana fanin-diminy nitranga tao Fieferana tato anatin’ny efa-bolana, raha ny fantatra. Efa mandray ny andraikiny manetsika ireo vatan-dehilahy feno 18 taona  rehetra manao asa fiambenana ao an-tanàna moa ny kaominina amin’izao fotoana izao.

 

Patty

 

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo