Jejoo

Dans la même rubrique

Andro eran-tany ho an’ny angano : Hivoaka amin’io ny boky angano an’i Ranaivo Rafenomanjato Patricia

19/03/2019

Hankalazaina rahampitso 20 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny angano. Hanamarika izany ny ao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) sy ny Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS). Mandritra izany no

 Lire la suite...

BNI Andranonahoatra Olona handrotsaka vola, voatifitra

19/03/2019

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo no nitrangana fanafihana teo amin’ny banky BNI Andranonahoatra Itaosy.

 Lire la suite...

Fifaninanana mamaky teny Ankizy 31 no tafakatra amin’ny manasa-dalana

19/03/2019

Ankizy sy tanora miisa 73, teo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona, no tonga nifaninana namaky teny, tao anatin’ilay « Championnat de lecture », nokarakarain’ny Alliance française d'Antananarivo, tamin’ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

“Tremplin Music’al Run” ao La Réunion: Mandray anjara i Océane Rama, malagasy

19/03/2019

Fifaninanana hisafidianana ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny sehatry ny mozika ny “Tremplin Music’al Run”.

 Lire la suite...

Varotra akanjo sy kiraro Mora be ny entana, rehefa manao “destockage” ny botika

19/03/2019

Any am-pitandranomasina any dia voafaritry ny lalàna mazava ny daty sy ny fe-potoana fanaovana varo-boba, na “solde”, na ihany koa “destockage”.

 Lire la suite...

Sambatra Fandresena, 14 volana Misy fivontosana ny ati-dohany, hodidiana fanin-droany

19/03/2019

Zazalahy kely vao 14 volana monja Andriamanantsoa Sambatra Fandresena. Tojo tsy fahasalamana tanteraka anefa izy ankehitriny. Misy fivontosana ao anaty ati-dohany izay fantatra fa mizara roa samihafa. Ny iray efa voadidy soa aman-tsara rehefa nesorina.

 Lire la suite...

LOZAM-PIARAKODIA - TAMBAZOTRAN-TSERASERA Mitady “j’aime” fa tsy mba manavotra ireo mpandalo

18/03/2019

“Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy izany”.

 Lire la suite...

Actualités

TRA-BOINA TAO AMIN’NY INFP Niverina eny an-tranony ny sasany

14/03/2019

Afak’omaly ny fotoana farany natokana hijanonan’ireo traboina nianjeran’ny vato teo Tsimialonjafy nanomboka ny 19 janoary sy Ambanin’Ampamarinana ny 3 febroary teo amin’ny ivon-toeram-piofanan’ny INFP Mahamasina.

Maro amin’ireo naratra na havan’ny maty sy ireo tandindomin-doza no tapa-kevitra hiverina eny amin’ny trano fonenany izay lazaina fa faritra mena. Tsy vitsy koa ireo nihazo ny fianakaviany any an-toeran-kafa. Azo isaina amin’ny ratsan-tanana ny tra-boina no nisafidy ihazo ny ivon-toerana “Village Voara ”. Raha ny filazan’izy ireo dia hisy fampirantiana matetika eny  ka na tsy esorina eo Andohatapenaka aza izy ireo mandritra ireny hetsika ireny, hiteraka fahasahiranana ho azy ireo izany, tahaka ny filaminana sy ny  fandriam-pahalemana. “Raisinay ho adidy ny mivezivezy amin’ireo toerana mety hahazoana ilay fampanantenan’ny Fanjakana tany na trano fonenana maharitra . Manatona ny toby fandraisana tra-boina Andohatapenaka ihany koa izahay fa sao misy fifandaminana vaovao ka tsy hahazo ilay tany sy trano nampanantenain’ny fitondram-panjakana izahay. Ezahanay ny mandalo isan’andro eny Ambanin’Ampahamarinana, satria mbola ao an-tranonay ao daholo ny fanaka sy ny kojakoja ary ny entanay. Manana taratasy ara-dalana “juridique” amin’ny tany sy ny taratasy fahazoan-dalana nananganana ny trano eo  Ambanin’Ampamarinana mantsy izahay ka manara-maso akaiky ny fandaminana izany na avy eny amin’ny “Village voara” na ny avy eo amin’ny fokontany fa ny efa any tany anaty lisitra izahay.” Hoy i John Fabien Andriandrafimparany, raim-pianakaviana iray nipetraka teo Mahamasina nandritra ny herinandro maro. Nilaza izy fa any amin’ny havany no ipetraka fa tsy ihazo an’Andohatapenaka. Nanambara anefa ny tomponandraikitry ny toerana eo amin’ny INFP fa afaka mandefitra ihany izy ireo raha mbola tsy mazava ny trano fonenan’ireo tra-boina, saingy hisy fetrany izany fangorahana izany. Tsahivina hatrany fa ny Fitondrana foibe no ambaran’ny Prefektioran’ny polisy sy ny manam-pahefana eo amin’ny kaominina sy eny ifotony fa tomponantoka amin’ny vahaolna maharitra ho an’ireo tandindomin-doza eo Mahamasina .

Haja Nirina

 

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo