Jejoo

Dans la même rubrique

“Telle mere, telle fille”

23/05/2019

Mbola hatramin’ny 25 mey ho avy izao no hanarahinao

 Lire la suite...

Firy taona eo vao matotra ara-pitiavana ny lehilahy ?

22/05/2019

Sanda Ranaivosoa, mpitendry gitara : Raha ny fahitàko azy dia rehefa tena hoe : tia vehivavy iray mitovy fijery aminy (vision)

 Lire la suite...

Telle mère, telle fille

22/05/2019

Ankoatra ny fampifandraisana bebe kokoa ny reny sy ny zanany vavy dia misy koa ny fanomezana ho azon’ireo mpandray

 Lire la suite...

Telle mère telle fille

21/05/2019

Mitohy anio ny fanarahana ny sarin’ireo mpandray anjara amin’ity fifaninanana hanehoana ny

 Lire la suite...

« Telle mère, telle fille » Sary maneho fa « complices » i Neny sy ny zanany

20/05/2019

Nanomboka ny 8 mey lasa teo ilay fifaninanana « Telle mere, telle fille » vohizin’ilay vondrona « Vehivavy Manambady » ao amin’ny Facebook.

 Lire la suite...

Ra-Marie, manana « don » mampipetraka zaza …tena marina ve ? Ra-Marie, mpanotra : Manana « don », masera no namporisika azy !

17/05/2019

Isan’ireo fomba malagasy mbola betsaka mpanao amin’izao fotoana ny miotra rehefa misy tsimetimety. Isan’ireo manana fanomezam-pahasoavana amin’izany i Razanamalala Marie Jeanne na Marie, mpanotra eny Amboanjobe.

 Lire la suite...

67 HA Nadoboka eny Antanimora ilay vehivavy mpanendaka

16/05/2019

Tovovavy iray, 16 taona no voahendaka teny amin’ny faritra 67ha iny ny zoma 22 Martsa lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora maraina.

 Lire la suite...

Actualités

Fanalan-jaza eto Madagasikara: Misy ny atrikasa hananganana tambazotra hanalalahana azy

14/03/2019

Antony faharoa mahatonga ny fahafahatesan’ny reny eo am-piterahana ny fanalan-jaza tsy voaaro, aorian’ny fandehanan-drà be loatra sy mialoha sy aorian’ny fiterahana. Manodidina ny 75.000 isan-taona, nefa ny fanalan-jaza eto Madagasikara tamin’ny taona 2017,

 

 araka ny tarehimarika nomen’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka araka ny tarehimarika tombana nivoaka ny taona 2008, nomen’ny “Observatoire des droits de l’enfant pour la region Océan Indien” na ODEROI. Noho izany rehetra izany dia nohamafisina ny lalàna mifehy ny fanalan-jaza eto Madagasikara. Sokajiana ho heloka bevava  mihitsy   ny fanalan-jaza na taorian’ny fanolanana aza ary mety hiteraka olana goavana eo amin’ilay reny  ny fanohizana ilay vohoka dia samy voasazin’io  lalàna io avokoa. Entina indrindra hanalalahana io fahafahana manala zaza eto Madagasikara io dia misy ny atrikasa tanterahin’ny hetsika “Nifin’Akanga” etsy amin’ny Le Pavé Antaninarenina nanomboka omaly ka aharitra telo andro. Mandray anjara ao anatin’izany ireo mpisehatra ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny zo hisafidy miisa 35 avy amin’ny faritra enina eto Madagasikara izay samy resy lahatra tanteraka amin’ny maha zava-dehibe ny zon’ny tsirairay sy ny fahasalamana ara-pananahana ary ny fahafahan’ny vehivavy hanao izay tiany amin’ny vatany. Aorian’izao atrikasa izao dia hisy ny fifanarahana izay ho soniavin’ireo mpandray anjara ka hametrahana ny tambazotra nasionaly ho an’ny fanalalahana ny fanalan-jaza eto Madagasikara. Izany dia entin’izy ireo hanehoana ny firotsahany ao anatin’ny ady ho an’ny fanajana ny zon’ny vehivavy.

Rinahsoa

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo