Jejoo

Dans la même rubrique

Andro eran-tany ho an’ny angano : Hivoaka amin’io ny boky angano an’i Ranaivo Rafenomanjato Patricia

19/03/2019

Hankalazaina rahampitso 20 martsa ny andro maneran-tany ho an'ny angano. Hanamarika izany ny ao amin’ny Ivon-toeran’ny Kolotsaina Malagasy (IKM) sy ny Federasiona Mpikanto Teny sy Soratra (FMTS). Mandritra izany no

 Lire la suite...

BNI Andranonahoatra Olona handrotsaka vola, voatifitra

19/03/2019

Omaly maraina tokony ho tamin’ny 9 ora sasany maraina teo no nitrangana fanafihana teo amin’ny banky BNI Andranonahoatra Itaosy.

 Lire la suite...

Fifaninanana mamaky teny Ankizy 31 no tafakatra amin’ny manasa-dalana

19/03/2019

Ankizy sy tanora miisa 73, teo anelanelan’ny 10 hatramin’ny 15 taona, no tonga nifaninana namaky teny, tao anatin’ilay « Championnat de lecture », nokarakarain’ny Alliance française d'Antananarivo, tamin’ny sabotsy lasa teo.

 Lire la suite...

“Tremplin Music’al Run” ao La Réunion: Mandray anjara i Océane Rama, malagasy

19/03/2019

Fifaninanana hisafidianana ireo mpanakanto vao misondrotra eo amin’ny sehatry ny mozika ny “Tremplin Music’al Run”.

 Lire la suite...

Varotra akanjo sy kiraro Mora be ny entana, rehefa manao “destockage” ny botika

19/03/2019

Any am-pitandranomasina any dia voafaritry ny lalàna mazava ny daty sy ny fe-potoana fanaovana varo-boba, na “solde”, na ihany koa “destockage”.

 Lire la suite...

Sambatra Fandresena, 14 volana Misy fivontosana ny ati-dohany, hodidiana fanin-droany

19/03/2019

Zazalahy kely vao 14 volana monja Andriamanantsoa Sambatra Fandresena. Tojo tsy fahasalamana tanteraka anefa izy ankehitriny. Misy fivontosana ao anaty ati-dohany izay fantatra fa mizara roa samihafa. Ny iray efa voadidy soa aman-tsara rehefa nesorina.

 Lire la suite...

LOZAM-PIARAKODIA - TAMBAZOTRAN-TSERASERA Mitady “j’aime” fa tsy mba manavotra ireo mpandalo

18/03/2019

“Toe-javatra mampalahelo amin’izao, ny nahamay ny sasany dia ny mitifitra sary ireo olona nihitsoka tao ambany fiara fa tsy nisy mihitsy namonjy izany”.

 Lire la suite...

Actualités

Tsy fanjarian-tsakafo Ankizy am-polony isam-bolana no mamoy ny ainy

14/03/2019

Ankizy am-polony isam-bolana no mamoy ny ainy any amin’ny hôpitaly vokatry ny tsy fanjarian-tsakafo raha ny fanazavan’ny « Compassion Madagascar ».

 

 

 

 

 Raha ny ao amin’ny hopitalin-jaza ao Befelatanana manokana dia ankizy tratry ny tsy fanjarian-tsakafo manodidina ny 60 isam-bolana eo no raisin’izy ireo an-tanàna ary ny 15%-n’ireo dia mamoy ny ainy avokoa. Mora handairan’ny aretina tokoa mantsy ny ankizy iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ary lasa marefo. Tao anatin’ny herinandro dia ankizy 12 izay tsaboina ao amin’ny hopitaly Befelatanana no hitan’ity fikambanana ity fa iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo ary ny 2 tamin’ireo ankizy ireo dia namoy ny ainy avokoa. Ny tena olana amin’ity tranga ity dia aretina hafa no hitondran’ireo ray aman-dreny ireo zanany ao amin’ny hôpitaly ary tsy fantany mihitsy raha tsy voazahan’ny mpitsabo fa tsy fanjarian-tsakafo no mahazo ny zanany. Etsy an-kilan’izay dia mbola olana goavana sedraina ihany koa ny fahasahiranana ara-bola izay sedrain’ireo ray aman-dreny sasany. Isan’ireo zaza izay tsy fantatry ny ray aman-dreniny mihitsy fa tratry ny tsy fanjarian-tsakafo i Tiavina, Tinah ary Clarisse. Narary kibo sy nivalana izy ireo ka izay no nampidiran’ny ray aman-dreniny azy hôpitaly. Efa nanaraka fitsaboana kosa vao fantatra fa voan’ny tsy fanjarian-tsakafo izy ireo. Samy milanja 5kg avy izy telo mianadahy ireo kanefa dia fitovolana, 16 volana ary 12 volana. Tsy izy ireo irery fa izy 10 mianadahy izay ahian’ny fikambanana Compassion Madagascar  dia samy mila vonjy avokoa ka izany indrindra no angatahan’ny fikambanana fanampiana amin’ireo malala-tanàna. Ny laharana 0340452458/ 0329229760/ 0338545911 moa no ahazoana ny tompon’andraikitra ao amin’ity fikambanana ity.

 

 

Meva .

 <<Retour

 

Copyright 2009 Jejoo